]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Demokrasia: Nihetsika ny Youth Civic Center eto Madagasikara

Demokrasia: Nihetsika ny Youth Civic Center eto Madagasikara

Fikambanana tanora sy olom-pirenena maro mikely aina amin’ny fampandraisana andraikitra eo anivon’ ilay ivotoerana atao hoe « YCC » na Youth Civic Center no nivondrona ka nanambatra hery nikarakara ilay fampisehoana mivelatra sy fihaonana mitondra ny lohahevitra hoe : « Ndao atao mahery ny feon’ny demokrasia » natao ny sabotsy 14 Septambra 2013 lasa teo. Hetsika tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, nifanakalo hevitra momba ny andraikitra sy ny anjara asan’ny olom-pirenena ao anatin’ny fiaraha-monina iray anjakan’ny demokrasia ny mpandray anjara rehetra.


Niombon-kevitra ny rehetra tamin’izany fa mba hampivelatra ny atao hoe « demokrasia » dia tsy maintsy mandray anjara mavitrika amina adihevitra na fanapahan-kevitra iarahana amin’ny rehetra ny olom-pirenena, mampahafantatra ny heviny sy mamoaka izany ho henon’ny rehetra ary koa mampiditra ireo olom-boafidy isan’ambaratonga sy ny mpitarika samihafa hihevitra ny olana ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy izay mahakasika mivantana ny fiainany an-davanandro. « Rehefa tsy afaka miteny na tsy henoina na ataon’ireo manana fahefana tsinontsinona ny feon’ireo olom-pirenena na ny fomba fijeriny, dia tsy hisy mihitsy ny atao hoe fiarahamonina anjakan’ny demokrasia », hoy ny mpandray anjara iray.

Ireo tanora nandresy tamin'ilay fifaninana Facebook momban'ny lova navelan'i Dr Martin Luther King, ka notolorana amboara sy loka

Isan’ireo fikambanana tanora tonga nandray anjara tamin’ity fihaonana sy atrik’asa ity ny Wake Up Madagascar, Nova Stella, Liberty 32, Ankiteny, ary ny WYLD na ny Women and Youth’s Ligue for Democracy (Fiaraha-miasan’ny vehivavy sy ny tanora ho an’ny demokrasia). Tonga nandray ny lokany tao amin’ny Institut d’Etudes Politiques na IEP koa ireo tanora nandresy tamin’ny fifaninana Facebook mikasika ny lova napetrak’i Dr Martin Luther King, Jr. sy ireo fikambanana tanora samihafa. Anisan’ny fomba iray nanangonana ny hevitry ny tanora ny hetsika toy izao, ka hoy ny ohabolana malagasy iray hoe : « Atsipy ny tady eny antandroky ny omby, atsipy ny teny ao am-pon’ny mahalala ».

YCC - Sary nampitaina taty aminy www.madagate.com

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 Septembre 2013 07:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA