]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara : “Le Mag”, gazetina dokam-barotra vaovao

Madagasikara : “Le Mag”, gazetina dokam-barotra vaovao

Hampifanakaiky ny tolotra sy ny tinady


“Le Mag” fitaovam-pifandraisana vaovao natokana ho an’ny dokam-barotra, vokarin’ny Agence Sophia izay miasa ao anatin’ny tontolon’ny fifandraisa sy ny serasera. Tanjon’ny ”Le Mag” ny hampifanakaiky hatrany ireo mpanjifa sy ireo orinasa mpamokatra. Natao indrindra “Le Mag” hifanaraka amin’ny izao vanim-potoana fanatontoloana izao noho izy magazine moderina ahafahan’ny tolotra sy ny tinady mifandray amin’ny fotoana rehetra ary tsy misy sakantsakana.

 

Mivoaka indray mandeha isam-bolana ary tsy amidy “Le Mag”. Mikasika ny fanampariahana azy, hisy azy voalohany ireo manao dokam-barotra ao anatiny. Afaka ahitana azy koa ireo trano fandraisam-bahiny, ireo toeram-pivarotana lehibe eto andrenivohitra ary toerana maro samy hafa hifaneraseran’ny daholo be.


Raha ny habeny mirefy 19cm ny halavany raha mihidy ary 38cm raha misokatra. Mirefy 12cm kosa ny sakany. Ny fonony voalohany ivelany indrindra dia ho PCB pelliculage Matt ary milanja 200gr raha PCB milanja 115gr kosa ny ao anatiny.

Tombony ho an’ny mpanao dokam-barotra

Mora entina ary mora lanjaina “Le Mag” noho io habeny tsy dia kely loatra ary tsy dia lehibe loatra io. Tsy hanahirana ny mpanjifa araka izany ny hitahiry azy. Amin’ny maha magazine dokam-barotra azy, mbola azo iverenana tsara ny famakiana azy amin’ny fotoana rehetra ilan’ny mpanjifa izany, sady mora vakiana rahateo izy nohon’ny soratra ao anatin’ny tsy dia kely loatra sady mahafinaritra jerena.


Ankoatran’izany, ary zava-dehibe amin’ny resaka ara-barotra dia hampitombo ireo mety ho mpanjifa ho an’ny mpamokatra “Le Mag” noho izy hiparitaka amin’ny toerana maro samy hafa, izay toerana hifaneraseran’ny maro, eny hatreny amin’ny ivotoeram-pitsaboana. Fanampariahana izay hampiavaka “Le Mag” amin’ireo mpifanina aminy.

Tombony ho an’ireo mpanjifa

Rehefa mahazo tombony ny mpanjifa dia mahazo tombony manaraka izany ny mpamokatra satria tafita ny antso hanosika ny mpividy hanjifa ny entana. Ka zava-dehibe ho an’ny “LeMag” koa ny fanomezana fahafahampo ho an’ny mpamaky. Amin’izao andavan’andro tsy ilaozan-drotoroto izao, azon’ny mpanjifa atao soa aman-tsara amin’ny alalan’ny “Le Mag” ny mividy entana mivantana amin’ny fampiasana ireo Mobile Banking.


Fizotry ny varotra amin’ny alalan’ny ”Le Mag”

Marihiana fa hita ao anatin’ny ”Le Mag” avokoa ny mombamomba ny entana hamidin’ny mpamokatra. Ary ireo no ahafahan’ny mpanjifa mandray ny fanampahan-kevitra hividy ny entana. Mandefa ny coden’ny entana sady mandoa ny vidin’entana amin’ny alalan’ny Mobile Banking any amin’ny ” Le Mag” ny mpanjifa. “Le Mag” manarak’izay no mandefa ny komandy any amin’ny mpamokatra izay manatitra ny entana mivantana any amin’ny mpanjifa afaka fotoana fohy.

Ireo dokam-barotra ho hita ao anatin’ny ”Le Mag”

Tsy mifidy dokam-barotra ny “Le Mag”. Na orinasa na olon-tsotra afaka manao dokam-barotra ao anaitny avokoa.

Kojakoja momba ny trano, na ao antokatrano, ny lakozia, ny fiara, ny technolojia vaovao fifandraisana, ny momba ny birao, ny tany,… izany rehetra izany dia anisan’ny dokam-barotra ho hita ao anatin’”Le Mag” avokoa.

Mis à jour ( Mercredi, 13 Novembre 2013 09:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA