]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara Kolontsaina : fifanekem-piaraha-miasa amin’ny Indonezia

Madagasikara Kolontsaina : fifanekem-piaraha-miasa amin’ny Indonezia

Fampitam-baovao Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka

Notanterahina ny Zoma 15 Novambra 2013 teo ny fanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ ny Sekoly Ambony STSI (Sekolah Tinggi Seni Indonesia) mampianatra ny kolontsaina Indoneziana any Bandung Indonezia sy ny CNEMD, sekoly misahana ny fampianarana ny dihy sy mozika eo anivon’ ny Ministeran’ ny Kolontsaina sy ny Vakoka.


Maro ireo tetik’ asa izay efa niarahan’ ny Ministeran’ ny Kolontsaina sy ny Vakoka sy ny ambasadin’ ny Indonezia eto Madagasikara nanatontosa. Anisan’ izany ireto manaraka ireto:

- Ny fandraisana anjaran’ ny STSI tamin’ ny festival Mitsaka farany teo.

- Ny famoahana ny rakibolana faharoa teny gasy Indonezia.

- Ny Fanolorana vatsim-pianarana.

- Ny fandraisana anjaran’ny tarika Krakatao avy any Indonesia nandritra ny festival Madajazzcar 2013.

Tamin’ io fotoana io no nanasan’ny ministry ny Kolontsaina Indonesiana an-dRamatoa Elia Ravelomanantsoa handraisany anjara amin’ ny atrik’ asa iraisam-pirenena momba ny kolontsaina “World Culture Forum” izay atao any Bali ny faha 24 hatramin’ ny 27 Novambra ho avy izao.


Fikasàna ho an’ ny roa tonta ihany koa ny hanangana ivon-toerana momba ny Kolontsaina Indoneziana eto Madagasikara sy ivon-toerana momba ny kolontsaina Malagasy any Indonesia.

Ity fifanekena ity dia mariky ny fampivoarana ny fiaraha-miasa izay mifanaraka amin’ ny tetik’asan’ Andriamatoa Filohan’ ny masoivoho Indoneziana, izay hijoron’ ny foto-kevitra firahalahiana, mba hisian‘ny fifamatoram-pihavanana eo amin’ ny lafin’ ny Kolontsaina Malagasy-Indoneziana.

Seraseran'ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka - Sary nalefa taty aminy www.madagate.com

Mis à jour ( Vendredi, 15 Novembre 2013 13:32 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA