]
Les quotidiens du 27 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagascar CRAM: tsy ilaina izany fiaraha-mitanana ny Nosy malagasy izany

Madagascar CRAM: tsy ilaina izany fiaraha-mitanana ny Nosy malagasy izany

Tsiahy : Taorian’ny fiovan-kevitra nataon’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, izay toa tsy hiady mafy intsony mikasika ireo Nosy Malagasy ao amin’ny Ranomasina Indianina, dia nijoro ny « Comité national pour la restitution des Iles Eparses et la revendication du Plateau Continental ». Isan’ireo mpikambana ao amin’ity kômity mangataka ny hamerenana ireo Nosy ireo ho an’ny Malagasy : Rtoa Christine Razanamahasoa (minisitra teo aloha) Imbiky Anaclet (minisitra teo aloha), Rakotoarisoa Florent (minisitra teo aloha), Pierre Tsiranana (Cst teo aloha); Jules Andriamaholison (Cst teo aloha), Jean Brunel Razafintsiandraofa (Depiote amperin’asa), Richardson Rakotoarimanana (mpiaro ny zon’olombelona), Joël Harison Marie René (Cram) … sy ny maro tsy ho voatanisa. Ity manaraka ity ny « Communiqué de presse » mikasika ny fivoriana farany nataon’io CRAM io, androany 27 Septembre 2014.

Jeannot Ramambazafy

CERCLE DE REFLEXION POUR L’AVENIR DE MADAGASCAR

“MANANGANA HO AN’NY TARANAKA FARAMANDIMBY ISIKA FA TSY HANDRAVA INTSONY NO ANTOKY NY FIADANANTSIKA“

COMMUNIQUE DE PRESSE

Ny Birao Nasionalin’ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar »(CRAM) izay nivory teo Alasora androany faha 27 septambra 2014 dia manao izao fanambarana manaraka izao :

Ny mpitondra nifanesy teto amin’ny tany sy ny fanjakana ary ireo manam-pahaizana malagasy momban’ny lalàna iraisam-pirenena dia samy efa nanao ny ezaka rehetra ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena amin’ny hamerenan’ny firenena frantsay amin’ny vahoaka malagasy ireo « Nosy Malagasy » nobodony an-taonany maro kanefa dia fananantsika tsotra izao. Rehefa bodon’ny sasany ny fananao dia tsy maintsy mitaky amin’ny fomba rehetra ny hamerenana azy ianao, izany indrindra no nitsanganan’ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ireo « Nosy malagasy » ireo. Ny CRAM dia isan’ny Fikambanana mpanorina izany Komitim-pirenena izany.

Mifanohitra be ihany ny fanazavana etsy sy eroa ankehitriny, indrindra ny fanazavana tao amin’ny Televiziona malagasy (TVM) nandritra ny fandaharana « SARIKA » ny zoma 26 septambra 2014 amin’ny filazan’ny vahiny tao fa « tsy hilaina ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ny Nosy malagasy ». TSARA HO FANTATRY NY VAHOAKA MALAGASY FA NY TANJON’NY KOMITIM-PIRENENA DIA TOY IZAO MANARAKA IZAO:

1. Hapetraka ho raharaham-pirenena ny fitakiana ny harem-pirenena mba hiveloman’ny zanaka malagasy sady ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena.

2. Tsy mitovy hevitra amin’ny mpanao politika sasany tsy te hisahirana ankehitriny ny Komity, satria saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena (souveraineté nationale) ny vahoaka mipetraka sy monina eto Madagasikara.

3. Hamolavola ireo paik’ady rehetra izay hatolotra ny Antenimeram-pirenena sy ny fitondram-panjakana malagasy mba hirosoana amin’ny “REFERENDUM” raha ho tonga amin’izany.

4. Handrafitra ny mety ho endri-piaraha-miasa amin’ny orin’asa vahiny vonona hiara-hiasa marina amin’ny Madagasikara amin’ny fitrandrahana ny harem-pirenena misy any amin’ireo Nosy Malagasy ireo. Ho tombontsoa ambon’ny firenena sy ny vahoaka malagasy manontolo.

5. Hanangana Vaomiera hanara-maso ny fifanarahana rehetra mba hisy fiantraikany marina amin’ny fiainam-bahoaka.

6. Hitondra tolo-kevitra amin’ny fampiasana ny vola azo amin’ny fitrandrahana permis exclusifs d’exploration Offshore, des droits d’exploration offshore et d’exploitation de ressources pétrolières et gazières en eaux profondes, gisements) ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy manontolo mba tsy ho lasa an-javona toy ny “bois de rose”.

Tsy mianona fotsiny amin’ny fitakiana ny fiandrianam-pirenena ny komitim-pirenena fa hanara-maso ny fifanarahana sy ny fampiasam-bola rehetra manodidina ny fitrandrahana. Mazava ny voalazan’ny vahiny tao amin’ny TVM nanao hoe : « Aleo tsy misy toy izay lasa toy ny bois de rose ny Nosy malagasy ».

Koa manainga ny vahoaka malagasy rehetra hitsangana fa tonga ny fotoana ampisehoana amin’izao tontolo izao fa tia ny tanindrazany ny vahoaka malagasy sady miaro ny fiandrianam-pireneny ary tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny tsindry hazo lena mianjady aminy. HO AN’NY TANINDRAZANA SY NY FITIAVANA NY HO AVIN’NY MPIRAY TANINDRAZANA.

Hatanteraka izany dia tsy azontsika atao rano dikan’ny zinga ny Antenimieram-pirenena satria mpikambana ao dia ireo Solombavam-bahoaka mahasolon-tena ny vahoaka malagasy manontolo ary tsy tokony ho diso hevitra ireo mpanatsatso fa tsy hilaina amin’ity resaka « Nosy Malagasy » ity ny Antenimieram-pirenena. Ny fifanarahana rehetra momba ireo « Nosy malagasy » ireo dia tsy maintsy ny Antenimieram-pirenena ny mandany ny lalàna rehetra na manao ny « ratification ».

Aoka hazava amin’ny vahoaka malagasy fa mbola tsy vita ny fifanarahana teo amin’ny Nosy Maurice sy ny Frantsay izay nanomboka tamin’ny 17-18 desambra 2008, tany Port-Louis, namolavolana ny fifanarahana lasitra (accord cadre sur la cogestion économique, scientifique et environnementale relative à l’île de Tromelin et à ses espaces maritimes environnants) izay nitohy tamin’ny fivoriana faharoa ny 27-28 oktobra 2009 tany Saint-Pierre de la Réunion. Ny delegasiona frantsay dia notarihan’Andriamatoa Rollon MOUCHEL-BLAISOT, Préfet, Administrateur supérieur des TAAF ary Andriamatoa Suresh Chundre SEEBALLUCK, Secretary to Cabinet and Head of the Civil Service (Sekretera Jeneralin’ny governemanta), no nitarika ny delegasiona morisiana. Ny 25 janoary 2012 vao napetraky ny Minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Alain JUPPE, teo anivon’ny Antenimieran-doholona frantsay ny rijan-teny (texte n° 299, 2011-2012)momban’ny fifaranahana lasitra amin’io fiaraha-mitantana (cogestion) io. Rehefa avy nolanian’ny Loholona frantsay izany ny 18 desambra 2012 (texte n° 52, 2012-2013 dia nalefa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay. Nanao tatitra Andriamatoa Hervé GAYMARD, izay mitondra ny laharana 830, teo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay.

Tafapetraky ny vaomieran’ny raharaham-bahiny frantsay eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany ny 20 mars 2013 (texte de la commission n°830). Mbola miantona eo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay io resaka “cogestion Tromelin” io hatramin’izao. Toy izao manaraka izao no nambaran’Andriamatoa Jean François DOBELLE, Masoivoho frantsay tao Maurice, ny 15 jolay 2013, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny “LE MAURICIEN” izy :

« Un député a réclamé un débat de fond parce qu’il semble être est en désaccord avec certaines dispositions de l’accord alors que le texte avait déjà passé au Sénat et à la commission des Affaires étrangères sans débats. Puisqu’il y a eu demande de délibération, on ne peut refuser le débat qui est de droit dans une démocratie. Le texte devait passer le 1er juillet dernier à l’Assemblée nationale. Du fait de la surcharge de travail et du nombre de projets de loi à devant être examinés, la conférence des présidents de l’Assemblée nationale, qui gère l’ordre du jour, a décidé d’annuler la séance du 1er juillet où l’examen du projet de loi autorisant l’approbation de l’accord sur Tromelin était prévu. D’autres projets de loi sont aussi passés à la trappe ».

Ny CRAM dia manizingizina fa tsy hilaina izany fiaraha-mitanana izany raha ny zava-misy manodidina ny Nosy Tromelin no jerena amin’ny maso tsy miangatra fa tena lasa resaka fandrebirebena sy fandanian’andro fotsiny. Tsy afaka ny hiandry am-polo taonany ny mpanjono malagasy an-tapitrisina amin’ny ilany andrefan’ny Nosin-drazantsika vao afaka hanjono ao amin’ny fari-dranomasina malagasy kanefa ireo mpanjona vaventy asiatika dia miray tsikombakomba amin’ny vahiny no mandroba ny harem-pirenena malagasy ao amin’ny Lakan-dranon’i Mozambika

Natao teto Alasora, androany faha 27 septambra 2014

JOËL HARISON Marie René

Président CRAM

 

Mis Ă  jour ( Samedi, 27 Septembre 2014 18:08 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...