]
Les quotidiens du 05 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Patrick Raharimanana. Fitondrana Rajaonarimampianina tsy manaja lalàm-panorenena

Patrick Raharimanana. Fitondrana Rajaonarimampianina tsy manaja lalàm-panorenena

Patrick Raharimanana

Tsy nanaja ny lalàm-panorenana ny fanendrena ny Praiminisitra telo rehetra tamin'ity Repoblika fahaefatra teto Madagasikara ity.

Amin'ny endrika hivelany dia Praiminisitra faharoa izao no voatendry amin'izao Repoblika fahaefatra izao. Raha ny marina anefa dia miditra amin'ny fanendrena Praiminisitra fahatelo isika izao.

Rehefa jerena tokoa ny andininy faha 54 ao amin'ny lalàm-panorenana dia mazava tsara fa, ny antoko na vondron'antoko politika, mijoro ara-dalàna, izay maro an'isa, ao amin'ny Antenimieram-pirenena no manolotra ny ho Praiminisitra izay tendren'ny Filoham-pirenena.

Tsara avahana io hoe antoko na vondron'antoko politika io, amin'ny vondrona parlemantera na groupe parlementaire.

Ny antoko na vondron'antoko politika dia ireo antoko nahazo alàlana ara-panjakana, araky ny lalàna mifehy ny antoko politika mitondra ny laharana 2011-012 nivoaka ny 9 septambra 2011.

Ny kandida ho solombavam-bahoaka, araky ny lalàm-pifidianana, dia tsy maintsy milatsaka amin'ny anaran'ny antoko na vondrona politika mijoro ara-dalàna arak'io lalàna 2011-012 io, na milatsaka amin'ny anaran'ny tenany manokana na ilay antsoina hoe indépendant.

Ny lalàna mikasika ny antoko politika koa anefa dia mazava tsara fa tsy misy mpikambana mahazo miditra antoko politika roa samihafa ka tsy maintsy mametra-pialana amin'io antoko io aloha izy, izay vao mahazo mifindra antoko politika hafa.

Izay solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondron'antoko politika nilatsahany, ka nahavoafidy azy, dia tsy mahazo mifindra antoko na vondrona politika hafa, raha tsy izany dia miala tsy ho solombavam-bahoaka avy hatrany izy ka miakatra ny kandida mpisolo toerana tao amin'ilay lisitry ny antoko politika nilatsahany.

Ny HCC no manamarika izany fanoloan-toerana izany, io ilay hoe déchéance voalazan'ny andininy faha 72 ao amin'ny lalàm-panorenana, izany hoe azon'ny antoko na vondrona antoko politika alàna tsy ho solombavam-bahoaka amin'ny anarany ny solombavam-bahoaka miala na nesoriny tsy ho hisan'ny mpikambana ao amin'ny antokony araky ny fitsipika anatin'ny antoko na ny vondrona politika, izay fitsipika efa nipetraka sy manan-kery aram-panjakana.

Ny lalàna 2011-012 mifehy ny antoko politika ihany koa dia mandrara ny fampiasana ny anarana, ny sary, ny loko, ny teny faneva, na ny mitovitovy aminy raha misy mpikambana tao amin'io antoko politika io hisaraka ka hamorona antoko hafa, hialana amin'ilay hoe antoko fanavaozana, na antoko N° 1, na antoko 2.

Tsy maintsy maka anarana hafa mihitsy ary mamorona antoko politika vaovao araky ny lalàna velona.

Ny vondrona parlemantera na groupe parlementaire kosa dia fomba fiasa fotsiny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Ny fitsipika anatin'ny Antenimiera no mamaritra ny isan'ny solombavam-bahoaka, farafahakeliny, atao ao anatin'ny vondrona parlemantera iray.

Raha mahafeno io isan'ny solombavam-bahoaka kely indrindra handrafitra vondrona parlemantera iray io izany ny antoko na vondrona politika iray, izay manana solombavam-bahoaka lany tamin'ny anarany, dia lasa vondrona parlemantera iray io antoko na vondrona politika izay efa nijoro ara-panjakana io.

Io fitsipika anatiny io dia mamaritra fa tsy mahazo misaratsaraka ireo solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondrona politika iray fa tsy maintsy miaraka vondrona parlemantera tokona ihany izy ireo.

Tsy misy mahazo mifidy hevitra hafa ankoatran'ny hevitra tapaky ny vondrona parlemantera amin'ny fifidianana ny volavolan-dalàna na fanapahan-kevitra dinihina ao amin'ny Antenimiera.

Ny isan'ny solombavam-bahoaka anatin'ny vondrona parlementera izany no tsy maintsy isan'ny vato azony raha tonga daholo ny Solombavam-bahoaka amin'io fifidianana io.

Io ilay antsoina hoe mandat impératif, ka tsy misy Solombavam-bahoaka mahazo miala amin'ny hevitry ny antoko na vondron'antoko nahalany azy tamin'ny fifidianana.

Any amin'ny antokony izy no mandresy lahatra ny heviny fa rehefa tonga ny fifidianana eo anivon'ny Antenimiera dia ny hevitra tapaky ny vondrona parlemantera misy azy no tsy maintsy arahiny, raha tsy izany dia azon'ny antoko na vondrona politika misy azy alàna tsy ho solombavam-bahoaka, lany tamin'ny anarany, io solombavam-bahoaka io.

Tsy ara-dalàna izany ny vondrona parlemantera N°1, vondrona 2 sy 3 nefa solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondrona politika iray ihany izy ireo. Satria ny lalàm-panorenana mihitsy no tsy manaiky ny fisaratsarahan-kevitry ny Solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondrona antoko politika iray, mandat impératif.

Ireo Solombavam-bahoaka voafidy tamin'ny anaran'ny tenany kosa, na ireo indépendant izany, dia afaka misafidy ny hiditra vondrona parlemantera iray, ary amin'iny tokana iny ihany, tsy afaka mivadibadika vondrona parlemantera anefa izy, nefa kosa afaka miala ao anatiny ary tsy mahazo miditra vondrona hafa intsony mandrampaha-tapitry ny 5 taona maha solombavam-bahoaka azy.

Ny fitsipika anatin'ny Antenimiera dia mamaritra io vondrona parlemantera io hatrany amboalohan'ny fotoam-piasan'ny solombavam-bahoaka, ka tsy azo atao intsony ny manampy na manovaova io vondrona parlemantera io eny antenatenany eny, ka hisy indray ny vondrona parlemantera 1 sy 2 ary 3.

Ny Jeneraly Jean Ravelonarivo sy ny Dokotera Roger Kolo

Raha ny mikasika kosa ny fanendrena ny Praiminisitra, dia mazava fa miditra amin'ny fanendrena ny Praiminisitra fahatelo isika izao, fa tsy Praiminisitra faharoa araky ny voalaza hatrany.

Satria tokoa manko, rehefa avy nanao fihanihanana ny Filoham-pirenena, fa hanaja toy ny anak'andriamaso ny lalàm-panorenana, dia tapitra hatreo izany ny fahefan'ny Filohan'ny Tetezamita ary manana fahefana feno ny Filohan'ny Repoblika vaovao.

Nametram-pialana teo anatrehan'ny Filoham-pirenena ny Praiminisitry ny Tetezamita izay voatendrin'ny Filohan'ny Tetezamita tamin'izany, araky ny Tondrozotra.

Neken'ny Filohan'ny Repoblika, izay manam-pahefana feno, izany fametraham-pialan'ny Praiminisitry ny Tetezamita izany.

Tapitra hatreo izany ny fahefan'ny Praiminisitry ny Tetezamita. Ka hiditra amin'ny Repoblika fahaefatra vaovao isika, izay ny lalàm-panorenana lany tamin'ny taona 2010, nanaovany fihanihanana, no hitantanan'ny Filohan'ny Repoblika vaovao fa tsy ny Tondrozotra na Feuille de Route intsony.

Nandray didy hitsivolana anefa ny Filoham-pirenena nanendry ny Praiminisitra teo aloha hanoy ny asany miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemantany hisahana ny asa fampandehanan-draharaha.

Mazava ny lalàm-panorenana fa tsy misy izany andraikitra fampandehanan-drahara izany fa ny governemanta dia efa voafaritra mazava amin'ny antsipirihana ny andraikiny ao amin'ny lalàm-panorenana, izay tsy azon'ny Filohan'ny Repoblika ahena na ampitomboina na ho ferana amin'izany fampandehanan-draharaha andavan'andro izany, izay teny tsy mazava akory ny hoe inona moa no asa fampandehanan-draharaha andavan'andro? Fandoavana karama fotsiny ve? Sa inona?

Eto izany ny fanendrena ny Praiminisitra voalohan'ny Repoblika fahaefatra dia efa tsy manaraka ny lalàm-panorenana satria efa nijoro sy voafidy ny Antenimieram-pirenena izay tokony ny antoko na vondron'antoko politika mijoro ara-dalàna, maro an'isa, no nanolotra ny Praiminisitra ka notendren'ny Filoham-pirenena.

Nefa ny Filoham-pirenena nanendry avy hatrany Praiminisitra sy mpikambana ao amin'ny governemanta izay Praiminisitra tsy natolotry ny antoko maro an'isa lany tamin'ny fifidianana ho solombavam-bahoaka.

Tonga indray koa ny fanendrena ny Praiminisitra faharoa sy ny fahatelo farany teo, dia nolazaina fa ny vondrona maro an'isa no nanolotra azy.


Mazava ny andiny faha 54 n'ny lalàm-panorenana, fa ny antoko na vondrona politika ara-dalàna, araky ny lalàna mifehy ny antoko politika laharana faha 2011-012, izay nandatsaka kandida ho solombavam-bahoaka no manolotra ny Praiminisitra ka tendren'ny Filoham-pirenena.

Raha fintinina izany dia tsy ny vondrona parlemantera, na firaisan'ny antoko politika maromaro, na alliance politique, no manolotra Praiminisitra, fa ny antoko politika na vondrona politika ara-dalàna, izay nanolotra kandida ho fidiana ho Solombavam-bahoaka, ka lany ary nahazo ny isan-toerana be indrindra ao amin'ny Antenimieram-pirenena, no manolotra ny Praiminisitra ka tendren'ny Filoham-pirenena.

Io isan-toerana azon'ny antoko na vondron'antoko politika tamin'ny fifidianana io dia tsy azo zarazaraina na vakivakiana.

Ny ady hevitra momba ny fahamarinan-toeran'ny Antenimieram-pirenena mikasika ny maro an'isa, na ny stabilité avec majorité absolue parlementaire, izany dia mijanona ho ady hevitra politika fotsiny ihany, izay mety ampidirina any amin'ny fanatsarana ny lalàm-panorenana, izay tsy maintsy mandalo fitsampan-kevibahoaka amin'ny ho avy.

Fa raha ny lalàm-panorenantsika amin'izao aloha dia tsy manery ny antoko na vondrona politika ahazo ny toerana antsasa-manila, majorité absolue, ao amin'ny Antenimiera, fa nilaza fotsiny hoe, izay antoko na vondrona antoko politika ara-dalàna, nandatsaka kandida tamin'ny anarany, ka nahazo ny isan-toerana be indrindra no manolotra ny Praiminisitra ho tendren'ny Filoham-pirenena.

Noho izany dia tsy araky ny Lalàm-panorenana avokoa ny fanendren'ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra telo rehetra tato anatin'ity Repoblika fahaefatra ity.

Vitatsika io.

Patrick Raharimanana

16 janoary 2015.

Mis à jour ( Vendredi, 16 Janvier 2015 21:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...