]
Les quotidiens du 05 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Robert T. Yamate. Kabariny voalohany aminy maha Ambasadaoro vaovao azy

Robert T. Yamate. Kabariny voalohany aminy maha Ambasadaoro vaovao azy

Kabarin’Atoa Robert T. Yamate, Masoivoho nandritra ny lanonana nokarakarain’ny orinasa Maersk, ny 29 Janoary 2015

« Fifaliana lehibe ny tafaraka aminareo eto amin’izao hariva izao.  Araka ny efa fantatrareo dia fanindroany izao izahay mivady no tonga eto Madagasikara.  Efa nianoka ny fiainana teto izahay 25 taona lasa izay, izany hoe toy ny fiverenana aty an-doharano nihaviana ihany izao ataonay izao, ary dia ankasitrahanay ny fandraisana mafĂ na natao anay hatreto.

Efa betsaka ny zavatra niova hatramin’izay 25 taona lasa nipetrahanay taty izay.  Fa ny manan-danja indrindra angamba dia ny niverenan’ny fitondrana demokratika hatramin’ny nahavitana ny fifidianana tamin’ny taona 2013.  Marina fa mbola maro ireo fanamby atrehin’i Madagasikara, fa efa dingana goavana izany vita izany ka tsy azo odian-tsy hita na heverina ho mandeha ho azy.  Tsy ny tenako mihitsy aloha no hanana fijery toa izany – ny nanendrena ahy ho masoivoho fotsiny ohatra dia vokatra mivantana nateraky ny famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta; rehefa tafaverina ny fitondrana voafidim-bahoaka; ary dia kisary maneho izany fa tafaverina ny fifamatorana eo amin’ny firenena roa tonta.

Araka ny nambarako ny Filoha sy ny Praiminisitra tamin’ny herinandro lasa teo, dia tohanan’i Etazonia tanteraka ireo ezaka ataon’ny fitondrana Malagasy mba hanampiana azy hahatontosa izay ezaka rehetra tokony ho tratrany.  Raha tiana hahatontosa an’izany anefa i Madagasikara, dia tsy vitan’ny hoe mila andrim-panjakana marin-toerana ihany fa tsy maintsy mikolokolo ny toe-kareny hatanjaka sy ho maro lafy hatrany, ary miorina amin’ny andrim-panjakana mangarahara sy manaja ny tamberin’andraikitra, ary ahitana lamina misokatra sy mirindra araka izay tratra ho an’ny fananganana sy fampiroboroboana ny orinasa.

Eto aho dia midera ny Filoha Rajaonarimampianana noho ny nanaovany ny ady amin’ny kolikoly ho iray amin’ireo laharam-pahamehan’ny fitondrana entiny.  Tsy maintsy fongorina ny kolikoly, sy ny fanaovana tantely afa-drakotra an’ireo loharanon-karena tsy azo sandaina vola ananan’ny nosy, ary tsy maintsy omena fanantenana ireo tanora manan-talenta marobe eto amin’ny firenena, ka hampiana amin’ny alàlan’ny fanabeazana sy ny fanofanana izy ireo hampiasa ny talentany ho fanasoavana ny fireneny.

Samy hahita tombontsoa ny firenentsika roa tonta raha mandroso ny toe-karena ary mihatsara ny harin-karen’ny vahoaka Malagasy.  Noho izany dia fifaliana ho ahy ny tonga eto androany mba hanamarika izao kihon-dàlana manan-danja vaovao izao eo amin’ny fanamafisana orina ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia.

Nànana anjara toerana lehibe ny nahatafaverenan’i ho anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ny AGOA tamin’ny nanokafan’ny orinasa mpitatitra an-dranomasina Maersk ny tolotra vaovao Indian Ocean Island hanomboka ny 7 Febroary izao, ka hahafahan’ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana handefa entana aingana kokoa mankany amin’ny seranan-tsambo any Etazonia.  Araka io fandaharam-potoana vaovao io tokoa mantsy dia hisy ny sambo hiodina tsy tapaka eo anelanelan’ny seranan’i Tamatave sy Etazonia ary Eoropa.

Dingana goavana ny fahafahana mandray anjara ao anatin’ny AGOA, na ho an’ny fihatsaran’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenentsika roa tonta na ho an’i Madagasikara manokana, ary samy hahazo tombontsoa avy amin’izany ny firenena roa tonta. Ny AGOA tokoa mantsy dia mitondra fanatsarana misongadina eo amin’ny fahafahan’ny orinasa Malagasy mivarotra ny entany any Etazonia, amin’ny fanafoanana ny haban-tseranana fandoa amin’ny vokatra miisa mihoatra ny 7.000, toy ny fitafiana, fiompiana sy fambolena, akora simika, taozavatra, vifotsy sy ny maro hafa.

Efa nanomboka nahitam-bokany sahady izany fiverenan’ny AGOA izany.  Araka ny nambaran’ny Groupement des Enterprises Franches et Partenaires (GEFP), dia efa miisa folo ireo orinasa nahazo alàlana avy amin’ny fitondrana Malagasy hanondrana entana mankany ary dia efa manomana ny entam-barotra halefa mankany Etazonia ankehitriny.  Ary mino isika fa vao fanombohana ihany izany.

Nanokatra pejy vaovao teo amin’ny tantarany i Madagasikara raha namerina amin’ny laoniny ny demokrasia, ary na dia marina aza fa mbola betsaka ny asa miandry satria mbola miady amin’ny fametrahana ny fampihavanam-pirenena ny eto Madagasikara, dia matoky aho fa ho tratra izany tanjona izany.

Manana loharanon-karena sy fanantenana be dia be azo raisina i Madagasikara, ary raisinay ho rehareha ny ahafahanay mijoro ho mpiara-miombon’antoka eo anilanareo ao anatin’izany.  Ny varotra tokoa mantsy dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra hampifanantonana firenena sy mponina, ary raha ny fanapahan-kevitra nirosoan’ny Maersk no raisintsika ho mari-drefy, dia azo ambara fa mbola ho lava ary hamirapiratra ny hoavy hitambarantsika.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy ».

Dia misaotra anao ihany koa, ka ny faniriana avy amin’ny tonian-dahatsoratra madagate.com, dia: Ho tanteraka anie ireo teninao rehetra ireo


Mis Ă  jour ( Mercredi, 04 FĂ©vrier 2015 14:25 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...