]
Les quotidiens du 27 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo, 26 Jona 2015. Carnaval be hono e!

Antananarivo, 26 Jona 2015. Carnaval be hono e!

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE

/* Style Definitions */ table.MsoNormalTable {mso-style-name:"Tableau Normal"; mso-tstyle-rowband-size:0; mso-tstyle-colband-size:0; mso-style-noshow:yes; mso-style-priority:99; mso-style-qformat:yes; mso-style-parent:""; mso-padding-alt:0cm 5.4pt 0cm 5.4pt; mso-para-margin:0cm; mso-para-margin-bottom:.0001pt; mso-pagination:widow-orphan; font-size:10.0pt; font-family:"Calibri","sans-serif";}

HETSIKA « CARNAVAL » TEO ANOLOAN’NY LAPAN’NY TANANA


Andriamatoa Jean Ravelonarivo, Praiminisitra ary lehiben’ny Governementa

Antananarivo, 19 jiona 2015 – Tonga nanokatra tamim-pomba ofisialy ny andiany voalohany amin’ny hetsika « Carnaval de Madagascar » natao teo anoloan’ny « Lapan’ny Tanàna » Analakely ny zoma 19 jona 2015, Andriamatoa Jean Ravelonarivo, Praiminisitra ary lehiben’ny Governementa.

Nandritra ny lahateny nataony, dia nomarihinhy fa anisan’ny laharam-pahamehana eo amin’ny fampandrosoana ny lafiny fizahantany : « Zava-dehibe tokoa ity hetsika goavana voalohany indrindra antsoina hoe Carnaval de Madagascar ity, entina hampahafantatra an’i Madagasikara manerana izao tontolo izao. Fotoana ihany koa hanokafana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny fahaleovantena an’ity Nosy malalantsika ity. Fiaraha-mifety sy mifaly ho an’ny Malagasy rehetra, entintsika hanaporofoana ny firaisan-kina, ny fitiavan-tanindrazana, ny kolontsaina, ny soatoavina maha-Malagasy antsika ». Ka anisan’ny tanjona volahonany ny hahatongavana mpizahan-tany miisa 1 tapitrisa eto Madagasikara amin’ny taona 2020.

Notsindriany ihany koa fa tsy afa-misaraka amin’ny fizahan-tany, na ireo avy any ivelany, na ny eto an-toerana, ny fahafahana mivezivezy amin’ny fiaramanidina. Momba ny olan’ny AIR MADAGASCAR, dia efa manomboka miverina amin’ny laoniny izany ankehitriny, vokatry ny fifanatonana sy fifampiresahana nisy teo amin’ny Primatiora sy ireo solon-tenan’ny mpiasa, ary antenaina fa tsy ho ela intsony dia hiverina amin’ny laoniny tanteraka ny fiandraiketana ireo sidina rehetra « Ny isavorovoroan-kilantoana » hoy ihany izy. Torak’izay koa, dia efa nanomboka niverina nivoha tsikelikely androany ireo biraon’ny Fananan-tany manerana an’i Madagasikara, izany dia taorian’ny fihaonana teo amin’ny Primatiora sy ireo solon-tenan’ny mpiasa. Tsy adinon’Andriamatoa Jean Ravelonarivo ny nanao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo, ny amin’ny hisian’ny fitoniana sy ny filaminana amin’izao ankatoky ny asaramanitra izao.

Marihina moa fa nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ny hetsika, dia nisy ny fandefasana hihazo ny habakabaka “soasidina” (ballons) miisa 55 (ho mariky ny faha-55 taonan’ny fahaleovantena) miloko ny sainam-pirenena Malagasy nataon’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy solon-tenan’ireo mpikambana amin’ny Governementa, ary fandefasana voromailala fotsy miisa 22 ho mariky ny isan’ny faritra manerana ny Nosy, fa indrindra ny filaminana sy fitoniana.

La Direction de la Communication de la Primature

Mis Ă  jour ( Vendredi, 19 Juin 2015 18:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...