Fampitam-baovao
CARLTON - 20 novambra 2015
Nankalaza taminâny fomba ofisialy ny Andro Afrikanina ho Fampiroboroboana ny Indostria, toy ny firenena Afrikanina rehetra i Madagasikara ny 20 novambra 2015,. Ny loha-hevitry ny fankalazana dia « Ny fampiroboroboana ny Orinâasa Madinika sy Salantsalany hiandiana aminâny fahantrana sy hamoronana asa ho anâny Vehivavy sy ny tanora ». Ny lanonana dia teo ambany fiahianâny Filoha-pirenena sy ny Mpiraiministra, lehibenâny Governemanta. Tonga nitarika ny lanonana ny Minisi-panjakana miadidy ny Fandaharanâasanâny Prezidansa sy ny Fanajariana ny Tany, Andriamatoa Rivo RAKOTOVAO. Nampitsiahiviny taminâny lahateniny fa isanâny ezakinâny fitondram-panjakana ankehitriny ny hanohanana Indostria matanjaka, ary efa voafaritra ao aminâny teboka faha-3 ny drafitra nasionalinâny fampandrosoana na ny PND 2015-2019, ary isanâny laharam-pahamehanâny governemanta ny fanohanana ny vehivavy sy ny tanora.
Fanoitry ny fampandrosoana maharitra ny Indostria tohananâny fampiofanana sy fanabeazana ny vehivavy sy ny tanora
Ny solotenanâny Sampandraharahanâny Firenena mikambana misahana ny fampiroboroboana ny Indostria na ny ONUDI eto Madagasikara, Ramatoa Lorence ANSERMET no nitondra ny teninâny Sekretera Jeneralinâny Firenena mikambana, Andriamatoa Ban Ki-moon sy ny Tale Jeneralinâny ONUDI eran-tany, Andriamatoa Li Yong , izay samy nanitrikitrika fa mba ho fampiroboroboana ny indostria, dia tokony hanohana ny sehatra tsy miankina mirona aminâny fiharian-karena mahomby sy ny fampiofanana sy fanabeazana ny vehivavy sy ny ankizy i Afrika. Ny solotenanâny Fandaharanâasa alemana Friedrich Ebert Stiftung na FES eto Madagasikara kosa dia nampahatsiahy fa faniotry ny fampandrsosoana maharitra ny Indostria ary manohana ny ezakâI Madagasikara mba hananany sehatra indostria matanjaka, mavitrika ary mpanome asa mendrika ny FES.
Ny sehatra tsy miankina nanome voninahitra
Tonga nanome voninahitra ny tomponâandraikitra rehetra ny sampandraharaha ara-panjakana voakasika mivantana na ankolaka taminâny fampiroboroboana ny Indostria, indrindra koa ny avy aminâny sehatra tsy miakina, isanâizany ny avy aminâny Sindikanâny Indostria Malagasy (SIM), ny Fivondronanâireo Orinâasa afakaba (GEFP), ny Fivondronanâireo Orinâasa Eto Madagasikara (GEM), ny Fivondronanâny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA), ny Fivondronanâireo Mpandraharaha vehivavy ato aminâny ranomasim-be Indiana (EFOI), sy ireo solotenanâny fikambanana miara-miasa aminâny tanora sy ny vehivavy.
Hivoaka tsy ho ela ny ny lalana vaovao mikasika ny fampiroboroboana ny indostria
Nampahafantarina ampahibemaso sy niadian-kevitra nandritra io andro io ihany koa ny «drafitra voalohany ny volavolan-dalana mikasika ny fampiroboroboana ny indostria», izay mifandraika aminâny fanatanterahana ny politikanâny fampiroboroboana ny Indostria efa notapahinâny rehetra ny taona 2014.
Mila fanamafisana ny tontolo fampiroboroboana ny Fandraharahana
Niadian-kevitra ihany koa ny tokony hanamafisana ny tontolo fampiroboroboana ny fandraharahana ho anâny vehivavy sy ny tanora. Isanâny nampahafantarina nandritra ny fankalazana ny ezaka efa atao:
i) toa ny fampidirana ny fitaizana aminâny toetsaina fandraharahana aminâny fanabezana any antsekoly ho anâny ankizy malagasy,
ii) ny fifaninanana karakarainâny Total Madagascar ho anâny tanora malagasy ho sahy hanorina orinâasa « STARTUPPER de lâANNEE »
iii) ary ny tetikâasa fametrahana « Tranonâny fandraharahana » hotanerahinâny Minisiteranâny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina. Niara-niombonâantoka taminâny Minisiteranâny Indostria taminâny fankalazana ny ONUDI sy ny FES na ny « Friedrich Ebert Stiftung».