Izany, hono, ry Vahoaka malagasy a ! Inona marina ny tena antony ?
TARATASY MISOKATRA
Ho anâ
- Atoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, FILOHANâNY REPOBLIKA MALAGASY, FILOHANâNY FILANKEVITRA AMBONINâNY FITSARANA
- Rtoa Minisitry ny Fitsarana,
- Ny Solombavambahoakanâi Madagasikara sy ny Loholona ;
- NY Vahoaka malagasy ;
- NY Fiarahamonimpirenena.
Tompoko,
Izahay Mpitsara eto Madagasikara dia manambara fa :
Menatra ny Vahoaka malagasy izahay Mpitsara manoloana ny tsy fetezana eo aminâny asampitsarana toy ny kolikoly sy ny fItarazohanâny raharahampitsarana ka mahatonga ny Vahoaka tsy hatoky intsony ny Fitsarana sy hanao fitsarambahoaka. Maro ny antonâizany fa ny lehibe indrindra aminay dia ny fahalovana (corruption) sy ny akamakama ataonâny mpikambana sasany ao aminâny « Conseil SupĂ©rieur de la Magistrature » (CSM) izay natao hitantana ny asanay Mpitsara.
I) Tsy hajainâny CSM ny sata mifehy ny mpitsara mahakasika ny fiakarana grady sy ny famindratoerana ary ny fanendrena Filohampitsarana sy lehibenâny fampanoavana. Namorona fepetra vaovao tsy voafaritry ny sata mifehy ny mpitsara ny CSM mba hijerena tavanâolona :
A- Momba ny fiakarana grady dia misy mpitsara namoronanâny CSM hevitra mba tsy hiakatra grady na dia nahafeno ny fepetra aza. Maro ny antony ambadikâizany, toa ny hoe tsy tiana hitazona toerana mifanaraka aminâny grady tokony hoazony ilay mpitsara. Hafainganina kosa ny fiakarana gradinâireo mpitsara akamakamanâny mpikambana ao aminâny CSM mba ahazoanâizy ireny mitazona ny toerana mifanaraka aminâny grady vaovaony sy tsy hahazoanâny hafa izany toerana izany.
B- Nanomboka taminâny taona 2014 dia maro ny Mpitsara 1er Grade nafindra hiasa eny aminâny Fitsarana Tampony ho fampiharana ny sata mifehy ny mpitsara izay milaza fa ny mpitsara 1er Grade dia natao hisahana andraikitra any aminâny Fitsarana tampony. Saingy, mandrakâankehitriny dia misy Mpitsara 1er Grade mbola miasa eny aminâny fitsarana ambaratonga voalohany noho izy ireny akamakamanâny mpikambana ao aminâny CSM. Ireo Mpitsara 4Ăšme, 3Ăšme, 2Ăšme grade indray no notendrenâny CSM hiasa eny aminâny Fitsarana Tampony.
C- Tsy voahaja intsony ny filaharana araka ny grady sy ny Ă©chelon eny anivonâny fitsarana. Satria misy mpitsara ambany grady no lehibenâny mpitsara ambony grady ary misy mpitsara vao taona vitsy no nahavitany ny fizarandraharaha no voatendry ho lehibenâny fitsarana.
D- Momba ny fanendrena ny lehibenâny fitsarana indray dia nofoananâny CSM ny fampahafantarana mialoha ny toerana banga, fa nasaina mandefa filazana mialoha ny andraikitra iriny ny mpitsara tsirairay sady milaza izay mpitsara mpiantoka sy mahalala azy (« magistrats rĂ©fĂ©rents ») ary hasaina hohenoinâny kaomisiona eo anivonâny CSM, koa io komisiona io no mifantina izay mendrika ho lehibenâny fitsarana aminâilay toerana banga. Ny fisianâio Komisiona sy ny fitakiana magistrats rĂ©fĂ©rents dia fijerena tavanâolona tsotra izao satria dia voailika ireo Mpitsara izay tsy mahalala mpikambana maromaro eo anivonâny CSM no tsy manana « magistrats rĂ©fĂ©rents influents » eo anivonâny fianakaviambenâny fitsarana. Aminay anefa, rehefa Mpitsara mahafeno ny fepetra nolazainâny sata mifehy ny mpitsara dia mendrika avy hatrany ho lehibenâny fitsarana raha tsy hoe voamarina fa nisy raharaha maloto nataony). Mazava ny voalazanâny sata fa ny grady ihany no fepetra takiana hoaminâny andraikitra iray. Fa ankoatrâizany, misy andraikitra izay tsy misy olona nefa tsy maika ny CSM hanendry izay tomponâandraikitra vaovao hitazona izany na dia misy ny kandida satria miandry ny mpitsara akamakama izany toerana izany.
E- Taminâny taona 2009 noho ny tolombahoaka dia nisy mpitsara voatendry ho Filohampitsarana sy lehibenâny Fampanoavana, tsy nisy akory filazana fahabangatoerana na antso hoanâizay liana taminâizany fa avy hatrany dia ireo mpitsara akamakamanâny CSM taminâizany fotoana no notendrena. 8 taona aty aoriana, aminâizao taona 2016 izao dia mbola maro aminâizy ireny no mbola mitazona hatrany izany andraikitra izany. Maro aminâny mpikambanâny CSM ankehitrio koa no tsy rototra ny hanolo azy ireny na dia fantatry ny CSM tsara fa miteraka fahalovana sy « routine » raha mihoatry ny 4 taona eo aminâny toerany ny lehibenâny sampan-draharahampanjakana iray. Ny antonâizany dia mitazona ny teny nifanarahany miafina taminâireny filohampitsarana sy Lehibenâny Fampanoavana ireny ny sasany aminâireo mpikambana aminâny CSM ankehitrio nandritry ny fifidianana azy ireny ny taona 2014 ho mpikambana aminâny CSM. Tsy mahagaga raha tsy mahita endrika fiovana aminâny fitsarana ny vahoaka satria ny fitsarana dia tsy miova fa feno kolikoly hatrany nefa ireo filohampitsarana/Lehibenâny fampanoavana dia tsy miova fa ny efa teo hatraminâny taona 2009 no mbola eo mandrakâankehitrio na dia maro aminâizy ireny no fantatra fa mihinambolanâny fitsarana.
F- Tsy mandray andraikitra momba ireo mpitsara sasany izay mandika ny deontolojia sy etikanâny mpitsara ny CSM. Ohatra aminâizany ireo mpitsara izay sady miasa aminâny Fitsarana no mitazona andraikitra eny anivonâny andrimpanjakana. Ireny Mpitsara ireny dia sady manao ny asampitsarana no mpitsikilonâny andrimpanjakana eny anivonâny fitsarana no mpitondra baiko avy aminâny mpanatanteraka hoanâny Fitsarana koa fanetribenâny fitsarana malagasy izy ireny eo anatrehanâny vahoaka. Fantatry ny CSM tsara izy ireny ary azo fantarina aminâny fandefasana taratasy momba izany aminâny andrimpanjakana, nefa tsy rototra ny CSM mandray ny fepetra mikasika azy ireny. Toy izany koa, mitarazoka ny asampitsarana nohonâny tsy fahampianâny mpitsara. Nefa misy Mpitsara efa ho 5 taona na 10 taona aza no « dĂ©tachĂ© » na manohy ny fianarany any andafy. Hatreto anefa dia tsy misy fepetra noraisinâny CSM momba ireny mpitsara ela loatra manao dĂ©tachement ireny. Izy ireny indray aza no omenâny CSM toerana tsara raha sendra mba miverina hiasa eny anivonâny Fitsarana.
II) Manome vahana ny kolikoly ny maha-mpikambana avy hatrany ao aminâny CSM ireo lehibenâny fitsarana sasany sy ny fahazoanâny lehibenâny fitsarana milatsaka ho fidiana ho mpikambana ao aminâny CSM. Niteraka fifampizarana andraikitra teo anivonâny mpikambanâny CSM mantsy izany araka ny faripiadidiampitsarana misy na nifidy azy ireo. Vokany, izay Mpitsara maniry hitazona andraikitra na hafindra toerana ao aminâny farimpitsarana iray dia voatery tsy maintsy tsararesaka na mandoa vola aminâny mpikambana ao aminâny CSM izay misahana izany farimpitsarana. Vokany, tsy ny mpitsara rehetra no hahazo ny toerana na andraikitra izay iriany fa izay mpitsara tsara fifandraisana aminâny mpikambanâny CSM. Ireo mpitsara eo ambany fifehezanâireny lehibenâny fitsarana mpikambana aminâny CSM aza moa dia voatery mandray baiko satria sady mpanome naoty azy no mpanapaka ny hoaviny aminâny fiakarana grady sy famindratoerana ireo lehibeny mpikambana aminâny CSM. Tsy manana ny fahaleovantenany intsony ny Mpitsara vokatrâizany.
III) Mifangaro ny andraikitry ny mpikambana sasany ao aminâny CSM/ny fahefana mpanatanteraka/ny Fitsarana indrindra mahakasika ny fanapahana raisinâny CSM sy ny fanatanterahana izany. Maro aminâny mpikambana avy hatrany ao aminâny CSM no notendrenâny fahefana mpanatanteraka hoaminâizany andraikitra izany teo anivonâny filankevitry ny ministra. Ny Filoha sy filoha lefitry ny CSM koa dia mpikambana aminâny fahefana mpanatanteraka koa tsy misy sahy manohitra azy ireo ireny mpikambana avy hatrany aminâny CSM ireny rehefa mivory ny CSM. Maro aminâny mpikambana aminâny CSM koa no mitazona andraikitra hafa eny anivonâny andrimpanjakana sy ministera na antoko politika ka zary lasa fitaovana ampiasainâny fahefana mpanantanteraka sy ny antoko politika eo anivonâny CSM izy ireny.
IV) Ny fanapahana raisinâny CSM dia terena ho ekenâny Mpitsara, koa raha misy Mpitsara manohitra izany ary mangataka ny fandravana izany eny anivonâny Filankevimpanjakana dia tsy hahazo rariny mihintsy izy nohonâny ataonâny Filankevimpanjakana izay saika manao ny fomba rehetra mba tsy ahazoanâny mpitory rariny, satria hono efa nisy fifampiresahana teo aminâny CSM sy ny Filankevimpanjakana ary ny Ministeranâny Fitsarana.
Marihina anefa fa miavosabe ny tombotsoa raisinâny Mpikambana aminâny CSM ankoatry ny fahazoanâizy ireo « bonification dâanciennetĂ© » 3 taona izay afenina ny mpitsara maro ny fisianâizany, porofo indray ny fitantanana tsy mangarahara eo anivonâny CSM.
Vokatrâireo rehetra ireo dia tsy mahita fiovana aminâny raharahampitsara ny vahoaka sy izahay Mpitsara maro. Isaiky ny mivory ny CSM dia manahy ny hafindra toerana ireo mpitsara miezaka mitazona ny fahaleovantenany manoloana ny baikonâny lehibeny -mpikambana aminâny CSM aminâny raharahampitsarana iray.
Koa mba hamerenana ny hasinâny fitsarana, angatahinay Mpitsara ny fampiharanâny CSM tsy misy fepetra hafa izay voalazanâny sata mifehy ny Mpitsara indrindra momba ny fiakarana grady sy ny fanendrena ny Filohampitsarana /Lehibenâny fampanoavana; ny fisianâny fisarahanâandraikitra tanteraka eo aminâny Ministeranâny Fitsarana, ny CSM ary ny Fitsarana; ny fanajanâny mpikambana ao aminâny CSM ny fianianana nataony, koa hametrapialana tsy ho mpikambana ao aminâny CSM ireo Mpanolotsaina Amboninâny Mpitsara izay mitazona andraikitra hafa eny anivonâny andrimpanjakana (ankoatry izay miasa eo anivonâny Ministeranâny Fitsarana) mba tsy hirohoroho saina ny vahoaka; ary mangataka ny fampiharana ny tapaka taminâny « assise des magistrats » taminâny taona 2013.
Resy lahatra izahay fa ny mpitsara miaina ny fahamarinana aminâny fitantĂ nana ny asany no afaka hitady sy hampanjaka ny fahamarinana aminâny raharahampitsarana entinâny vahoaka malagasy eo aminy.
Natao anio Zoma 8 Aprily 2016.