]
Les quotidiens du 04 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche BEROROHA. NY TENA ZAVA-NITRANGA MARINA

BEROROHA. NY TENA ZAVA-NITRANGA MARINA

Taksiborosy sy kamiaona miaramila notafihin’ny dahalo : mpandeha 27 no indray maty norarafan’ny dahalo tifitra

22/06/2016
Dahalo 70 lahy be izao, sady nirongo fiadiana mahery vaika, omaly no nanafika ny kamiaona miaramila sy taksiborosy, fantatra amin’ny anarana hoe “Bilomalaza”, nitondra mpandeha maro, tany Beroroha. Mavesatra dia mavesatra ny fahavoazana satria 27 tamin’ireo mpandeha no indray maty voatifitra, ankoatra ireo miaramila telo naratra mafy.

Tsy mbola nisy tahaka ity, ary tena fihantsiana tsotra izao nataon’ny dahalo tany Beroroha omaly, ka nahafatesana mpandeha taksiborosy miisa 27 sy naharatrana miaramila telo. Notafihin’ny dahalo ampolony maro ny kamiaon’ny miaramila iray avy any Toliara hihazo an’i Beroroha, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora teo. Miaramila fito no tao anatin’ilay kamiao. Tampoka ny fanafihan’ireo dahalo ampolony maro nirongo basy nanafika azy ireo. Sady tratran’ny be noho ny vitsy. Vokany, miaramila telo naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy.

Omaly ihany, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro indray, taksiborosy avy any Toliara handeha ho any Beroroha, voatafika tsy lavitra ilay toerana nahavoatafika ilay kamiaon’ny miaramila ihany. Nisy ihany koa ny fitifirana ny fiara sy ireo mpandeha ka nahafatesana olona 27 avy hatrany. Olona telo hafa naratra mafy ary mbola atahorana ny ainy. Ilay kamiao taksiborosy antsoina hoe Bilomalaza ity voatafika ity, izay hany miasa any Beroroha. Tao anatin’ny tampoka no nitrangan’ny fanafihana, izay nielanelana adiny telo be izao, kanefa tsy nisy filatsahan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana raha vao nitranga ny fanafihana miaramila ny maraina.

Nilaza ny depiote avy any Beroroha, Razafindrakoto Harifanja fa dahalo manodidina ny 70 eo ireo nanafika ireo. “Ireo dahalo 70 ireo no nanafika ireo miaramila ary ireo ihany no nanafika ilay taksiborosy. Mihorohoro ny mponina manoloana ny toe-javatra ankehitriny ary miantso vonjy izahay”, hoy ity depiote ity.

Vao ny faran’ny herinandro teo, nisy dahalo 30 lahy nirongo basy nanao fanamiana mitovy ny an’ny miaramila nanafika, tany Tsaratanàna. Nandravarava tanàna mihitsy ireto farany tamin’izany. Tonga tany an-toerana ny miaramilan’ny RM4 avy any an-toerana rehefa nantsoin’ny fokonolona tamin’ny 119. Raikitra ny fifandonana ka maty voatifitra daholo ny omby rehetra. Nanao tari-dositra ihany ireo dahalo anefa teo anoloan’ny miaramila.

Tsy afa-bela ny fitondrana sy ny mpitandro filaminana

Tsy rariny intsony ary tena efa tafahoatra izany rà mandriaka izany. Tsy afa-bela amin’ny raharaha tahaka izao ny fitondrana na inona na inona ambarany. Tompon’andraikitra voalohany izy ireo. Efa nametra-pialana ny mpitantana raha any amin’ny firenen-kafa ny tranga tahaka izao. Eto amintsika, mbola nofy izany na tsy mahavita ny andraikitra nankinina taminy aza.

Voaporofo izao fa tsy manana paikady mazava sy stratejia hiadiana amin’ny dahalo ny fitondrana. Be resaka amin’ny fampanantenana etsy sy eroa ary mitondra vahaolana vonjitavanandro sy mamono afo fotsiny. Nambara fa efa ao ny helikoptera sy ny fiara mifono vy na koa ireo Vondron-tafika manokana hiady amin’ny dahalo (USAD), vao napetraka teo. “Tokony hojerena ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana any rehetra any fa tsy hatao ho herim-pamoretana ny Emmo/Far
”, hoy ny depioten’i Vangaindrano, Razafimily Constance, omaly teny Tsimbazaza. Nanamafy izany ny depioten’Ambohimahasoa ny amin’ny tokony hamoahana ny marina momba ireo basy ampiasain’ny dahalo sy ny jiolahy. Firifiry ireo jeneraly eto amintsika ary manao inona izy ireo? Tsy mba manana paikady? Aiza ilay Rindra safatsiroa ny sehatry ny fandriampahalemana (RSS), nentin’ny Praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo Jean?

Etsy andaniny, tokony hofongorina hatrany amin’ireo dahalo ambony latabatra ankoatra ireo tompon’andraikitra isan-tokony: delegem-panjakana, mpitandro filaminana, lehiben’ny distrika, tafiditra amin’ny asan-dahalo.

Aiza ho aiza ny fampiharana ny dina, anisan’ny fifampifehezan’ny fokonolona any anivon’ny fiarahamonina any? Ny famoronana asa na koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka? Ampahany amin’ny farafahakeliny amin’ny vahaolana ireo
 Rehefa tsy handray andraikitra sy tsy mahita vahaolana, aleo miala


Yves S.

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Juin 2016 17:59 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...