Banga indray ny tontolon’ny Haisoratra sy ny Literatiora ary ny fiarovana ny teny Malagasy eto Madagasikara. Nodimandry ny Alahady faha-efatry ny volana Septambra 2016 i Ramatoa Juliette Ratsimandrava. Ary dia lasa tokoa izy nanara-dia an’i Di (Henri Rahaingoson), izay nandao antsika tamin’ny 13 avrily 2016. Iza moa Ramatoa Juliette Ratsimandrava?
Ny tonga an-tsain’ny maro voalohany indrindra aloha dia ny anarany izay raiki-tampisaka ao anatin’ny Tantaran’i Madagasikara. Satria tokoa mantsy anabavin’ny Kolonely Richard Ratsimandrava i Ramatoa Juliette. Fa tsy teo amin’ny lafiny ara-politika no nampisongadina azy akory fa kosa teo amin’ny sehatry ny Haisoratra. Ny tadidiko dia izy efa niasa tao amin’ny trano-bokim-pirenena, talohan’ny naha tomponandraikitra voalohan’ilay Ofisy nasionalin’ny teny na « Office national des Langues » izay noforonina tao amin’ny Akademia Malagasy ny taona 1993 ary lasa Foibe nasionalin’ny Teny. Ary efa tomponandraikitry ny Kolontsaina teo anivon’ny Tanà nan’Antanarivo ihany koa izy.
Ny fahatongavan'ny nofo mangatsiak'i Ramika tao amin'ny Tahala Rarihasina
Mpikambana ao amin’io Akademia Malagasy io i Juliette Ratsimandrava ary Filohan’ny Sokajy Haikanto sy Hailaza sady Tale Jeneralin’ny Foibe momba ny Teny. Filohan’ny fikambanana AFAKA ihany koa izy, izay niforona ny taona 1998 ary miaro sy manandratra ny vakoka sy ny kolontsaina malagasy. Nà nana birao tao amin’ny Tahala Rarihasina i Juliette Ratsimandrava. Variana foana aho isaky ny miresaka aminy satria teny malefaka foana no feo reko avy aminy. Tsy adino koa fa mpampianatra mpikaroka teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ary mpahay tantara i Juliette Ratsimandrava. Izy sy ny ekipany no nanatontosan'ny fivoahan'ny «Rakibolana Rakipahalala» izay boky goavam-be ahitana pejy miisa 1144! Tamin’ny volana Oktobra 2015, taorian’ny nahalasa ny namana Ramika (Ratovoherinirina Michel), mpanao « caricatures » tao amin’ny « La Gazette de la Grande île », dia nanapakevitra i Ramatoa Juliette Ratsimandrava fa hampitondraina ny anaran-dRaMika ny efitrano lehibe misy ny foiben’ny Havatsa-Upem sy ny foiben’ny Tantsary ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, rihana voalohany.
Tato ato moa dia tsy hita intsony izy satria nanary mafy. Nisy fotoana izahay niresaka momba ny asa soratra adika satria tsy ny Malagasy rehetra no mahafehy ny teny vahiny. Hoy izy: « Manan-danja, antoka iray amin’ny fampandrosoana ny firenena ny dikateny. Ny teny dia fitaovana mampitohy ny lasa sy ny ankehitriny. Ny dikateny kosa dia tetezana mampifandray ny kolontsaina amin’ny teny ny tena mankany amin’ny tenin’ny hafa ». Nandao ity tany fandalovana ity i Juliette Ratsimandrava. Be ny vitany teo amin’ny sehatry ny fanandratà na ny maha-Malagasy. Maro ireo tsy ho tontosainy intsony. Fa ny asany kosa dia hitoetra mandrakizay. No izany asany izany indrindra ny nahatonga ny fitondrana ankehitriny nanandratra azy ho « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture », ny 08 Aogositra 2016.
Be moa ireo mpanatsatso miseho mahalala ahy. Fa inona moa no mba vitan’izy ireo ho an’ny firenena malagasy ? Aotra ! Tsy ho fantra akory izy ireo, satria kanosa velona miafina ao ambadiky ny anaranam-bositra mitaratra ny toe-tsainy ary ho faty tsy hisy hahalala. Ny ahy kosa dia ity no mba any apetrako ho fanomezam-boninahitra an’i Juliette Ratsimandrava sy ho rakitry ny ela ho an’ny fianakaviany iray maontolo tsy ankanavaka. Tamin’ny taona 2010 izy ity no nosoratako, tamin’ny fahatsiarovana an’i Joseph Rakotonirainy, tao amin’ny tahalala Rarihasina.
Tafiditra tamin’izany lahatsoratra nataoko tamin’ny teny frantsay izany ny kabarin’i Juliette Ratsimandrava tamin’io andro io. Teny malagasy rano fotsiny:
Juliette Ratsimandrava, Rajaona Andriamananjara (Filohan'ny Akademia Malagasy), Ramalanjaona Gabriel, ministra teo aloha
« Andriamatoa Filohan’ny Akademia Malagasy,
Ianareo vahiny nasaina,
Ao ianareo mpiombonantoka sy mpiray dia eo amin’ny Fanandratana ny Teny Malagasy,
Tompokolahy, Tompokovavy,
Voalohan-teny moa dia ny fiarahabana antsika rehetra tonga manome voninahitra hetsika iray hoentina hanohizana hatrany ny Fanandratana ny Teny Malagasy izay fanaontsika isan-taona mandritra ny volana Jona. Manoloana ny fahaveloman’ny Teny, manoloana ,y fitombo isan’ny mpampiasa azy eto amin’ny firenena, dia heverina hatrany fa misy fanairana hatrany tsy maintsy hatao hahatonga azy ho fitaovana sy fiasana hoentina sady mirakitra ny lovantsaina no miatrika sy mandray ny fivoarana ankehitriny ary indrindra koa hoentina manorina hatrany ny firenena malagasy eo anatrehan’izao tontolo izao.
Faharesen-dahitra lehibe avy aminareo izay tonga amin’izao fiaraha-mientana izao no asehonareo eo amin’ny fanomezana toerana ny Teny Malagasy ny fanombinanareo fotana ho amin’izao hetsika izao, ao anatin’ny vanimpotoana izay mety zavatra hafa sy mahavesatra ao an-tsain’ny maro, koa, mankasitraka sy mankatelina tompoko.
Eo ankavia indrindra, amin'ny sary, Henri Rahaingoson fantatra amin'ny anaran'ny mpanoratra "Di"
Teny fohy no entiko etio satria hitsidika fampirantiana no nanasana antsika.
1. Fampahatsiahivina fa indroa isan-taona isika no manao fanairana toa izao momba ny tenim-pirenentsaika : ny iray mandritra ny fanamarihana ny Andro Iraisampirenena momba ny Teny ibeazana ny 21 Febroary ; ny faharoa dia ao anatain’ny fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena efa hatramin’ny taona 1993. Ny tiana ho tsindriana amin’izany dia ny zava-dehibe ny Teny eo amin’ny lafiny fanabeazana tamin’iry voalohany, ary eo amin’ny maha-mariky ny Satam-pirenena azy amin’ity faharoa.
2. Manaraka izany, vanimpotoana fitofihana amin’ny lasa sy fitsinjovana ny ho avy ny fanamarihina ny faha-50 taona niverenan’ny Fahalevoantena, dia noheverina ho zava-dehibe ny anompanana ny saina amin’ny soridà lana efa nipetraka nandritra ny taonjato faha-20 iny ka mendrika hohalalina amin’izao fotoana izao fiandohan’ny toanjato vaovao izao. Tsy hamavaha ny momba izany aho, fa dia ao Dr Rakotonirainy Joseph (1896-1991), lakan’ny fivoaran’ny maha olona, antenainay fa mbola hiteny amintsika indray amin’ny alalan’ity fampirantiana ity.
3. Ny lafin-javatra fahatelo asiako teny kely, dia ny fomba fiasa eto amin’ny Tahala Rarihasina, izay tantanan’ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy, dia fifaneraserana aminreo rehetra. Koa ianareo izay liana hamantatra misimisy momba izany, dia misy ireo valonana taratasy zaraina amintsika eto ampidirana. Araraotina izao fotoana izao hanolorana fankasitrahana anareo rehetra tsy nisalasala namaly ny antso na nanatona an-kitsim-po nitondra fahalalana, fahaiza-manao, traikefa ary mbola anaovana antso ihany koa ho antsika rehetra mahatsiaro fa manana adidy amin’ny Teny Malagasy sy ny fikajiana ny rakitry ny ela.
Misaotra betsaka indrindra, Tompolahy sy Tompokovavy ».
Juliette Ratsimandrava – 1 Jona 2010
Mandrià am-piadanana Rahavako.
Jeannot Ramambazafy – 05 Septambra 2016