NY CRAM SY NY FANORENANA IFOTONY NY FIRENENA
Ny mpikambana mpanorina ny « Cercle de RĂ©flexion pour lâAvenir de Madagascar » (CRAM) dia nandalina ny fiaraha-monina mifototra aminâny « Fokonolona fototry ny Firenena » sy ny rafitra ara-toekarena isam-paritra ary ny fomba hitantanana ny raharaham-bahoaka mifanentana aminâizany rafitra izany nandritra ny taona maro.
Ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny firenena (la refondation et la reconstruction de Madagascar) no foto-kevi-dehibe nananganana ny CRAM ny 18 avril 2009. (RĂ©cĂ©pissĂ© N° 167 â MI/ANT/SPAT/ASS du 14 mai 2009).
Aminâny CRAM ny fanorenana ifotony ny firenena dia tsy azo hatao ankamehana satria ny fanovana tanteraka ny rafitra sy ny toe-tsaina dia miantoka ny ho avinâny taranaka faramandimby.
Nandritra ny « Symposium national pour la restitution des Ăźles malagasy » izay notarihanâny « Association Nosy Malagasy » (ANM) taminâny 23 jolay 2016 tao aminâny Lapanâny TanananâAntananarivo Renivohitra dia nandray « FEHIN-KEVITRA NASIONALY » ny mpizaika manerana anâi Madagasikara. Nambaranâireo mpizaika ao anatinâizany Fehin-kevitra nasionaly izany fa tsy maintsy hirosoana ny « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony ny firenena». (Forum national pour la refondation et la reconstruction de Madagascar).
Efa mitsangana ny Komitim-pirenena izay ahitana solontena avy aminâny Faritra 22 manomana ny « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana sy fanarenana anâi Madagasikara ».
Afaka andro vitsivitsy dia ho fantatra ny daty sy ny toerana hanaovana izany « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony ny firenena » izany.
Alasora, faha 12 septambra 2016
JOEL HARISON Marie René
Filohanâny CRAM