]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antoko MMM : Tsy tan-dalàna mihitsy ny tsy fanajàna ny Lalampanorenena

Antoko MMM : Tsy tan-dalàna mihitsy ny tsy fanajàna ny Lalampanorenena

FANAMBARANA

Manoloana ny fizotran’ny raharaham-pirenena dia tsy maintsy mijoro ny Antoko Malagasy Miara-Miainga ka mampahafantatra ny vahoaka ny zava-mitranga:

MIKASIKA NY ANTENIMIERAMPIRENENA:

Vitan’ny antoko daholo ny ambaratonga tokony harahana amin’ny fametrahana ny taratasy rehetra nametrahana azy ho Antoko Mpanohitra. Natao izany teo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany, Ny Antenimieram-pirenena. Nampahafantatra ny Fitsarana Avo Momban’ny Lalam-panorenana izahay tamin’ny alalan’ny taratasy ny dingana rehetra efa vita.

Tsy misy tohiny ary tsy nisy valiny izany rehetra izany hatreto, koa noho izany dia miditra amin’ny fampiarana ny lalàna mivantana izahay ary vonona ny hiatrika sy hanantontosa ny asa miandry ny Antoko Mpanohitra araka ny lalàna velona.
Zo ny manohitra manoloana ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena ary tsy azo hitsakitsahina izany zo izany, ka ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia mampitandrina ny fitondrana amin’ny tsy fanarahan-dalàna mba tsy hisian’ny korontana.

Resahina foana ny hoe niverina amin’ny tany tan-dalàna na ny «Ordre constitutionnel» ny firenena, nefa hatreto aloha ny zava-misy dia tsy narahina ary tsy notanterahina izay voalazana ny lalàm-panorenana, indrindra ireo izay mahakasika ny fanantsarana ny fiainam-bahoaka.

Ny fanontaniana hapetraka amin’ireo fianakaviam-be iraisam-pirenena dia ny hoe: Tena niverina ao anaty ny «Tany tan-dalàna» na ny «Ordre Constitutionnel» ve i Madagasikara eo anatrehan’izao tsy fanajana ny lalàm-panorenana izao?

Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia tsy nandany ny teti-bolam-panjakana 2017, satria tao amin’ny teti-bolam-panjakana 2016 dia nisy ny sora-bola nolaniana nahafahana nikarakarana ny hetsika rehetra nandraisana ny Francophonie, koa mihevitra izahay fa rariny raha io sora-bola io dia avadika handeha any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana isan-tsokajiny (CTD), ho entina hampandrosoana ny faritra tsirairay avy, indrindra fa ny kaominina.

FRANCOPHONIE
Tsy manana olana amin’ny Francophonie ny Antoko Malagasy Miara-Miainga fa ny voamarika dia tsy nisongadina mihitsy ny maha-firenena mpampiantrano an’i Madagasikara tamin’izay rehetra notontosaina tao:

Teo amin’ny fikarakarana dia nisy ny lesoka maro izay tsikaritra ohatra: difotra tao anaty ny sainam-pirenena am-polony maro ny saina Malagasy ka tsy nisy nahafantarana azy ho tompon-draharaha.

Tsy nanaraka ny fenitra tokony narahina ny fanamboarana sy ny fanantsaraina ny HÔTEL 5 ÉTOILES, izay nandaniana vola tsy toko tsy forohana ka nahatonga ny SHERATON, niala an-daharana,

Vitsy ny filoham-pirenena tonga, tsy araky ny nasaina, midika izany fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny Diplomatie Malagasy. Porofon’izany, tsy nanana akory tolon-kevitra naroso mikasika ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena rehetra voasolon-tena teto ny fitondrana kanefa anjaran’i Madagasikara ny nandrafitra ny fehin-kevitra sy fanambarana farany tamin’iny fihaonam-be iny.

Tsy misy ny mangarahara teo amin’ny fampiasam-bola, noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra dia lasa mankahala ny Francophonie ny Malagasy.

FIHAONAN’NY MPAMATSY VOLA NA «CONFÉRENCE DES BAILLEURS»
Ny tonom-bola voalaza nandritra io fihaonan’ny mpamantsy vola io dia tsy vaovao akory fa efa vita lamina teo aloha (vita engagement). Ary ny mpampiasa vola izay nihaona tany ivenany dia efa manana ny programan’asa tiany ho tanterahina hatrin’ny ela eto Madagasikara fa tsy programa fampiasam-bola vaovao akory.
Noho ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny fampiasam-bola sy ny tsy fanajana ny fepetra nifanarahana dia tsy afaka hisitraka ireny tonom-bola voalaza ireny ny firenena

RAHARAHA BOIS DE ROSE/SINGAPOUR

Tokony mamoaka ny tena marina mikasika ny raharaha « bois de rose » tany Singapour ny fanjakana Malagasy ary hamoaka ny anaran’ireo voarohirohy sy hampiantra ny lalàna mifanandrify amin’ireo.

Isika dia mikely aina mikaroka vola hindramina any ivelany nefa ny vidin’ireo harem-pirenena ireo dia ampy hampandrosoana.

FAMPIHAVANAM-PIRENENA «RÉCONCILIATION NATIONALE»

Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia miombon-kevitra tanteraka amin’ireo solombavam-bahoaka ny amin’ny tsy tokony hanendren’ny filoham-pirenena olona ho mpikambana ao anatin’ny mpitantana io FAMPIHAVANAM-PIRENENA io.
Ny hevitry ny Antoko dia olona 7 na 9 dia ampy hitantana fa raha mihoatra izay dia lasa fitadiavan-tseza fotsiny, fa raha ilaina dia azo atao ny mametraka Mpanolontsaina fakan-kevitra miara-miasa amin’ireo mpitantana ireo.

Natao teto Ankerana, 06 desambra 2016

 

 
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...