Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,
Tompokolahy sy tompokovavy,
Misaotra anareo mampandroso ato an-tokantranonareo aminâizao takariva miavaka izao.
Toy ny indray mipi-maso dia migadona sahady indray ny fiafaranâny taona anankiray.
Fantatro fa isan-tokantrano, isanâankohonana dia niady mafy daholo isika, iatrehana ny fiainana andavanâandro izay mbola itambesaram-pahasahiranana samihafa.
Raha mandinika tsara anefa isika, dia ahatsapa, fa samy nahavita ny dingana kely, andresena fahasahiranana sy ho fihatsaram-piainana koa, ka miomana ny ankalaza izany vita soamantsara izany eto am-pifarananâny taona 2016. Sady miandrandra ihany koa fa mbola ho be lavitra noho ny vita hatreto ny dingana ho tontosaina sy ny asa hotanterahina ary ny fahasoavana hantenaina aminâny taona ho avy.
Dia tsy misy valaka aminâizany iainanareo izany ny iainako eto aminâny toerana misy ahy sy ny andraikitra izay napetrakareo tamiko ity. Ny mpiray tanindrazana amintsika manerana anâi Madagasikara dia mahafantatra fa nanao sy nahavita izay tratry ny ainy ny fitondrana.
Hitanâny maso te-hahita izany, renâny sofina te-handre. Fantatry ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izany, ary izay no nohamafisiny taminâny fanapaha-keviny hanohana am-pahavitrihina, miaraka amintsika, ho aminâny asa fampandrosoana. Misy dikany mivaingana ankehitriny ny hoe firaisankinanâizao tontolo izao aminâi Madagasikara. Saingy isika samy Malagasy no hanatanteraka izany fisandrĂ tana izany fa tsy ny mpiray antoka iraisam-pirenena amintsika akory.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Mamarana ny taona nahitana tsimoka mahavelom-bolo isika ary averiko ihany fa ny isam-batanâolona aminareo dia samy nitondra ny anjara birikiny taminâizany ka isaorako anareo. Farano anatinâny fifaliana ny taona satria mendrika izany isika na dia mbola ady mafy, hanantenam-bokatsoa be lavitra aza, no miandry antsika.
Hitsidika ny taona vaovao afaka ora vitsivitsy. Ny faniriako lalina indrindra ho anâny ho avy, dia ny ahaizantsika mampivondrona ny herim-po, herin-tsaina sy herim-panahy misy eo amintsika. Tsy vahoaka voahozona sanatria ny malagasy ka tsy ahita ny anjara masoandrony mihitsy anatinâny fiandrianam-pireneny. Misy kolontsaina vaovao izay mila volentsika, kolokolointsika. Kolontsainâny mpanangana, sahy sedra, miaraka misandratra anaty vina mampiombona.
Eto am-pamaranana dia mirary fiononana aho ho anâny akohonana mety nidonam-pahoriana aminâizao vanim-potoana miavaka izao. Mirary fahasitranana ho anâizay farofy. Ho antsika notahin-janahary ka narovany taminâizany dia mirary anareo hifaly tanteraka eto am-pamaranana ny taona.
Dia samia ho tahianâAndriamanitra, ho tratry ny taom-baovao isika mianakavy.
Hery Rajaonarimampianina
Filohanâny Repoblikanâi Madagasikara
Asabotsy faha 31 desambra 2016
FEHINY HO AN'NY SARAMBABEM-BAHOAKA
Marina, Tompoko, fa tsy voahozona ny vahoaka malagasy fa ianao no nanozona ny firenena iray manontolo izay namidinao tamina vahiny maro: karana, sinoa, frantsay, Maorisiana...
Ho an'ireo Malagasy maro an'isa mahita ny zava-misy marina sy mandre ny lainga be afafy isan'andro vaky izao, nandritra izay telo taona lasa izay, dia "Filou" ianao fa tsy filoha izany. Fiteny frankofĂŽnina re etsy sy eroa izany, mitatitra ihany ny tenanay.
Aorian'ny 2018 no hanamarina izany. Ka gadrao daholo aloha izay tianao gadraina tsy olana izany fa ny marina tokana sy iray ary mandratra tokoa ("seule la vérité blesse").
Jeannot Ramambazafy