]
Les quotidiens du 04 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Frantsa. Iza moa i Brigitte vadin’ny Filoha Emmanuel Macron?

Frantsa. Iza moa i Brigitte vadin’ny Filoha Emmanuel Macron?

Pejy voalohan'ilay gazety boky "Paris Match", nivoaka ny 11 Aogositra 2016

Lany ho Filoham-pirenena frantsay izany Andriamatoa Emmanuel Macron. Izy no filoha frantsay voafidy tanora indrindra ao amin’ny Tantara politikan’ny Lafrantsa, satria ny 21 Desambra 1977 izy no teraka tao Amiens. Fa iza moa Ramatoa vadiny? Ato ianao no hahalala misimisy.

Brigitte Marie-Claude Trogneux no tena anarany. Teraka ny 13 Aprily 1953 tao Amiens, Frantsa ihany koa. Zanak’i Jean Trogneux sy Simone Trogneux teraka Pujol, efa samy nodimandry, ary faravavy amin’ireo zanaka enina naterany.

Ny 22 Jona 1974 i Brigitte dia nanambady an’i André-Louis Auzière, izay lasa mpiasa ambony be ao amin'ny banky Crédit du Nord, taty aoriana. Telo ny zanak’izy roa ireo, dia: Sébastien, teraka tamin’ny taona 1975 ; Laurence, teraka ny taona 1977 (mitovy taona amin’i Emmanuel Macron izany) ary Tiphanie, teraka ny taona 1984.

Mpampianatra no asan’i Brigitte Trogneux-Auzière. Manana izany «CAPES de lettres» izany izy. Tao Parisy sy Strasbourg aloha izy no nampianatra teny frantsay sy teny latinina, izay vao niverina tao Amiens, ny taona 1991. Nanentana «atelier» momba ny fanaovana seho teatraly koa izy ka tao, ny taona 1993, no nanaitra azy i Emmanuel Macron, mpianany izay 15 taona tamin’izany, ary iray kilasy tamin’ny zanany vavy Laurence.

Ny taona 1994, latsaka ny varatry ny fitiavana (ilay «coup de foudre» e !) teo amin’izy roa na dia 24 taona be izao ny elanelan-taonan-dry zareo. Tsy nankasitraka izany fiarahana izany mihitsy ny ray aman-drenin’i Emmanuel kely ka dia nalefany nianatra lavitra, any Parisy any, io zanany lahy io. Ny tao amin’ny fianakavian’i Brigitte, izay efa nanam-bady aman-janaka moa, dia fahafaham-baraka no tsapa sy niseho.

Izany anefa tsy nanakana an’i Brigitte nandeha ampianatra tany Parisy koa. Ary nifankahita matetika, na dia niafina aza, izy sy i Emmanuel izay nilaza tsy niambahamba fa tsy maintsy ho lasa vadiny i Brigitte. Mahery ilay fitiavana e!

Inona tokoa no niseho? Nisaraka ara-panambadiana i Brigitte sy André-Louis Auzière, ny 26 Janoary 2006. Ary ny 20 Oktobra 2007, folo taona lasa izay, dia notontosaina ny fanambadiana ara-panjakana an’i Brigitte sy Emmanuel Macron. Izany ka tantara leiretsy a! Mbola tsy niteraka aloha izy roa hatreto, fa fito ny zafikely tamin’ireo zanaka telon’i Brigitte.

Aiza ho aiza amin’izany ny fiainan’ny «Première dame» malagasy? Na ny anaranan’ny ray aman-dreniny aza tsy misy mahalala k’aiza no tsy ataoko hoe Voahangy X ? Satria izany olona tsy misy foto-piavihana. Tsy misy izany « vie privée » izany koa, Tompoko, rehefa mpiasam-bahoaka.

Fa ny eto Madagasikara dia mihevitra ho mpanjaka mihitsy ireto Hvm ireto injay nampindramin’ny vahoaka fahefana.

Dia mandehana koa mitory ahy satria hoe «maniratsira» ny vadin’ny filoha, dia hanamboaro «dossier». Ao i Rolly Mrcia hanampy tosika. SSSssss.

Jeannot Ramambazafy – 08 Mey 2017

Mis à jour ( Mardi, 09 Mai 2017 13:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...