]
Les quotidiens du 28 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche NIAMBOHO NY GRAND CHANCELIER ETIENNE RALITERA

NIAMBOHO NY GRAND CHANCELIER ETIENNE RALITERA

Niamboho Ny Andriana Etienne RALITERA, Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar, Grand Croix de Première Classe, Filohan' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara teo aloha (2002-2015), Terak' Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, Terak'Andrianjaka ary Terak'Andrianampoinimerina.

Izy dia nianatra tao amin' ny Ecole Le Myre de Villers ary nanomboka ho mpiasam-panjakana tany Mahajanga (1958), ary teto Antananarivo tao amin' ny Ministera isan-karazany tamin' ny repoblika voalohany (1960-1972), ny governemanta Ramanantsoa (1972-1975), mpiasam-panjakana ambony sivily tao amin' ny Directoire Militaire (1975), avy eo tao amin' ny fiadidian' ny repoblika nanomboka tamin' ny repoblika faharoa (1975) ka hatramin' ny repoblika faha-efatra (2017), ary Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar (2002-2017).

Tena RAIAMANDRENY Olon' ny Fihavanana izy ary nandalina ny Tantara sy ny Soatoavina ary ny Fomba sy ny Kolotsaina malagasy. Ny Grand Chancelier Etienne Ralitera dia nanamafy ny Fihavanana izay efa nisy arivo taona mahery teo amin'ny foko rehetra manerana an'i Madagasikara. Azo lazaina fa tena goavanane ny asa vitany ho an'ny firenena satria Raiamandreny niaro hatrany ny vahoaka madinika izy, Raiamandreny namaha olana sarotra teo amin'ny firenena ho an'ireo izay nankany aminy, Raiamandreny niaro an'Imerina tamin'ny fahirano nataon'ireo mpanao politika sasany ary Raiamandreny nanamafy hatrany ny Fihavanana manoloana ny fandranitana adim-poko ataon'ireo mpanao politika sasany.Notandrovany fatratra hatrany ny Fihavanam-pirenena.

 

Izy no nanolotra ny Mari-boninahitra ny firenena ho an' ny olomanga sy olo-manankaja maro, toa an' Atoa Ban Ki Moon Sekretera Jeneraly ny Firenena Mikambana sy Atoa Romano Prodi Lehiben' ny Commission Européenne ary ny Prince Albert de Monaco.

Namela vady (Violette Ralitera) sy zanaka dimy mirahalahy (Alain, Nary, Jacques, Ndrina sy Joël Ralitera) ary zafikely maro ny Andriana Etienne RALITERA. Koa mirary Fiononana feno ho an'ny fianakaviana maonontolo.

Antananarivo, faha-30 Oktobra 2017.

Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA,

Filohan' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

****************


Mis Ă  jour ( Jeudi, 02 Novembre 2017 04:47 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA