]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara. Ilontsera: ankatoky ny fifidianana, aza atao sorona ny vahoaka sy ny mpanao gazety

Madagasikara. Ilontsera: ankatoky ny fifidianana, aza atao sorona ny vahoaka sy ny mpanao gazety

FANAMBARANA MOMBA NY TONTOLON’NY SERASERA SY NY FAMPITAM-BAOVAO ETO MADAGASIKARA MANOLOANA NY TETI-PANORINA POLITIKA ANKEHITRINY SY HO AVY

Herintaona taorian’ny naha lalĂ na manan-kery ny Fehezan-dalĂ na momba ny serasera dia tsapa ankehitriny fa manampy trotraka ary tsy mamaha olana velively araka ny nampanantenaina ny « fampiharana » azy kanefa dia natao amboletra ny fandaniana ny lalĂ na tamin’izany fotoana izany, izay naroso ho toy ny fanafody mahagaga itsaboana ny aretina rehetra mahazo ny tontolon’ny asa an-gazety sy ny serasera. Indrisy fa tsy toy ny hamehana tamin’ny fampandaniana ny Fehezan-dalĂ na ny fampiharana azy satria toa mampetimety ny tombontsoa ara-politika sasany ny lesoka misy sy ny fampitarazoana ny fananganana ny rafitra isan-tokony takian’ny lalĂ na. Efa hita teto amin’ny Firenena ny voka-dratsin’izany sy ny fanaovana ho maharitra ny rafitra vonjimaika ka manome vahana ny tsy maty manota sy ny fihoaram-pefy ary ny fanararaotam-pahefana isan-karazany. Ohatra mivaingana ny tsy fananganana ny Fitsarana Avo manokana ho an’ny tompon’andraikim-panjakana (Haute Cour de Justice).

Na dia teo aza ny fanamarihana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny LalĂ m-panorenana ny amin’ny tokony hametrahana mazava ny maha-mahaleo tena ny ANRCM (AutoritĂ© Nationale de RĂ©gulation de la Communication MĂ©diatisĂ©e), Rafi-pahefana mifehy ny tontolon’ny serasera, dia tsy nasiana fotony izany. Na dia milaza ihany koa ary ny lalĂ na fa tokony hatsangana ao anatin’ny 12 volana aorian’ny famoahana azy hanan-kery ny ANRCM dia tsy tanteraka izany na dia ny volana oktobra 2016 aza no efa navoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana ny Fehezan-dalĂ na.

Ohatra amin’ny lesoka hita ihany koa ny momba ny mpikambana 11 mandrafitra ny ANRCM satria telo ihany no solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ny 8 dia avy amin’ny sehatr’asam- panjakana avokoa. Ity rafitra ity anefa no tokony handray ny fitarainana, toy ny nahazo ireo mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery mpanohitra izay voahilika tamin-kerisetra tsy navela anatrika « ConfĂ©rence de presse » na dia vaovao ilain’ny besinimaro (d’utilitĂ© publique) aza no resaka tao. Saingy noho ny tsy mbola fisian’ity Rafitra ity dia manjaka ny ramatahora sy ny fanilihana izay manome endrika ratsy ny fahalalahana mahazo vaovao sy ny fahafahana maneho hevitra ary ny zon’olombelona sy ny demokrasia eto Madagasikara.

Raha ny zava-misy ankehitriny aloha no jerena dia tsy azo antenaina ho avy amin’ny Holafitry ny Mpanao gazety no mety hipoiran’ny vahaolana amin’ny tranga toy izany manoloana ny savorovoro sy fisaraham-bazana misy eo anivon’ity andry tokony ho filamatra, iankinan’ny asa fanaovan-gazety ity. Ny fanavaozana ny karatra maha mpanao gazety matihanina sy ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny OJM (Ordre des Journalistes de Madagascar) aloha izao no mahadodona. Tsy lavina fa ilaina dia ilaina tokoa ny « fanadiovana » ny tontolon’ny asa an-gazety sy ny serasera kanefa hatreto aloha dia tsapa fa ny fitisinjovana ny tombontsoa ara-politika sy ara-bola isan-karazany no manjaka ka tsy hahafahan’ny mpanao gazety sy ny Holafitra ary ny Minisitera mpiahy mifantoka amin’ny laharam- pahamehana hafa toy izay efa nambaran’ny Filankevitry ny Fiangonana Kristianina (FFKM) mikasika ny haino aman-jerim-panjakana. Tsy noraharahiana ihany koa na ny antso avo nataon’ny Filoha lefitra dimy avy amin’ny faritany na ny nataon’ny Fikambanan’ny Mpanao gazety Zoky Olona (CDJ) ka dia toa irosoana indray ny fampiasana ny bontolo sy amboletra.

Ny tsy finiavana hampihatra ara-bakiteny ny lalĂ na, toy izay mitranga momba ny HCJ sy ny ANRCM, no isan’ny sakana amin’ny fametrahana ny « Commission paritaire » na ny Kaomisiona mpanome ny Karatra maha-matihanina, araka ny voalazan’ny andininy faha-55 ao amin’ny Fehezan-dalĂ na mifehy ny serasera sy manome vahana ny fanararaotam-pahefana ary ny kajikajy isan-karazany ka tsy hahazoan’ny Holafitra misalotra ny tena anjara andraikiny araka ny lalĂ na (And. 55 : Ho fandrindrana sy fandaminana ny fifandraisan’ny mpisehatra rehetra eo amin’ny asa an-gazety sy ny fitondram-panjakana dia atsangana ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara mba ho mpiaro ny etika sy ny deaontolojia eo amin’ny sehatry ny asa an-gazety sy serasera) fa tsy hionona fotsiny amin’ny toeran’ny mpanara-maso. Ilaina ihany noho izany ny fametra-panontaniana momba ny tena antom-pisian’ity rafitra ity sy ny anjara andraikiny


Mampametra-panontaniana ihany koa ny mikasika ny Sehatra ifanakalozan-kevitra (Plateforme de dialogue) izay zary atao « rahampitso, rahampitso » lava kanefa dia ny Filoham-pirenena tenany mihitsy, ny volana aogositra 2016, no nampanantena ny fananganana azy ity mba ho ala olana tamin’ny kirizy nateraky ny fandaniana ny Fehezan-dalĂ na mifehy ny serasera, ary nohamafisin’ny Ministry ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana nandritra ny fandraisany fahefana ny volana avrily 2017.

Mampametra-panontaniana avokoa izany toe-draharaha rehetra izany ary mahalasa saina ny fanaraha-drenirano toa miendrika tahotra ny mpanao politika tsy refesi-mandidy, manao ny ramatahora sy ny didiko fehy lehibe ary ny tsy maty manota izay zary lasa fomba fanao mahazatra ary azo antoka ary efa hita fa tsy mitondra voka-tsoa sy filaminana ho an’ny Firenena.

Noho izany, ny ILONTSERA, amin’ny maha mpanara-maso mahaleo tena ny tontolon’ny serasera sy ny fampitam-baovao azy, mikatsaka hatrany ny filaminana, ny fanajana ny zo maha-olona sy ny tany tan-dalàna ary ny demaokrasia, dia maneho ireto tolonkevitra manaraka ireto:

- Ilaina ny fahatsoram-po sy ny tena fahavononan’ny mpisehatra rehetra tokony handray anjara ao anatin’io sehatra ifanakalozan-kevitra tsy manilikilika io mba hisian’ny fifampiresahana madio sy marina hitadiavana vahaolana amin’ny fampiharana ny Fehezan-dalàna satria ohatra iray ihany amin’ny fampiharana ny lalàna ny momba ity fizaràna ny karatra maha-matihanina ity.

- Takiana ny fampiharana an-tsakany sy andavany ny lalàna efa manan-kery indrindra ny fametrahana ireo rafitra rehetra voalaza sy ny fanamarihana avy amin’ny HCC, mba hialana amin’ny fampiasana ny lalàna sy ny lesoka misy ho amin’ny tombontsoa maizina ary tsy hanaovana ho fitaovana ihany koa ny rafitra tetezamita isan-tokony ho an’ny tombontsoa politika maharitra sy entina handrobahana ny fifidianana hoavy.

- Tairina ny sain’ny mpanao gazety rehetra amperin’asa mba hisintona ny lesona azo tsoahina amin’ny tantara niseho nandritra sy taorian’ny fifidianana ny Biraon’ny Holafitra amperin’asa ankehitriny ny taona 2014, ka nisian’ny fanakianana sy fandavana ny voka-pifidianana nisy tamin’izany fotoana izany, izay fototra sy loharano nipoiran’ny fisaraham-bazana ary ny tsy fifampitokisana intsony teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao ka mahatonga ahiahy ny amin’ny fizotran’ny fifidianana ny birao vaovaon’ny Holafitra. Taratr’izany ny mety hitohizan’ny raharaha fanomezana karatra eny anivon’ny Filan-kevim-panjakana (Conseil d’Etat).

- Maro anefa ireo olana hafa tokony tsy hampandrimandry ka ilàna vahaolana maika toy ny fanomezana taratasy fanamarinana avy amin’ny sekoly mpampiofana ka ahazoan’ny mpianatra iray mahazo ny karatra maha-mpanao gazety matihanina avy hatrany, ny fanajana ny zon’ny mpanao gazety rehetra araka ny Fehezan-dalàna manan-kery indrindra ny amin’ny maha-asa matihanina ny fanaovan-gazety sy ny mari-karama mifanaraka amin’izany, ny mikasika ireo mpiasa sy mpiserasera amin’ny sehatr’asam-panjakana (izay maro an’isa indrindra amin’ny mpifidy ny Biraon’ny Holafitra) kanefa omena ny Karatra avokoa, ny momba ny fahazoana mandefa fandaharana amin’ny alalan’ny zanabolana sy manerana ny Nosy, sns.

Fehiny: NY ANONGOTSONGOANA NY MATY, TAHOTRY NY HANDEVIM-BELONA, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao mba tsy hatao sorona intsony na ny vahoaka na ny mpanao gazety.

Natao teto Antananarivo, ny 08 desambra 2017

ILONTSERA

II A 43-Antaninandro, Antananarivo 101

Tel : +(261)34 04 273 18 / +(261)34 04 091 95

E-mail : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

Site web : www.ilontsera.mg Facebook : Ilontsera

*******************

Code de la communication: CrĂ©e plus de problĂšme que n’en rĂ©soud

Publié le 11 décembre 2017 - La Gazette de la Grande ßle

Le code de la communication a Ă©tĂ© promulguĂ© le 12 octobre 2016, malgrĂ© les diverses manifestations effectuĂ©es par les journalistes Ă  son encontre. Un an aprĂšs sa promulgation, on peut regretter que ledit code crĂ©e aujourd’hui plus de problĂšmes qu’il n’en a rĂ©solus, malgrĂ© le forcing des autoritĂ©s et des parlementaires Ă  le faire passer comme la solution miracle et idoine- ou la diversion ? L’objectif Ă©tant d’apaiser et assainir le secteur mĂ©diatique national en faisant taire l’opinion. Il a Ă©tĂ© constatĂ© que les chaĂźnes fondamentalement publiques ne suivent que  la voie de son maĂźtre et cela a dĂ©jĂ  Ă©tĂ© dĂ©noncĂ© prĂ©cĂ©demment par Ilontsera et rĂ©cemment Ă©voquĂ© par le Conseil des Eglises ChrĂ©tiennes (FFKM). Les autres alertes lancĂ©es par les cinq Vice-prĂ©sidents de l’OJM et du Club des Journalistes Doyens (CJD) n’ont pas Ă©tĂ© Ă©coutĂ©es et la mĂ©thode du bĂąton semble de nouveau mise Ă  contribution. Il est Ă  noter que le code mĂ©diatisĂ© pĂ©nalise Ă  la fois les mĂ©dias libres et les citoyens qui se trouvent privĂ©s du droit Ă  l’information.

A l’heure actuelle, on assiste Ă  des manƓuvres cumulatives qui paraissent relever d’une stratĂ©gie de la peur. Aujourd’hui mode opĂ©ratoire banalisĂ©, mais rĂ©vĂ©latrices elles-mĂȘmes d’une peur profonde de l’autocratie politique Ă  une vĂ©ritable confusion programmĂ©e affirme l’Ilontsera, observatoire indĂ©pendant de la vie mĂ©diatique Ă  Madagascar. Se souciant de la prĂ©servation de la paix, de l’Etat de droit, des droits de l’Homme et de la dĂ©mocratie, Ilontsera recommande la bonne foi et la bonne volontĂ© de tous les acteurs dans l’assainissement du milieu des mĂ©dias qui se trouve plus qu’indispensable, mais Ă©galement face aux enjeux politiques en prĂ©sence et Ă  venir. Dans tous les cas, l’Ordre des Journalistes de Madagascar (OJM) devrait endosser sa vraie mission dĂ©jĂ  consacrĂ©e par la loi (cf. Art.57: Dans un souci d’organisation et d’harmonisation des rapports des membres de la profession et des pouvoirs publics, l’Ordre des Journalistes de Madagascar est instituĂ© en tant que gardien des rĂšgles d’éthique et de dĂ©ontologie de la profession), plutĂŽt que de se laisser rĂ©duire Ă  un « simple » rĂŽle d’observateur.

Jean Riana

Mis Ă  jour ( Mardi, 12 DĂ©cembre 2017 13:23 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...