]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara. Karatra mpanao gazety: ataovy any ny anareo!

Madagasikara. Karatra mpanao gazety: ataovy any ny anareo!

Mpanao gazety nanomboka ny taona 1984. Tsy homena karatra intsony satria, hono, tsy gazety ny medias on line. Fanampenam-bava tsy misy toa izany. Merci Rolly fa ny fiainana mbola hitohy

Fa inona no antom-pisian’ny Holafitra ny mpanao gazety no salovanin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitra Rahajason Harry Laurent ny raharaha momba izany e? Ny Holafitra ny mpanao gazety no tokony hanangana vaomiera misokatra ka hahitana ny solontenan’ny seha-piasana, toy ny mpanao gazety amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny mpanao gazety avy amin’ny gazety an-tsoratra, ny avy amin’ny onjam-peo tsy miankina, ny avy amin’ny mpampiasa tompon’ny orin’asa fanaovan-gazety… ary afaka manara-maso ny ministera, dia izay.

Tena tsy avelan’ny fitondram-panjakana halalaka mihitsy ity asa fanaovan-gazety ity, ary tsy misy valaka amin’ny tetika nataon-dRavalomanana tamin’ny fampandaniana an’i Ruphin Rakotomaharo (Rnm) ho filohan’ny Holafitra ny mpanao gazety tamin’ny fotoana andro, ka nanitsanana an’i Rolly Mercia (Rahajason Harry Laurent), izay notohanan’ny ankamaroan’ny mpanao gazety avy amin’ny tsy miankina amin’ny fanjakana.

Tra-pahavoazana (victime) tamin’izany toetra mamoehitra izany i Rolly Mercia nefa dia io izy mamerina sy manamafy ny tetika maloton-dRavalomanana tamin’ny fotoanandrony io.

Izahay eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile dia milaza ampahibemaso fa tsy handefa ny lisitra ny mpanao gazety ato aminay hanaovan’ny minisitra Rahajason Harry Laurent «sinema» fotsiny sy hanasongadinany ny pôlitika malotony amin’io. Azonay antoka fa ho maro ny orin’asa fanaovan-gazety tsy miankina no tsy hanaiky an’io fepetra miendrika jadona io.

Dia ataovy ao ny anareo, ary omeo karatra maha-mpanao gazety matihanina avokoa hatramin’ny mpamafa trano sy mpahandro sakafo mbamin’ny mpanasa fiarakodia ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana manomboka eto andrenivohitra ka hatrany amin’ny faritra rehetra any mba hanamaro isa ny ho mpifidy ny olona hatolotra ny minisitra Rahajason Harry Laurent ho filohan’ny Holafitra rehefa vita izany rehetra izany. Fantatra ange fa natokana ho anareo mpanao gazety mpanohana ny fanjakana sy voafehin’ny fitondrana Hvm io e !

Raha azonareo Hvm hosakanana tsy mahazo manao gazety intsony moa izahay amin’izay dia andraikitrareo izany, ary aza hadinoina fa izay fitondram-panjakana nanangam-pahavalo ny mpanao gazety teto, dia nanara-dia an-dry Tsiranana sy Ratsiraka ary Ravalomanana sy ny hafa…

D.R. – La Gazette de la Grande île, 15 Desambra 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 15 DĂ©cembre 2017 07:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30