]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche PASITERA RAMINO PAUL ABRAHAM. NODIMANDRY NY 12.10.2019

PASITERA RAMINO PAUL ABRAHAM. NODIMANDRY NY 12.10.2019

Nandao ity tany fandalovana ity, ny Sabotsy 12 Oktobra 2019, teo amin’ny faha-77 taonany ny Pasitera Ramino Paul Abraham. Ny zanany lahy no nampahafantatra izany fahalasan’ny rainy izany.

Ny Pasitera isany Ramino, Ravalinomenjanahary ary Ranjakavelo tao amin'ny fiangonana Fjkm Tranovato Faravohitra, tamin'ny nahalasan'ny Pasitera Razafitrimo Philibert, ny taona 2007

F’iza moa ny Pasitera na Mpitandrina Ramino Paul?

Izy no nitantana ny fiangonana Fjkm Amparibe Famonjena nanomboka ny taona 1986 ka hatramin’ny taona 2007 nandehanany nisotro ronono. Izany hoe nandritra ny 21 taona izy no nitory ny Vaovao Mahafaly tao, teo anatin’ireo 50 taona nitandremany izay nankalazaina tamin’ny taona 2016.

Anisan’ny olo-ben’ny Skotisma eto Madagasikara (Tily Malagasy izay hankalaza ny faha-100 taona niorenany amin’ny 2024) ny Pasitera Ramino Paul izay mpanoratra («écrivain») sy poety ihany koa. Mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem («Union des poĂštes et Ă©crivains de Madagascar») izy.

Fantaro koa fa ny Pasitera Ramino Paul no namorona ny «Lamako» ampiasaina amina fotoan-dehibe isan-karazany na eto an-toerana na any ivelany. «Lamako, lamako, avereno, avereno, atambaro»...

Raha eo amin’ny lafiny ara-politika indray dia anisan’ny nanangana ny fikambanana «Raiamandreny Mijoro» niarahany tamin’i Ramatoa Madeleine Ramaholimihaso sy ny Pasitera Daniel Rasoaherimanjato izy, ny taona 2010. Ny tanjona dia ny hampihavana ny Malagasy.

Izay no nahatonga azy, taty aoriana, ho lasa mpikambana ao amin’ny FFM na Filankevitra ho an’ny Fampihavanana Malagasy.

Vita tanteraka antsakany sy andavany ny asan’ny Pasitera Ramino Paul Abraham tety an-tany. Isika kosa miandry ny toerana, andro, ora ary fotoana hanaovam-beloma azy farany.

Jeannot Ramambazafy

TSIAHY


Ny fankalazana ny faha-80 taonan'ny Tily Malagasy

Ny fikambanan'ny Tily Malagasy dia nanao valan-dresaka, ny alarobia 21 Janoary 2004, tao amin'ny Select Hotel. Izany no natao dia mba ho fankalazana ny faha-80 taona niorenany. Andriamatoa ANDRIAMANANTENA Georges (RADO), Filoham-boninahitry ny fikambanana, sy ny Pasitera RAMINO Paul, Filohan'ny komitin'ny jobily faha-80 taona, ary Andriamatoa RAKOTONARIVO Hajanirina, Filohan'ny Foibe Tily Malagasy no nanatontosa izany.

Nambaran'izy ireo tamin'izany ny andraikitra lehibe izay noraisin'ny Fikambanan'ny Tily eto Madagasikara eo amin'ny lafin'ny fanabeazana. Tarigetran'ny fikambanana hatramin'izay mantsy ny hamolavola olom-banona, izany hoe «olona tena ilain'ny fiaraha-monina sady azo itokisana». Ny fanabeazan'ny Tily dia atao amin'ny alalan'ny fitaizana ny olona : SAINA - TENA - FANAHY.

Nolazain'izy ireo koa fa ny mampiavaka ny Tily Malagasy amin'ny Skotisma hafa dia ny fitoriana ny Filazantsara.

Mis Ă  jour ( Mardi, 15 Octobre 2019 03:55 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...