Homba antsika mianakavy anie ny Fiadananâny Tompo
Ry havana,
Efa manodidina anâi Madagasikara ny areti-mifindra Coronavirus (Covid 19) ankehitriny.
Miantso antsika rehetra hiombom-bavaka aminâny Papa François ho anâireo firenena tratranâizany. I Jesoa Kristy Tompo nibaby ny rofintsika rehetra ka nandresy ny ratsy taminâizy nitsangan-ko velona anie, hanome hery ireo marary sy ireo mpitsabo, ary ny fianakaviany. Ary ankinintsika aminâilay Ray be famindrampo ny fanahinâireo havantsika namoy ny ainy.
Manasa antsika ho tony ary hanaraka ireo toromarika marina rehetra momba ny fihetsika, omenâireo tomponâandraikitra sy manam-pahefana aminâny alalanâny haino aman-jery, eny fa na dia ny tsotra indrindra tokony harahina andavanandro aza hiarovana ny fihanakâity aretina ity.
Manasa antsika hifampilaza ny tokony hatao na any aminâny toeram-pitsaboana na any am-piangonana na any am-pianarana na eny an-dĂ lana...
Mankahery ireo dokotera sy ny mpiasanâny fahasalamana hanana ny herim-ponâny aleoko maty mba handresena ny aretina fa tsy hanary na handositra ny marary.
Miantso antsika ho sahy hifanampy, hifampiaro, fa indrindra hiaro ireo efa manana aretina mitaiza na ireo mahantra tsy manana fiarovana.
Miantso ny Eveka, ny pretra, ny relijiozy sy ny mpikatroka rehetra aminâny sehatra pastoraly katĂŽlika tsy hatahotra fa hanaiky hanatona sy hikarakara amim-pitandremana ireo marary ary hiara-miasa aminâireo hĂŽpitaly rehetra hiara-hanohitra ny aretina.
Manasa antsika rehetra izahay Biraonâny Fivondronambenâny Eveka mba hiombona ka hanao vavaka hasivianandro manomboka ny 19 martsa ho fankalazana manetriketrika anâi Masindahy Josefa mpiaro ny Fianakaviana Masina sy izao tontolo izao ka hifarana aminâny faha-27 martsa. Tafiditra ao anatinâizany hasivianandro izany indrindra ny 24 ora ho anâny Tompo hiombonam-bavaka aminâny Eglizy manerantany (ny 20-21 martsa) sy ny Fankalazana manetriketrika ny FilazĂ nâny Anjely ny Fahatongavanâny ZanakâAndriamanitra ho nofo (25 martsa).
Inona Ă ry no hataontsika aminâizany?
Hiaraka hanao ny Raozery masina isika, ilay vavaka nahomby taminâny fiarovana ny Eglizy rehefa nisy fahavalo nitady hanapotika anâi Roma, ka nahatonga ny Papa Pio faha 5 nametraka ny datinâny 7 oktĂŽbra ho fanajana ny Mpanjakavavinâny Raozery Masina.
Vavaka tena tsotra izany ary azonâny rehetra atao aminâny toerana rehetra. Koa ampirisihina manokana ny isam-pianakaviana, ny mpamonjy lamesa isanâandro, hanao sapile miaraka ka faranana aminâity vavaka ity :
-Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, Mpiaro anâi Madagasikara, mivavaha ho anay izay mangata-bonjy aminao
-Masina Maria fahasitrananâny Marary, sitrano ny marary rehetra
-Md Josefa, Ray mpitaiza anâi Jesoa, mpiaro anâizao tontolo izao, mivavaha ho anay
-Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay
-Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, mivavaha ho anay
-Raphael Louis Rafiringa Olontsambatra, mivavaha ho anay
-Jean Beyzim Olontsambatra, mivavaha ho anay
-Lucien Botovasoa Olontsambatra, mivavaha ho anay
Ny Biraonâny Fivondronam-benâny Eveka eto Madagasikara
Ny Kardinaly DĂ©sirĂ© TSARAHAZANA, Filohanâny FEM