]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara Coronavirus. Praiminisitra Christian Ntsay nidinana tao Fianarantsoa

Madagasikara Coronavirus. Praiminisitra Christian Ntsay nidinana tao Fianarantsoa

FAMPITAM-BAOVAO


10 aprily 2020 - Namory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny faritra Matsiatra Ambony, izay natao tao amin’ny renivohi-paritra ao Fianarantsoa ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, niaraka tamina mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, ka nifandinika tamin’izy ireo mikasika ny fiatrehana ny ady amin’ny valan’aretina Corona virus.


Mazava ny hafatry ny Praiminisitra, dia ny tokony hanehoana ny soatoavina Malagasy manoloana izao ady iombonantsika izao, ka hanamafisana ny fihavanana sy ny fifanajana ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. Nohazavain’ny Praiminisitra fa nanapa-kevitra ny hiditra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana na â€œĂ©tat d’urgence sanitaire” ny fitondram-panjakana hifehezana ny fihanak’io valan’aretina io, ary ho fitsinjovana ny mpiara-belona sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo.

Ao anatin’izany, hoy izy, dia ezahina hatrany ny hanatsarana ny fandriampahalemana mba hiatrehan’ny vahoaka ny fahamehana ao anatin’ny fitoniana. Nomarihiny fa nomena toromarika manokana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny Fitsarana sy ireo mpitandro ny filaminana, hijery akaiky izay tena laharam-pahamehana manoloana izao vanim-potoana manokana eto amin’ny firenena izao.

Nanditra ny dinika arak’asa dia notsiahivin’ny Praiminisitra ireo fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana manerana an’i Madagasikara, ary nitondrany fanazavana manokana ny amin’ireo fepetra noraisina ho an’ny faritra efa ahitana olona mitondra ny valan’aretina, indrindra ho an’ity tapa-bolana faharoa anatanterahana ny fijanonana an-trano na ny fihibohana ity :

- eo amin’ny lafiny ara-toe-karena ohatra, dia asiana ny fiandrasan-draharaha (service minimum) hampiodinana ny asam-panjakana; miezaka ny orinasa Jirama mba tsy hisy ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano;

- atsahatra aloha ny fitakian’ny “Cnaps” ny latsakemboka amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa; ajanona ny fitakiana ny handoavana ny haba sy ny hetra, saingy mitohy ny fanambaran-ketra ataon’ny mpandoa hetra;

- ferana tsy hitaky trosa ireo banky sy orinasa mpampindram-bola.

Hisitraka an’ireo fepetra ireo avokoa ny orinasa rehetra, hoy ihany ny Praiminisitra, saingy takiana amin’izy ireo kosa ny fandoavana ara-potoana ny karaman’ny mpiasa ao aminy, ary ny tsy hisian’ny fandroahana na fampihenana ny isan’ny mpiasa nohon’ny tranga fahaterena ara-toe-karena.


Eo amin’ny lafiny ara-tsosialy indray dia nanambara ny Praiminisitra fa hitondra “Plan d’urgence sociale”, araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny fitondram-panjakana.

Izany moa dia hisandrahaka amina sehatra maromaro, ka hahitana ny “Vatsy tsinjo” izay fanampiana ho an’ireo tena marefo, ary tsy hizahàna tavan’olona ny fizarana an’izany; hahitana ihany koa ny famatsiana rano fisotro madio; hahakasika ny fanabeazana; ary eo amin’ny lafiny fahasalamana manokana dia efa mandeha ny fizaràna aron-tava (cache bouche) ho an’ireo izay mifanerasera amin’olona maro.


 

Notsindrian’ny Praiminisitra, eo amin’ny izay lafiny fahasalamana izay, fa ho ezahina ny hanatsarana ny “plateaux techniques” amin’ireo hopitaly mandray ny olona mitondra ny tsimok’aretina na ireo mitondra ny soritr’aretina, ka laharam-pahamehana ny fampitaovana ireo sampandraharaha fameloman’aina na “unitĂ© de rĂ©animation”, ary tafiditra ao anatin’izany ny fitaovana ahafahana mivezivezy sy miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana.

 

Nambaran’ny Praiminisitra ary fa anisan’ny faritra voakasik’ireo fepetra rehetra voalaza ireo i Fianarantsoa sy ny distrikan’i Lalangina, ka hatsangana ao ny komity “loharano”, izay rafitra avy eny ifotony, ahitana mpikambana enina, tena olo-marina sy tia tanindrazana ary manana traikefa. Izany dia mba hahafahan’ireo vahoaka misitraka avy hatrany ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana.


Marihina, hoy ny Praiminisitra, fa hanampy amin’ny fitiliana ireo olona ahiana ho mitondra ny valan’aretina covid-19, ary hanampy amin’ny fanentanana hampanjakàna ny fahamarinana eto amin’ny firenena ireo mpikambana ao amin’ny “Loharano” ireo.

 

Nampahafantariny koa fa hotanterahina eo ambany fitarihan’ny minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, ary ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra, ny fitarihana ny fandraisana an-tanana maika ny sosialim-bahoaka, ohatra amin’izany ny “Vatsy tsinjo” isaky ny fokontany.

 

Teo am-pamaranana dia naneho fankasitrahana sy fisaorana ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, manoloana ny ezaka sy ny fanarahana ny toromarika izay napetraka, ny Praiminisitra, ary nanentana an’ireo Ben’ny tanàna sy Lehiben’ny distrika mba hifanome tanana amin’izao fanarenana atrehina izao.

Ny Seraseran’ny Primatiora

Mis Ă  jour ( Samedi, 11 Avril 2020 08:10 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...