CCO Ivato, androany Alahadin'ny Paska 2020. 106 (ENINA AMBINâNY ZATO) ny totalinâireo olona voatily fa manana ny soritrâaretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.
Ny vaovao mahafaly taminâity andronâny Paska 2020 dia miisa 20 (ROAMPOLO) no isanâny olona sitrana soa aman-tsara. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na iray aza hatreto eto Madagasikara noho io covid-19. Isaorana anâAndriamanitra izany.
Ireo olona 86 nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, dia efa mahazo fitsaboina ao aminâny hopitaly Anosiala, ao aminâny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka Antananarivo ary ao aminâny hopitaly manara-penitra Toamasina.
Fa tsy miova kosa ny toro-marika napetraky ny fitondram-panjaka :
MARINA FA ALATSINAINâNY PASKA RAHAMPITSO, FOTOANA HITSANGATSANGANANâNY FIANAKAVIANA. KANEFA AZA MBOLA MIVOAKA NY TRANO NY DAHOLOBE FA ALEHO MANDEFITRA ALOHA. AMINâNY LAFINY IRAY IHANY KOA, ALEHO MAHANTRA FA VELONA, TOA IZAY MANAN-KARENA FA ANY AM-PASANA. SA AHOANA, HOY IANAREO ? TOKANA NY AINA FA REHEFA LASA ANIE TSY MIVERINA INTSONY ! MISAOTRA ANTSIKA ISIKA E ! ARY MANANA FINOANA FA HO RESIN-TSIKA MALAGASY IO FAHAVALO IOMBONANâIZAO TONTOLO IZAO IO.
Jeannot Ramambazafy