]
Les quotidiens du 20 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara. Volana Ramadany 2020 tsy toy ny isan-taona

Madagasikara. Volana Ramadany 2020 tsy toy ny isan-taona

VOLANA RAMADANY : NY VAVAKA ATAO ISAN-TOKATRANO TSIRAIRAY, DIA SAMY ATAO HO FANILON'NY HO AVY ETY AN-TANY . TAHAKA NY FAMAROAN'NY FANILO NY KINTANA ENY AN-DANITRA

Tsy toy ny isan-taona izay efa nahazatra hatramin'izay ny iray volan'ny Ramadany fifehezana ho an'ny mpino silamo saika maneran-tany. Anisan'izany mpino silamo eto Madagasikara. Ny antony dia noho ny fisian'ny Covid-19 izay mbola iadiana mafy ny handresena azy. Noho ny mbola tsy fahitana ny volana, ny Alakamisy 23 Aprily dia nofenoina ny Zoma 24 Aprily ny 30 andro ny Shaban, ka ny Sabotsy 25 Aprily 2020 no manomboka ny iray volana ny Ramadany.

Ny UMMI (“Union des Mouballihs Malagasy Ithma anashari”) etsy Ankasina dia naneho ny fiarahabana ireo mpino silamo rehetra noho izay fahatongavan'ny Ramadany izay, ary nirary ny fahavitan'izany hatramin'ny farany, ao anatin'ny fivavahana, mba handresena ihany koa ny corona viriosy.

Natofa Rijaly Jean Bel, Filohan'ny UMMI Madagasikara

Raha lazaina teny fohy ny fifehezana dia fanaovana Ramadany na fifadin-kanina, fitazoman-tena atao ho an' I Tompo Zanahary, ny tsy hanao zavatra voafetra mandritra ny fotoana voafetra. Ary izany dia adidy fanompoana izay nandidian'Andriamanitra ny mpino silamo rehetra. Raha toa ka nisy fotoam-pivavahana iraisan'ny mpino silamo rehetra isan'andro mandritra ny iray volana, dia tsy nasiana izany ho an'ny eo anivon'ny UMMI ho fampiharana ny fepetra efa noraisin'ny mpitondra mba tsy hisian'ny fiparitahan'ity Covid-19 ity, araka ny fanazavana nomen'ny Filohan'ny UMMI Madagasikara, Natofa Rijaly Jean Bel.

Noho izany dia isan-tokatrano no hanatanterahin'ireo mpino ny vavaka ao anatin'ny fotoana efa voafaritra mandritra ny iray volan'ny Ramadany. Tsy hijanona fotsiny amin'ny fangatahim-pitahiana ny vavaka atao fa eo koa ny vavaka handresena ity areti-mandoza mihatra maneran-tany ity.

Ho an'ny mpino silamo dia resy lahatra tanteraka no sady mino fa ho ringana io aretina io. Ny tokan-trano tsirairay dia samy atao ho fanilon'ny ho avy ety an-tany, tahaka ny fahamaroan'ny fanilon'ny kintana eny an-danitra.

 

Soratra sy Sary Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Avril 2020 09:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul