Ankoatry ny fiarahabana anarao mpamaky eto amin’ny madagate, amin’izao Krismasy 2020 mitsidika izao, alohan’ny taom-baovao 2021 tsy lavitra ihany koa, dia ity misy tsiahy ireo tranga maro mbola tsy voavaha eto amin’ny firenena. Ka asa lahy, amin’ireo taona ho avy sy hifandimby fa ho vita daholo ireo famotorana rehefa ka ho voasazy daholo ireo fanetry ben’ny Tanindrazana Malagasy ? Izany no fanirian’ny ambany lanitra maro an’isa…
Jeannot Ramambazafy
EFA ATAO NY FAMOTORANA
Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina
ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.
Io ny lapan'ny tanĂ na, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re : efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi-dalana nizorana,
fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.
Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,
fa mbola izao no teny re : efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re : efa tao ny famotorana.
Efa tao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!
Raha izany Ă ry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!
Tsotra kosa izao ny teny izay omeko anao ry Imerina:
Aza dia mpiasabe, manaiky foana ampandeferina!
RADO
Fa iza moa i Rado ?
Anarana : ANDRIAMANANTENA
Fanampin'anarana : Georges
Teraka tamin'ny : 01 Oktobra 1923
Nodimandry tamin'ny : 15 Septambra 2008
Ray : + ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina
Reny : + RAZAFINDRAFARA
Vady : + RAVOLOLONA Edwige
Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy)
Zafikely : 13 mianadahy
Zana-jafy : 23 mianadahy
Sekoly nianarana :
- Ecole Officielle Faravohitra - Ambohijatovo Atsimo (FFMA) - Collège Paul Minault - Chambre de Commerce
- Centre International d'Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg)
Asa natao :
- 1942-1955 : Tranom-piantohana « La Préservatrice »
- 1955-1966 : Gazety Hehy
- 1967-1974 : Trano Famoaham-boky Protestanta Imarivolanitra
- 1975-1977 : Gazety Hehy
- 1977-1989 : Ministeran'ny fanolokoloina ny zavakanto Revolisionera
Asa soratra :
- 1973 : Dinitra
- 1977 : Ando
- 1989 : Zo
- 1993 : Sedra
- 1994 : Ny teny Malagasy
- 2002 : Tsy maintsy mipoaka ny sarom- bilany
- 2003 : Voninkazo adaladala
- 2005 : Fiteny roa
Fikambanana :
- UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches ) " HAVATSA "
- Fikambanana Mpikabary Malagasy " FI.MPI.MA "
- Mpikambana Mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy
- Tily eto Madagasikara
Talenta hafa :
- Sary hosodoko
- Paikafo (« pyrogravure »)
- Tosi- by (« métal repoussé »)
- Kiky fitaratra (« gravure sur verre »)
- Famoronana hiram-bavaka
Mari-boninahitra :
- Chevalier de l'Ordre National Malagasy
- Officier de l'Ordre National Malagasy
- Commandeur de l'Ordre National Malagasy
- Grand Officier de l'Ordre National Malagasy
- Grand-Croix de 2è Classe de l'Ordre National Malagasy
Fanalanandro :
- Jono (ranomamy sy ranomasina)
- Filalaovana amin-jafikely
Nanana asa soratra voavadika amin'ny teny :
- Anglisy
- Alema
- Frantsay
- Rosianina
Fampiratiana sary :
- 1988 : Antananarivo
- 1989 : Franconville (Frantsa)
- 1990 : Antananarivo
- 1994 : Paris (Frantsa)
- 1996 : Antananarivo
- 2002 : Lycée Jean Joseph Rabearivelo Antananarivo
**************************************************
Aza avela hahalala ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala na ireo maraina vao.
Tsy ho takatry ny saiko zay rehetra alahatrao.
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hatoky Anao.
Aza avela hanontany ny hafaliana atolotrao,
Na ny anton’ny tomany efa hitako hatrizao.
Aza avelanao hanefy ny ampitso zay Anao.
Aza avelanao handrefy zay ho fitantananao.
Rado (Georges Andriamanantena)
Jeannot Ramambazafy – 22 Febroary 2016