]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Erick Rakotonirina. Lasa ilay namana tena nanan-talenta maro tokoa

Erick Rakotonirina. Lasa ilay namana tena nanan-talenta maro tokoa

Fanina mihitsy aho nahare ilay filazana, tamin’ny tolakandro teo fa hoe nodimandry i Hugues Erick Rakotonirina. Satria tapa-bolana lasa izahay dia mbola nifanoratra tsara. Somary tsy « en forme » izy aloha satria misy « hernie » ary mbola tsy niasa izy tamin’izay.

Ny 14 janoary 2022 dia mbola nanentana ny fandaharana « Ny Hanitry ny Kanto Malagasy » ao amin’ny Top Radio i Erick ary ny hiran-dry Njakatiana sy Bessa no noresahiny sy nalefa tao.

Tamin’ny herinandro lasa dia nanontany vaovao taminy aho saingy tsy nisy valiny. Kinanjo, androany alarobia 19 janoary 2022 voaraiko ny filazana fa lasa nandao ity tany fandalovana ity i Erick. Marina fa lahatra izany kanefa tena izaho no lasa tsy « en forme ». Erick ? ireto rehetra ireto no tena maha izy azy : chanteur auteur-compositeur-interprĂšte, animateur et technicien de radiodiffusion avy any Mahajanga.


Ilay hirany « Valio an-kira » no nahafantaran’ny be sy ny maro azy. Izy io dia ny taona 1985 no noforoniny sy nivoaka K7 fa ny taona 1997 vao tontosa ny clip vidĂ©o ary ny taona 2008 vao nivoaka VCD. Fa nialohan’io hira io dia nisy koa ilay hira hoe « Cocorico » (tsy ny an’i R-Clee akory fa hafa mihitsy) nivoaka K7 ny taona 1983.

Ny taona 2016, izany hoe 25 taona taorian’ny hira « Valio an-kira », dia nivoaka ny « album » hoe « Fihavanana ». Mazava ny dikan’izany lohateny izany
 Fa raki-kira misy hira sivy izy io izay mitory soatoavina, izay nolazain’i Erick fa very andro aman’alina eto amintsika. Efa tamin’izany vaninandro izany


Tsindrio eto afahanao mihaino ilay fandaharana

Eo amin’ny lafin’ny fanentanana fandaharana indray dia ny taona 2009 izy no nikatra eto Antananarivo, avy tao amin’ny M3TV any Mahajanga, ary tao amin’ny Viva Radio no niasa efa ho 10 taona mahery (Fandaharana «Tsy aritro» - « Viva Tolakandro - Viva Toolaks ») vao « voatery » nifindra tao amin’ny Aceem radio (Fandaharana « Solaitra gasy ») izay vao tonga tao amin’ny Top Radio (Fandaharana « Ny Hanitry ny Kanto Malagasy » - « Vazo Tiako be ».

*******************

Sabotsy 08 Oktobra 2014. Fifidianana izay ho Filohan'ny OJM ("Ordre des Journalistes de Madagascar"). Lany i GĂ©rard Rakotonirina. Taorian'io dia nisara-bazana tanteraka ny mpanao gazety malagasy noho ny fitantanana ny firenena tsy nanjary feno kolikoly nataon'ny HVM sy Rajaonarimampianina. Iry aoriana iry i Erick Rakotonirina

**********************

19 janoary 2022. Lasa i Hugues Erick Rakotonirina. Io no anarany feno. Tsy hitako intsony izay ambara satria nisy zavatra niheritreritanay hiara-manao aoriana kely ao. Lasa nanara-dia an’Ikotoniaina izy. Fa nisy asa-sorany navelany dia ity manaraka ity :

VALIO AN-KIRA


Raha vao mandre, izao antsoko izao ianao
An-kira ihany koa no hangatahako hamalianao azy
Tahak'ireo, ireo hira mitory fitiavana
Kaloinao malefaka ankafiziko efa reko matetika
Fa inona re no tsy nety nataoko taminao
No dia tsy re na nandalo akory hatrizao
Valio aho rahavako raha mba sitrakao
Valio an-kira,
Tahak'ireo efa nataonao tamin'olon-kafa

Tsy hitanao intsony ny aty aminay
Fa na singan-taratasy iray monja tsy misy akory
Miandry anao, mbola miandry hatrany hatrany e!
Lasan'eritreritra ka hiantso an-kira sisa no fara-hevitra
Fa inona re no tsy nety nataoko taminao
No dia tsy re na nandalo akory hatrizao
Valio aho rahavako raha mba sitrakao
Valio an-kira,
Tahak'ireo efa nataonao tamin'olon-kafa

Raha vao mandre, izao antsoko izao ianao
An-kira ihany koa no hangatahako hamalianao azy
Tahak'ireo, ireo hira mitory fitiavana
Kaloinao malefaka ankafiziko efa reko matetika
Fa inona re no tsy nety nataoko taminao
No dia tsy re na nandalo akory hatrizao
Valio aho rahavako raha mba sitrakao
Valio an-kira,
Tahak'ireo efa nataonao tamin'olon-kafa

Erick RAKOTONIRINA

*************


Amin’ny anaran’ny ekipan’ny madagate sy amin’ny anaran’ny ankohonako no ilazako eto, ho an’ny vady aman-janak’i Erick Rakotonirina sy ny fianakaviany rehetra, fa varavarana nivoahana, Tompoko, no anareo, fa ny fahoriana sy ny alahelo dia iarahantsika mianakavy mizaka. Atao ahoana moa, Tompoko, fa tsy maintsy mionona isika fa izay nositrapon'Andriamanitra. Izy no nanome ary Izy koa no naka, ka isaorana eto ny anarany. Ary fantatsika tsara koa fa fandalovana ihany ny eto an-tany, ary vahiny sy mpivahiny isika, ka rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy handehanana dia mbola handalo amin'izany ihany isika. Tombon-dàlana ny azy fa isika rehetra mbola ho any avokoa.Noho izany dia mionona ary mahaiza mionona, Tompoko, fa izy tsy hiverina intsony ary isika mbola ho any. Mahaiza mionona ary mahereza, Tompoko.

Aza misosoka alahelo intsony, Tompoko. Dia ho tsara levenana anie ny maty ary ho henikaja amam-boninahitra koa anie ny velona ! Ho lasan’izay ny ratsy sy ny loza mahazo antsika izao fa dia mba ho tsara sy ny soa ary ny mahafinaritra amin’izay no aoka hifanodiavantsika mianakavy !

Jeannot Ramambazafy sy ny ankohonany

Ny ekipan’ny madagate

Mis Ă  jour ( Mercredi, 26 Janvier 2022 09:57 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...