]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Liz Truss. Iza moa ity vehivavy Praiminisitra fahatelon-dry zareo Anglisy ity?

Liz Truss. Iza moa ity vehivavy Praiminisitra fahatelon-dry zareo Anglisy ity?

Ny 5 Septambra 2022 dia voafidy ho lehiben’ny antoko “conservateur” (mitana ny fomba amam-panao nantim-paharazana) i Liz Truss ary lasa Praiminisitry ny Anglisy, nandimby an’i Boris Johnson. Iza moa izy ?

Mary Elizabeth Truss no tena anarany. Teraka ny 26 jolay 1975 tao Oxford izy. Manambady an’ Hugh O'Leary. Izy ary mbola tsy niteraka izy roa. Maro dia maro ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny governemanta anglisy nanomboka ny taona 2010 nidirany teo amin’ny sehatry politika.


Aleho atao amin’ny teny frantsay izany andraikitra nosahanin’I Liz Truss izany :

Députée britannique depuis le 6 mai 2010.

Secrétaire d’État à l’Environnement, à l’Alimentation et aux Affaires rurales (2014-2016)

Lord chancelier, Secrétaire d’État à la Justice (2016-2017)

Secrétaire en chef du Trésor (2017-2019)

Secrétaire d’État au Commerce international, Présidente de la Commission du Commerce (2019-2021)

Ny 6 septambra 2022 i Liz Truss no hanao ny fianianana amin’ny maha Praiminisitra azy. Izy izany no vehivavy fahatelo voafidy Praiminisitra hitarika ny governemanta anglisy, taorian’i Margaret Thatcher, “The Iron Lady” (1979-1990) sy Theresa May (2016-2019) izay samy mpikambana ao amin’ny antoko “Conservateur”. Ny 8 avrily 2013 no nodimandry tao London i Margaret Thatcher.


Raha hiresaka vehivavy Praiminisitra dia ireto misy efatra ary samy avy any avaratry ny planeta Tany, samy voafidin’ny antoko misy azy tsirairay avy. Mahavariana...


Magdalena Andersson, Praiminisitry ny Suède, nanomboka ny taona 2021


Sanna Marin, Praiminisitry ny Finlande, nanomboka ny taona 2019


Mette Frederiksen, Praiminisitry ny Danemark, nanomboka ny taona 2019


Kaja Kallas, Praiminisitry ny Estonie, nanomboka ny taona 2021.


Fa tsy adino ihany koa i Edith Cresson, vehivavy Praiminisitryvoalohany tao France, ny taona 1991-1992. Any indray dia tendrena ny Praiminisitra.

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 5 septambra 2022

Mis Ă  jour ( Lundi, 05 Septembre 2022 18:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30