]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

Mpitandro filaminana i Christian Andrianarisoa taloha ela be izay. Nanomboka mpanao gazety matihanina izy rehefa niasa tao amin’ny DMD («Dans les Medias Demain»), gazety natsangan’i Honore Razafintsalama (nodimandry ny taona 2011) ny taona 1986, izay sehatra nanoratan’i Jean Eric Rakotoarisoa ihany koa. Ary tena Talen’ny Famohanana (« Directeur de publication ») mihitsy ity farany.

Ny an’i Rakrisy indray dia tontolon’ny Ekonomia no tena nahavanana azy. Raha te-hamaky ny lahatsoratra nosoratan’i Christian Andrianarisoa, mankanesa ao amin’ny CIDST (CENTRE D'INFORMATION ET DE DOCUMENTATION SCIENTIFIQUE ET TECHNIQUE), Làlana Fernand Kasanga eny Tsimbazaza, Antananarivo.

Anisan’ireo mpanao gazety voalohany niasa tao amin’ny « La Gazette de la Grande ile » i Christian Andrianarisoa. Io gazety io dia natsangan-dry Lola Rasoamaharo, Franck Raharison (+2020); Salomon Ravelontsalama, (+2020); Patrick Andrianjafy (+20033); Adelson Razafy ary James Ramarosaona, ny volana marsa 2003.

Nisy fotoana no niditra tao amin’ny HJRA i Rakrisy. Tsy tadidiko fa mbola mitady ny sary nalaiko niaraka taminy tao amin’io hopitaly aho. Efa ela ihany nefa izay ary tamin’io no nahitako azy sy niresahako taminy farany.


66 taona i Rakrisy izao nandao ity tany fandalovana ity.

Miara-ory amin’ny fianakavian’i Christian Andrianarisoa tsy ankanavaka, ny tenako manokana sy ny ekipan’ny madagate.

Mandria am-piadanana Rakrisy fa efa voatahiry ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny Fanaovan-gazety eto Madagasikara ny anaranao.


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 18 Octobre 2023 05:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30