]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche André (ANDY) Rasolonjatovo. Nandao antsika ny 03 Jolay 2024

André (ANDY) Rasolonjatovo. Nandao antsika ny 03 Jolay 2024

Izay no lahatra. Ny 04 Febroary 2024 izahay mirahalahy no nifankahita farany. Teny Ambohimiadana, Ampitatafika, tamin’ny nanasitrihina ny nofo mangatsiaky ny zandriny, Ratiarison Andrianjatovo (Ndriana), tao amin’ny fasan-drazan-dry zareo, rehefa avy natao veloma farany tao amin'ny Fjkm Ambohimiadana Fanilo. Araka ny nolazain'i Andy tamiko, dia izy sy Ndriana no tena anisan'ny angady sy vy nafahana nanavao io fiangonana io.


I Andy no zokiny indrindra amin’ny lahy, fa zandrin’i Monique (Mone) vavy matoa. Mihoatra ny 50 taona no nahalalako ny fianakaviana iray manontolo. I Richard no tena nihinana ny manta sy ny masaka niaraka tamiko. Fa nahalala ny ray aman-drenin-dry zareo aho, fony izy rehetra nipetraka tao Tsiazotafo.

Toa mia vitsy ny olona tsotra sy tsara fanahy toa izy mivady…

Rehefa avy nianatra tany ampitan-dranomasina aho dia nanomboka tsy nihaona intsony izahay. Nandeha be ny fotoana ary dia samy nanorina tokan-trano daholo, dia tsy nifankahita firy intsony. F'efa manana zafikely daholo izahay...

Dia izao atambatry ny fahafatesana vetivety indray. Saingy, indrisy : noho ny raharaham-pianakaviana efa nomanina efa ela be, amin’io andro sy ora voatondro ao amin’ny ferapara io, dia tsy afaka izahay mivady hanatitra an’i Andy eny Ambohimiadana. Miombo-po sy saina aminareo fianakaviana iray manontolo, tsy ankanavana izahay.

Eny, tsy isika mihitsy no mandahatra, koa mahaiza mifankatia hatrany raha mbola velon’aina. Dia handry ampiadanana i Andy sy ireo rehetra nialoha antsika lasa any amin'ny fiainan-tsy hita any, miandry ny fitsanganana indray, araka ny finoana Kristianina.

Indramiko, eto, ny ampahan’ny tokon-kiran’i Dadah (Mahaleo) avy any amin’i TINA (Christina), zanak’i Andy. Mbola zaza tokoa i Tina fony ny rainy niasa tany Toamasina, 40 taona mahery lasa izay. Tao amin-dry zareo aho no misakafo, indraindray, rehefa alahady.

Ninie sy Jeannot RAMAMBAZAFY

TSY MISY NY DORIA

Hiara-hiaina ny andro androany

Ho toy ny andro farany

Hiara-higoka izay mety ho mamy

Mandram-pahalefy ny tarany


Ny maso hikipy tsy hahita

Ho tapitra ny fofon’ aina

Ho hanenenana izay tsy vita

Fa any ankoatra tsy ho ilaina


Satria ny vintana sy anjara

no mamaritra ny dia

rahampitso ny lalantsika mety hizara

satria tsy misy ny ho doria


Satria ny vintana sy lahatra

Mety hamingana ny dia

Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra

satria tsy misy ny doria

Dadah (Andrianabela Rakotobe) Mahaleo

Mis à jour ( Samedi, 06 Juillet 2024 03:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA