]
Les quotidiens du 26 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

TSINDRIO ETO AZA FADY

Telo volana alohan’ny faha-75 taonany ingahy Marc Ravalomanana dia mbola mitady irika ihany hamitahana ny Malagasy sy ny firenena malagasy iray manontolo mihitsy. Loza ! Misy taratasy nalefan’ny Tale Jeneralin’ny Hetra any amin’ny Filohan’ny CENI, ny 16 septambra 2024. Teny frantsay no nanaovany azy ka zaran’ireo Tim, Tam, Toum aza misy izay ho mora hamadiana ny resaka ho an’ireo tsy mahafehy io teny io.

Ka tsotra no nataoko eto : Io ambany io aloha ilay taratasy amin’ny teny frantsay.

Eo ambanin’ireo pejy roa ireo kosa ny vontoatiny ankapobeny amin’ny teny malagasy ofisialy.


- Nametraka fangatahana taratasy fanamarinana tany amin’ny Foiben’ny Hetra ao amin’ny boriborintany voalohany Andriamatoa Ravalomanana Marc, taorian’ny taratasiny tamin’ny 5 septambra 2024, voarain’ny Foibe tamin’io andro io, manoloana ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana kaominaly 2024.

- Tamin’ny alàlan’ny fanambarana an-gazety, tamin’ny 19 aogositra 2024, ny sampan-draharahanay dia nampahatsiahy ireo fepetra ao amin’ny tovana faha-4 amin’ny didim-panjakana laharana 2024-1796 tamin’ny 6 aogositra 2024, nametraka ny maodely amin’ny ampahany sasany homen’ny kandidà sy ny lisitry ny kandidà ho an’ny kaominina. ary ny fifidianana kaominaly ny 11 desambra 2024, ary koa ny andininy faha-272 amin’ny lalàna laharana faha-2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, mahakasika ny fidiram-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fe-potoam-pifidianana, ary ny fandaminana, ny asa sy ny andraikitr’izy ireo, izay mametraka mazava, dieny mialoha fa « … ny taratasy fanamarinana navoakan'ny Fitantanana ny hetra dia manamarina fa ny olona voakasika dia manaja ny lalàna sy ny lalàna mifehy ny hetra… »; Voalazan’ny fanambarana an-gazety araka izany fa « ilaina ny fanajana sy fanarahana ny didy amin’ny fanambarana sy ny fandoavana ny hetra, ny haba ary ny sarany ao anatin’ny fe-potoana voafaritry ny lalàna ary koa ny fandoavana ny hetra tsy voaloa, mba hanamafisana ny fanamarinana fandoavana hetra ho an’ny kandidà iray » ;

- Vokatr'izany, ny Fanajana ny voalazan’ny lalàna momban’ny hetra dia mitaky ny fandoavana ny fitambaran’ny hetra rehetra tsy voaloa, nandritra sy tao anatin’ ny telo taona farany.

- Raha momban’ Andriamatoa Ravalomanana Marc, dia nisy taratasy fanekena nosoniavin’ny tenany, voarain’ny sampandraharahan’ny hetra tamin’ny 4 septambra 2023. Ny Foiben’ny hetra ao amin’ny boriborintany fahatelo, no nandray izany taratasy izany tamin’ny firotsahan’Atoa Ravalomanana hofidiana ho filoham-pirenena ny taona 2023. Ilay taratasy dia fanekeny an-tsoratra ny handoavany ny hetrany sy ny an’ny orinasany izay tombanana mitentina FITOPOLO AMBY NY ZATO LAVITRISA ARIARY (Ar 170 miliara). Noho io taratasy io dia neken’ny Sampandraharahan’ny hetra ny nilatsahany kandida ary nahazo taratasy fanamarinana fandoavana hetra izy tamin’io fotoana io.

- Ho fanampin'izany, ny titra fanangonam-bokatra eo ambanin'ny laharana n° 2672, 2673, 2674, 2675, 2676 ary 2677/MEF/SG/DGI/DGE tamin'ny 08/08/2024, nankatoavina sy azo ampiharina araka ny laharana n°1077 bis, 1078 bis, 1079 bis, 1080 bis, 1081 bis ary 1082 bis/MEF/SG/DGI/DGE/TP, tamin'ny 08/08/2024 tamin'ny fitambarany dia DIMY AMBY ROAPOLO AMBY ZATO LAVITRISA SY SIVY HETSY SY ENINA AMBY TEOLOPOLO TAPITRISA SY FITO ETSY SY DIMAMPOLO SY ARIVO TAPITRISA SY IRAIKA AMBY ENIMPOLO SY  SIVIN-JATO FAINGO IRAIKA ABY DIMAPOLO ARIARY (Ar 125 936 751 961,51) nisoratra tamin’ny anarany ary nampandrenesina azy tamin’ny taratasy laharana n°2681-2024/ MEF/SG/DGI/DGE/SR, tamin’ny 08/08/2024. Nefa hatramin'izao dia tsy mbola voaloa io vola io;

- Raha ny tena azy izany dia tsy hanohitra ny famoahana ny taratasy fanamarinana ara-dalàna ny Sampandraharahan’ny hetra raha toa ka voahaja ny lalàna mifehy ny hetra manan-kery, ary raha toa Andriamatoa Ravalomanana Marc miroso amin’ny fandoavana ireo hetra tsy voaloa ireo araka ny tokony ho izy sy arak’ilay taratasy fanekeny nosoniaviny (tamin’ny taona 2023).

NO COMMENT, hoy ny miteny Anglisy rehetra.

Ankoatra ity lahatsoratra ity, izay nosoratako 15 taona lasa izay :

TSINDRIO ETO AZA FADY

Dia mba vakio koa io boky « Tikoland » io, nosoratako ny taona 2018.

TSINDRIO ETO AZA FADY

Ny Tantaram-pirenena, Tompoko, tsy azo foronina ary mitoetra mandrakizay.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 18 septambra 2024

Mis à jour ( Mercredi, 18 Septembre 2024 17:14 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale