]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

Raha toa ny fisianao eto an-tany (« Ton Existence ») ka toa loharanon'ireo olana tsy misy farany, dia raiso ho sedra izany hampatanjaka anao kokoa.

ManĂ na finoana fa mbola ho avy ny tsara indrindra. Ny fisianao akory tsy natao hampiaiky volana izao tontolo izao velively. Ny fisianao dia ny mba hiainanao ny fiainanao amin'ny fomba izay hahasambatra anao indrindra.

Ny tsara indrindra eo amin’ny tenanao dia tsy natao tarigetra ho tratrarina, fa toe-javatra tokony hiainana sy hampiarina ampahibemaso.

Tokana ny safidinao : na ataonao fotoana feno tranga mampahonena ny fiainana raha toa ka lavinao ny kiakiaka miala avy ao anatinao, na ny mifanohitra amin'izany ka hovanao ho asa zavakanto faran’izay tsara indrindra.

Samy eo am-pelatanantsika tsirairay ny safidy. Matetika isika dia manao fahadisoana. Ka aiza ny marina ary aiza ny lainga?

Ny fifandraisan'ny samy olombelona dia tsy manome toromarika momban’ny fampiasana azy ; tsy manana rafitra mazava tokony harahina fa dia mitsapatsapa fotsiny ihany isika, manandrakandrana fotsiny, miantehitra amin'ny sain-tsika mazana mamorona na maminavina. Tsy tena marina daholo anefa ny hitranga na koa everina fa maharesy lahatra anao sy ny hafa. Hisy foana ny singa tsy azo antoka - na inona na inona ataontsika dia mijanona ho misitery ho anao sy ho an’ny hafa ny fisianao- ka tsy ho fantatrao mihitsy hoe iza marina no eo anoloanao.

GRAND FORMAT

Ny fisiantsika dia natao maha misy antsika fa tsy natao hitarafana ny Fisiana, na miaina mba hiainana, ary tsy hijery ny tenantsika miaina.

Isika olombelona rehetra dia nateraka ho tia. Io no fototra sy fiafaran’ny Fisiana. Mampitolagaga ihany anefa ny toetran-dRaolombelona miezaka miampanga ny hafa ho nanimba ny fiainany, ny fisiany, kanefa ny tenany ihany no nanimba ny fiainany sy mandrava ny fisiany, ary tsy ilainy olon-kafa mihitsy izany.

Tsy miandry ny fisiantsika ny fotoana fa miaraka aminy hatrany mba hisiana tondro-zotra arahina.

Voafetra ny fotoanantsika eto amin’ity tany fandalovana ity.

Aoka tsy ho lany andro sy fotoana hiaina fiainana tsy anao velively fa fisehoana fotsiny ihany.

GRAND FORMAT

Aoka isika tsy hanidy ny tenantsika ao anatina dogma (foto-pinoana), dia hiaina araka ny fihevitry ny hafa. Ny fisiana, ny fiainana manontolo dia tolona hatrany ary ny fiainana -izay misy anao- dia efa fandresena maharitra.

Ny fototry ny fisiana manontolo dia miala avy amin’ny sandan’ny fitiavana :

"Lazao amiko ny fitiavanao dia holazaiko aminao hoe iza ianao".

Rehefa mandinika ny fisiantsika isika dia tsy ny fahafatesana no mampitahotra fa ny fiainana.

“Ny fiainana tsy misy fitiavana, na inona na inona ananan’ny olona iray, dia fiainana foana sy tsy misy tanjona".

Dia arahabaina daholo isika zanakolombelona miisa 8 miliara mahery maneran-tany, nahatratra ity 24 Desambra 2024, andro nahaterahan’ny Jesosy Kristy !

Jeannot RAMAMBAZAFY

Nadika avy tamina hevitr’olombelona maro ary koa niala avy amina fandinihana lalina nataon’olona iray niangavy tsy ho tonon’anarana. Misaotra azy isika.

Mis Ă  jour ( Dimanche, 29 DĂ©cembre 2024 08:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30