Io no lohaten’ilay boky mirefy A5, misy 34 pejy, nosoratako efa herinandro latsaka izay ka vao vitako io tolakandron’ny androany Talata 08 avrily 2025.
Mbola ho entina any amina mpanao « impression » izy ka ny boky sasany hatolotro ho ana tranom-boky ary ny hafa, hamidy.
Na izany aza, tsy mety ny saiko raha tsy mba aseho anareo eto amin’ny Facebook ny ampahan’io boky io. Mora no miady amin’ny lainga : milaza sy manoratra ny marina hatrany.
Ary mbola haveriko : afaka hamarinana daholo ny soratro rehetra fa tsy hoe noforoporonina mba hazoana vola. Tsy maha vaninkolona izany fomba izany. Izaho no miala vola am-paosy mba ho voataiza ao anatin’ny fahamarinana ny taranaka malagasy, fa tsy hoe teraka, velona ary maty tsy fantatra marina ny antony nandalovany teto an-tany, manary hatramin’ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny. Ndao ary aloha hahafantatra ampahany, ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.
Jeannot RAMAMBAZAFY
* * * * * * *