]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Antananarivo OMDA. Raharaha tadiavina ny an’i Brigitte Rasamoelina

Antananarivo OMDA. Raharaha tadiavina ny an’i Brigitte Rasamoelina

FIAMPANGANA

Nahatratra fanaovana hosoka sy halatra vitan'ny lehiben'ny sampan-draharaha iraisam-paritry ny OMDA/Toamasina ny Talen'ny OMDA foibe, Haja RANJARIVO, ka nampiato an'ilay mpangalatra tamin'ny asany.

Tsy nankasitraka an'izay fandraisana andraikitra izay anefa ry zareo ao amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina tarihan'i Brigitte RASAMOELINA, ka dia noesorin'izireo tamy toerany ny Talen'ny OMDA, fa ny mpangalatra no arovan'izireo.

Tsy vitan'izany fotsiny ihany, fa notorian'ny Ministeran'ny Kolotsaina any amy Polisy io tale io. Ohatran'ny tadiavin'izireo ho gadraina mihitsy!?! Na ny lalàna izay hita ao amin'ny Sata mifehy ny OMDA aza tsy narahin'izireo. (andininy 24: Ny Ministry ny Kolotsaina dia mandefa amin'ny Filankevi-pitantanana izay zavatra tsikariny sy ilaina momba ny fitantanana ara-bolan'ny OMDA... Ny Filankevi-pitantànana dia afaka mangataka ny fidiran'ny mpanao fanadihadiam-panjakana an-tsehatra - Inspection Générale de l'Etat -, raha ilaina).

Io Tale izay noesorina io no tsara ofana indrindra tamin'ireo tale rehetra izay nandalo tao amin'ny OMDA. (Nalefanay niofana tany amin'ny OMPI sy CISAC ary SACEM tany Genève sy Paris, sns sns...). Vokany sy porofo, dia nandroso ny OMDA. Tsy minono amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina intsony, izay nitrotro azy 30 taona lasa izay.
94% ny vola ao amin'ny OMDA ankehitriny, dia zon'ny mpamorona voaangon'ny ekipa tarihan'io tale noesorina io. I Haja RANJARIVO izay lasa teknisiana mahay, ka manao kaonferansy momba ny zon'ny mpamorona ao amy Sekolim-pirenena ho an'ny Mpitsara sy Mpiandraiki-draharaha. Mpanao kaonferansy, isan-taona, any amy Sekolim-Pirenena ho an'ny Polisy, any amy Sekolim-Pirenena ho an'ny Zandary, sy ho an'ny mpiasan'ny Fadin-tseranàna.

Ny olona notendren'ny Ministera hisolo toerana azy dia zazavao tsy mahay izay ativilaninay. Tsy mba mpiasa tranain'ny Ministeran'ny Kolotsaina akory, ka tsara hosotra. Fa mpiasa vao nampidirin'io Ministry ny Kolotsaina io tao anatin'ny fotoana fohy naha ministray azy. "Zana-drahavaviny", hono io zazavao io?!...

Aoka tsy ny Ministeran'ny Kolotsaina, izay mametraka vola kely -6% fotsiny- ao amin'ny orinasanay OMDA, no hanampatra fahefana ka hanakenda ny zavakanto Malagasy... Ny ady amy piraty aza tsy ataony./.

Eusèbe JAOJOBY –Mpikambana feno sy mpandoa vola ao aminy OMDA

Mis à jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 09:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30