Â
Luke Zahner sady miandry fanontaniana no tonga dia afala mamaly mivantana
Linda Thomas-Greenfield, Sekreteram-panjakana lefitra amerikana misahana ny raharaha aty Afrika, dia nanokatra toerana iseraserana mivantana ao aminy facebook Andriamatoa Zahner. Mila mahalala vaovao marina avy any ifotony ny vahoaka ary anjaran'ny mpanao gazety ny manely azy ireo.
Â
Nahazo fanasana tokoa aho fa tsy teo aminâny solosaina aho taminâio andro sy ora voatondro io. Ka ny fanontanianâny zandry Garry, mpanao gazety ao aminâny « Lâexpress de Madagascar », mikasika ny andramena no asehoko ho anareo mpamaky eto. Marihina fa ny valinâAndriamatoa Luke Zahner dia hevitry ny governementa amerikana fa tsy azy manokana.
Â
Ny Ambasadaoron'ny Etazonia, Robert T. Yamate (tsy dia tazana firy tany Iavoloha, ny 8 Janoary teo), ny Sekreteram-panjakana lefitra amerikana misahana ny raharaha aty Afrikany, Linda Thomas-Greenfield, ny Filoha Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana
Â
Ary misy dikany matoa izy nanokatra ity sehatra ao aminy facebook ity, taorianâny fandalovanâi Ramatoa Thomas-Greenfield teto Madagasikara -mila vaerina indray-. Satria raha ionona aminâny serasera ofisialinâity fitondrana ity dia sady mamita-tena izy io no mamita-bahoaka. Hafa ny fomba fiteny ara-pomba diplomatika ary hafa ny zava-misy sy ny tena fijerinâny fitondrana amerikana ny zava-misy. Aminy tsy manga mihitsy ny lanitry ny demokrasia sy ny tany tan-dalĂ na eto Madagasikara, taorianâny fifidianana taminâny volana desambra 2013. Ho voaraoka toa ny Ambasadaoro frantsay François Goldblatt (izay nampiasa ny Twitter nilazany fa tsy mazava ny raharaha tao amin'ny Tahirim-bolam-panjakana nahatonga ny fandroahana an'ny Tale jeneraly Orlando Robimanana), ve i Luke Zahner? Eo isika hahita azy, hoy Jaojoby izayâŠ
Jeannot Ramambazafy â 14 Janoary 2016
Â
KOLORINDRA GARRY RANAIVOSON
Salama tompoko. Ny fanontaniako voalohany: Miverina foana ny resaka fanamafisana ny ady amin'ny kolikoly, amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalà na ny harem-pirenena, ary koa ny resaka « bonne gouvernance », rehefa mandray fitenenana ny solontena amerikanina. Mbola naverin'i Ramatoa Linda Thomas-Greenfield izany. Midika ve izany fa tena mbola tsy hita taratra mihitsy ny ezaka ataon'ny mpitondra amin'ireo sehatra ireo? Raha efa misy azo tsapain-tanana, dia inona izany no mbola tsy ampy, matoa averimberina foana ireo teboka ireo?
LUKE ZAHNER
Faly mitafa aminao Garry. Na nisy aza ireo ezaka vita teo aminâny lafiny fitantĂ nana taorianâny fifidianana ny taona 2013, ny zava-misy aloha dia nitohy tsy nijanona ny fitrandrahana sy fanondranana tsy ara-dalĂ na ny andramena. Toe-javatra mampiahiahy ny mahita fa maro kokoa ireo olona nampidirina am-ponja fa nolazaina fa nanala-baraka ireo mpitrandraka tsy ara-dalĂ na ny andramena noho ny isanâireo tena mpanondrana andramena naiditra am-ponja.
Efa tena ezaka ny hoe manana governemanta voafidy isika taorianâny dimy taona nisianâny fitondrana nanongam-panjakana. Ary ekenay ireo ezaka vita hatraminâny taona 2013. Tsy midika anefa izany fa tsy mbola miatrika olana goavana ny firenena.
Ny kolikoly sy ny fanondranana andramena antsokosoko izay zary endrika isehoanâizany hita maso indrindra ary noresahan-Rtoa Sekreteram-panjakana lefitra ireo nandritra ireo fihaonana nataony teto ny alatsinainy teo. Mbola mipetraka ho olana lehibe ireo ho anâi Etazonia, ny fiombonambe iraisam-pirenena ary mazava ho azy ho anâny ankamaroanâny vahoaka Malagasy izay ifampiresahanay sy mifanena na mihaona aminay manerana ny nosy.
Mety hivaha haingana io resaka andramena io satria efa tsy ho ela dia ho ringana tanteraka ato anatinâny taona vitsy ireo andramena sy hazo sarobidy anananâi Madagasikara. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: inona indray no aoriananâny andramena, satria ireo heloka manodidina ny varotra antsokosokonâny andramena dia hitady lĂ lan-kafa indray hiroboroboana, ary mety ho lĂ lana mamono izany. Ny andramena dia manjary toy ny « rongony mamatotra ».
****************************
Io fanontaniana sy ny valiny io, ary koa ny hafa, dia hitanao ao aminâny kaonty facebook (tsindrio ETO ho an'izay manĂ na kaonty)
Misy ampahany koa nadikanâi Garry teny frantsay ao aminâny «Lâexpress de Madagascar» (ETO). Rahoviana ny mpanao gazetinâny Tvm sy Rnm no hahazo alĂ lana miditra aminâity fitaovan-tserasera ity ary ho azon-dry zareo ve ny mamoaka azy? Tsia ny valiny fa tonga dia voaraoka eo no eo. Ka aza midradradra hoe tany tan-dalĂ na sy demokrasia no misy eto Madagasikara ry mpitondra isany a ! Lasa voakajy ho olo-mavandy ianareo.
Ireto kosa misy isa tena hatalanjona anao mpamaky
Araky ny tatitry ny « Consortium international de lutte contre la criminalité, liée aux espÚces sauvages » na koa CITES dia:
Janoary 2014 : 20,8 taonina hazo andramena avy aty Madagasikara no tratra tany Shina
Febroary 2014 : 110 taonina no tratra tao Tanzania ary hazo andramena tsy ara-dalĂ na miisa 2.135Â no tratra teto Madagasikara ihany
Marsa 2014 : six contenera miisa 6 feno hazo andramena no tratra tany Tanzania
Aprily 2014 : 419 taonina no tratra tany Sri Lanka
Â
Oktobra 2015 : 90 taonina no tratra tao Mozambika ary, 1008 taonina tao Hong Kong.
Â
Nicole Andrianarivoson teny Iavoloha, ny 8 Janoary 2016
Â
Maro anefa no tsy voara-maso... Marihina fa taminâny volana Desambra 2015 dia nisy andramena tratra tao aminâny seranatsambonâi Toliara ary nahavoaraoka ny Tale jeneralinâny Rano sy ny Ala kanefa i Ramatoa Nicole Andrianarivoson no voatondra fa anisanâny mahatonga io trafikina andramena io (ETO). Fa hatreto aloha dia nangina (na gina, asa?) tanteraka ingahy filoha Rajaonarimampianina. Ao raha...
Jeannot Ramambazafy - 14 Janoary 2016