]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara. Ny zava-doza haterak’ireo Lalampifidianana fehizoro telo voavidy

Madagasikara. Ny zava-doza haterak’ireo Lalampifidianana fehizoro telo voavidy

FIFIDIANANA ETO MADAGASIKARA

Lany tsy nasiam-panovàna teny amin’ny Antenimierandoholona ihany koa ireo volavolan-dalàna fehizoro mikasika ny fifidianana ary nijanona tamin’ny endriny nandanian’ny Antanimierampirenana azy dia ny volavolan-dalàna fehizoro laharana faha-05/2018 momba ny fepetra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapakevibahoaka, volavolan-dalana fehizoro laharana faha-06/2018 mahakasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ary volavolan-dalàna fehizoro faha-07/2018 mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka izay nanindrahindran’ny governementa fa "fandresen’ny demokrasia".

Tsy hamerina an-tsipiriany ny volavolan-dalàna izahay fa hisintonana ny sain’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny HCC (Fitsarana Avo momban'ny Lalampanorenena) ny amin’ny fahitanay ny tsy tokony hanekena io volavolan-dalàna io izay mifanohitra amin’ny lalampanorenena sy ny lalàna velona. Ao amin’ny lalàmpanorenana dia ny fiarovana ny zo sy ny fahafahana no faratampony vao manaraka ny fisarahan’ny fahefana:

- Fahefana mpanatanteraka: (Filoha, governementa)

- Fahefana mpanao lalana: (ny Antenimiera roa tonta)

- Ny fitsarana sy ny olom-pirenena

Ireo voatanisa ireo no tanjon’ny lalàmpanorenana. Anisan’ny antom-pisian’ny HCC dia hiaro toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana mba tsy ho voahitsakitsaka ka hanafoana ireo lalàna izay tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Fa ny mpitondra fanjakana sy ny fitsarana dia tokony hanaja sy hanao izay hanajàna ny zo fototry ny Malagasy izay hita fa voahitsakitsaka ankehitriny ka mampametram-panontaniana ny nandanian’ny Antenimiera roa tonta ireo lalàna ireo.

Tsy misy fanajàna ny zo sy ny fahafan’ireo mpifidy raha toa ka ao ambadik’ireto lalàna ireto, misy kandida tiana hailika, ary tsy mpifidy iray fa an-tapitrisa angamba no hotampenan-mbava anefa ny tanjona dia fifidianana mangarahara manome vahana ny safidim-bahoaka.

- Mazava ao amin’ ny lalàmpanorenana fa ny fandaminana sy ny fitantanana ny raharaha rehetra momban’ny fifidianana dia ankinina amin’ny rafitra mahaleo tena iray eto amin’ny firenena dia natao andraikitry ny CENI izany anefa salovanin’ny governementa ny andraikitry ny Ceni; nahoana no tsy natolotra mialoha nandritra herin-taona niasàn’i CENI fa an-kamehana vao nampidirina?

- Fohy loatra ny fotoana hanaovana ny fampielezan-kevitra dia ahoana ny momban’ireo efa manao izany na ireo manao sarintsarin’ny fampielezan-kevitra ankehitriny ary ho an’ny sasany mety ampiasainy ny fitaovan-mpanjakàna sy ny fampisehoana ny zava-bita hanintonana ny safidim-bahoaka?

- Fampielezan-kevitra fihodinana faharoa: fohy loatra ny fe-potoana (7 andro) amin’ny fanotana sy fandefasana ary fanampariahana ny fitaovam-pifidianana any amin’ny biraom-pifidianana.

- Araka ny andininy faha-125: ny lalàna 05/2018 dia noferana ho 700 ny isan’ny mpifidy isaky ny birao fifidianana ao amin’ny fokontany. Ny olana dia ny fitadiavana ireo mpikambana handrafitra ny biraom-pifidianana.

- Ny antotan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fifidianana dia tokony hitovy ho an’ny mpilatsaka hofidiana rehetra (filoham-pirenena, solombavambahoaka...).

- Ny fahazoan’ny mpilatsaka ho fidiana (indépendant) dia mifanohitra amin’ny andininy faha-72 n’ny lalampanorenena izay mamaritra ny “mandat impératif”.

- Ao amin’ny lalampanorenana andininy faha-10 sy faha-37 dia mamaritra ny fahafahana malalaka maneho hevitra sy ny zon’ny olona mandray ny fanehoan-kevitra malalaka, ny hita ao anaty lalampifidianana, dia manana anjara lehibe ny “Autorité Nationale de Régulation de la Communication” (ANRC) hatramin’ny fanaraha-mason’ny teny ataon’ny kandida, fanasaziana ny haino aman-jery, fandrindrana ny ora handraisan’ny kandida izay tokony anjara andraikitry ny Ceni fa fifidianana no resahina. Miisa 11 ny mpikambana mandrafitra azy ary maro an’isa ny olom-panjakana (03 ny avy amin’ny haino aman-jery tsy miankina).

- Andininy faha-156: voalaza fa tsy maintsy soratra "X" na peta-tondro no atao manandrify ny safidy ao amin’ny Bileta tokana fa raha tsy izany dia lasa VATO MATY. Midika izany fa famerezan-jo ANKOLAKA ny Malagasy, izay maro no tsy mahita ity lalàna ity ary na mahita aza tsy hahay mamaky izany, izay mifanipaka amin’ny zo fototra voarakitra ao anaty lalampanorenana.

- Andininy 149, dimy andro ny fepotoana farany tsy maintsy hahatongavan'ny vokatra eo anivon’ny SRMV, raha tsy izany dia tsy ho raisina intsony ny vokatra. Fanasaziana tsotra izao ny mpifidy izany ary fanosihosena ny zo fototra.

Manao antso avo amin’ny mpikambana ao anivon’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenena izahay: fantatra fa nanao fianianana fa hitandro ny lalampanorenana toy ny anakandriamaso sy ny lalana manankery ary ny fotokevi-dehibe izay raiketiny ianareo. Ireo no hany hibaiko, amin’ny saina tony, ny didy havoaka manaja ny fahamarinana.

Antananarivo, faha-13 avrily 2018

Hoy: Madeleine Ramaholimihaso, Dr Bruno Rakotoarison, Général Ramakavelo, Arlette Ramaroson, Holijaona Raboanarijaona, Hery Ranaivosoa, Andoniaina Andriamalazaray, Emerentienne Ratsimbazafy, Charles Rakotonirina, Saraha Rabeharisoa, Andry Ranivoarison

Mis à jour ( Dimanche, 15 Avril 2018 11:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024