]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Frantsa. Niarahaba ny Filoha Andry Rajoelina ny Filoha Emmanuel Macron

Frantsa. Niarahaba ny Filoha Andry Rajoelina ny Filoha Emmanuel Macron

Ny Filohan’ny Repoblika

Parisy, faha 14 janoary 2019

Ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena,

Amin’ny anarako manokana sy amin’ny anaran’ny vahoaka frantsay manontolo dia faly miarahaba anao ny tenako amin’izao nahavoafidy anao ho filoham-pirenena izao. Amin’io safidy io, ny vahoaka Malagasy dia nampisongadina mazava tsara ny fanantenana napetrany taminao.

Tsapako ny hagoavan’ny fanamby izay tsy maintsy hatrehan’i Madagasikara mandritra ny taona maro ho avy, mba hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena ary hamongorana ny fahantrana. Tiako ny hanamafy ny fanohanan’i Frantsa, izay mpiara-miombon’antoka ara-tantara, mpifanolo-bodirindrina ary naman’i Madagasikara, amin’ny fanavaozana izay hataonao mba hahatratrarana ireo tanjona ireo. Matokia ianao fa manana finiavana ny tenako hanamafy ny fifandraisantsika ara-politika, fa koa ny lafiny ara-toekarena sy ara-kolontsaina, izay mifototra amin’ny fifandraisana mafy orina ara-tantara sy ara –olombelona.

Misaotra betsaka amin’ny fanasana ny tenako hanatrika ny lanonam-pianianana izay hatao any Antananarivo ny 19 Janoary ho avy izao . Saingy tsy afaka manatrika izany ny tenako. Ny Sekreteram-panjakana ao amin’ny Minisitry ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, Atoa Jean-Baptiste LEMOYNE, no hisolo tena ahy mandritra ny lanona. Ny tenako kosa dia faly handray anao aty Parisy, hanamafy sy hanome aina vaovao ny fiaraha-miasa antsika.

Mamerina ny fiarahabana feno atolotro ho anao Andriamatoa Filoham-pirenena, sy ny firariantsoa fahombiazana amin’izay rehetra atao ./.

Emmanuel MACRON

Son Excellence Andriamatoa Andry RAJOELINA

Filoha voafidin’ny Repoblikan’i Madagasikara

Antananarivo

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)