]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mialy Rajoelina. Nahazo sehatra ao amin'ny gazety boky “Jeune Afrique”

Mialy Rajoelina. Nahazo sehatra ao amin'ny gazety boky “Jeune Afrique”

Ramatoa Mialy Rajoelina sy Andriamatoa Constant-Serge Bounda, solontena maharitry ny FNUAP eto Madagasikara

Tsy dia fahita loatra izany hoe vadina filoham-pirenena malagasy nomena sehatra na “Tribune” ao anatina gazety boky ivelan'ny firenena. Nataon'ny “Jeune Afrique” -izay niasan'ny namana Sennen Andriamirado- anefa izany, tamin'i Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny Filoham-pirenena malagasy. Izany hoe izy mihitsy no nanoratra ilay lahatsoratra fa tsy nisy fanontaniana avy amina mpanao gazety velively.

Mazava izany fa avy any aminy ny alàlana -na tsia- ny hamohana azy amina sehatra hafa, na handikana azy amin'ny teny malagasy. Izay no nataoko adidy satria reharehan-tsika Malagasy rehetra ny manana “Première Dame” tsy misorona mandray andraikitra toa azy. Indrindra eo amin'ny sehatry ny fiarovany ny vehivavy eo amin'ny lafiny maro, ary koa ny fiadiany amin'ny fanambadiana aloha lohatra na alohan'ny fotoana. Izany hoe vehivavy tsy ampy taona, na bevohoka ka voatery manam-bady na koa teren'ny ray aman-dreniny hanambady mihitsy noho ny antony ara-bola matetika dia matetika.

Ity manaraka ity ary ny dika malalaka an'ilay lahatsoratra nosoratan'i Ramatoa Mialy Rajoelina.

Jeannot Ramambazafy

*******************


Mandalo amin’ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy ny fandrosoan’ny Afrika

10 Septambra 2019 amin’ny 05: 07 ora hariva Nosorantan’i Mialy Rajoelina, Vadin’ny filoham-pirenena malagasy, masoivohon’ny FNUAP ary mpamorona ny fikambanana Fitia.

Eto Afrika, mihoatra ny toerana hafa rehetra, dia mbola miankin-doha amin’ny lehilahy mazàna ny vehivavy. Kanefa ny fizakan-tena be be kokoa dia hanampy azy ireo ho tanteraka ka ahazoan’izy ireo ny toerany manokana eo amin’ny fampandrosoana ara-ekonomika ny kaontinanta.

Amin’izao fotoanan'ny firoboroboan’ny kabary sy tetikasa momba ny fampandrosoana an’i Afrika izao, ny fanontaniana laharam-pahamehana tokony tsy maintsy valiana dia ny fiarovana sy ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy. Tsy misy fandrosoana ara-ekonomika, ara-tsosialy, sy ro amin’ny lafiny maha-olombelona ho vanona raha tsy mivoatra aingana ny toe-draharaha misy ankehitriny, izay feno herisetra sy tsindry hazo lena. Ary tsy misy afa-tsy ny vehivavy no afaka manosika izany fiovana fomba fijery sy fisainana izany.

Mihoatra ny vehivavy efatra amin'ny folo no manambady alohan’ny faha-18 taonany

Andeha aloha hifanaraka tsara isika amin’ny tena atao hoe « herisetra ». Ankoatra ny herisetra ara-batana sy ara-panananahana, dia tafiditra ao anatin'izany koa ny fanambadiana aloha loatra na mialohan'ny fotoana, ny tsy fahafahana mandeha an-sekoly, ny tsy fandrosoana arak'asa na amin’ny fiainam-pianakaviana nosafidiana malalaka sy mampivelatra. Ireny herisetra feno habibiana ireny no manakana ny fahafahantsika handroso eto amin’ny kaontinanta. Mampihorohoro ny tarehimarika: eran-tany dia 35% ny vehivavy no mizàka, teo amin’ny fiainany, herisetra ara-batana na ara-pananahana. Any Afrika andrefana sy afovoany, mihoatra ny vehivavy efatra amin’ny folo no manambady alohan’ny faha-18 taonany. Izany dia manafohy ny fotoana hafahany mianatra, manakana azy ihany koa hivelatra eo amin’ny fiaraha-monina sy ny mba hanany asa. Ary farany, 71% ny olona ahondrana antsokosoko dia vehivavy avokoa.

Izany herisetra izany dia mamehy ny fandrosoana ara-ekonomikan’ny tokan-trano, misakana ny vehivavy hamorona, hitrandraka ary hiasa ka hitaiza tsara sy amin'ny ara-dalàna ny zanany. Fatiantoka be izany ho an'ny kaontinantantsika, nefa dia ny olombelona monina ao aminy no tena tokony ho loharanon-karena voalohany indrindra, fanoitry ny fampandrosoana!

Manana adidy mafonja sy manan-danja isika mba hanefy ny zana-tsika ho tonga olon-dehibe vanona

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena ny volana desambra 2018, tsy latsaky ny 55,4 milliara euros ny vola very eto amin’ny kaontinanta noho ny fanambadiana aloha loatra sy ny fialàna an-tsekoly. Ny mariazy aloha loatra mantsy dia mampiditra ny ankizy vavy anatin’ny kizo tsy misy fivoahana ho azy intsony. Ny mariazy aloha loatra dia manalavitra ny ankizy vavy amin’ny sekoly ary mahatonga azy ho reny aloha loatra. Manginy fotsiny ny voka-dratsy aterak'izany eo amin’ny fahasalamany sy ny zaza aterany.

Vehivavy malagasy velom-panantenana

Eto Afrika, mihoatra ny toerana hafa rehetra, dia mbola miankin-doha amin’ny lehilahy mazàna ny vehivavy. Nefa kosa, ny fizakan-tena be be kokoa dia hanampy azy ireo ho tanteraka ka ahazoan’izy ireo ny toerany eo amin’ny fampandrosoana ara-ekonomika ny kaontinanta.

 

Adidintsika vehivavy ny miady amin’ny herisetra !

Anisan’ny fototra manimba ny fiaraha-monina ny kolotsaina sy ny fomba nilaozan'ny toetr'andro izay mampiroborobo ny fanavakavahana sy ny fanomezan-danja bebe kokoa, na be loatra mihitsy aza, ny lahy mihoatra ny vavy.

Mila sorohina avy any amin’ny fakany izany foto-pisainana mandoza izany, ka ny fanabeazana, ny fampianarana sy ny fampandraisana andraikitra ny rehetra no vahaolana mahomby indrindra. Ny vehivavy dia manana anjara biriky manan-danja amin’izany tolona izany. Ary izany indrindra no antom-pisian’ny fikambanana “Fitia” izay manampy ny olona marefo eto Madagasikara. Anisan’ny tolona atrehinay, mazava loatra, ny ady amin’ny herisetra izay mahakasika ny vehivavy sy ny ankizy vavy malagasy.

Ankoatra ny fampandraisana andraikitra ny hery velona rehetra eo amin'ireo lafiny ireo, dia manolotra ihany koa izahay ivo-toerana handraisana ireo niharam-boina. Tamin’ny fiandohan’ny volana Jolay 2019, niaraka tamin’ny FNUAP, izay voninahitra ho ahy no misolo tena azy amin’ny maha-Ambasadaoro ahy, dia nametraka “Borigady Polisy vehivavy” anankiroa izahay eo amin’ny manodidina an’Antananarivo sy any amin’ny faritany anankiray any atsimon’ny Nosy. Ireo borigady ireo no nofanina handray an-tànana ireo niharam-boina avy amin’ireo herisetra mety nahazo azy ireo.

Manana adidy mafonja sy manan-danja isika mba hanefy ny zana-tsika ho tonga olon-dehibe vanona. Adidin-tsika ny mampahatsiahy an’ireo zana-tsika fa tsy fitaratra faka-tahaka velively ny herisetra ary tokony hanana ny heviny sy ny tanjony manokana izy ireo.

Tsy maintsy mianatra daholo alohan’ny faha-18 taona

Hafahana mandroso, dia mila mandray fepetra entitra mivaingana izay azo tanterahina haingana. Voalohany aloha, dia atao izay tsy maintsy hampidirana an-tsekoly ny ankizy 18 taona no midina rehetra ary arahina maso ny fianakaviana tsirairay amin’ny tsy fandikàna io fepetra io ho an’ireo ankizy vavy izay matetika mandray ho fandaniana andro ny fandehanany an-tsekoly. Manoloana ny fomban-drazana, izay matetika manome lanja ny lehilahy eto Afrika, dia mila mandany lalàna manokana hiadiana amin'ny herisetra. Eto Madagasikara, dia nanomboka nanao fifanarahana tamin’ny ministera mahefa sy ireo mpiara-miombon’antoka izahay, ka hisy lalàna hivoaka tsy ho ela ho entina dinihina eny amin’ny Antenimierampirenena. Mila haverina ihany koa ny fahatokisan-tenan’ny vehivavy ary amporisihina izy eo amin'ny fandraisana andraikitra hamoronany asa.

Eo amin’ny kihon-dalan’ny Tantaran'ny kaontinanta Afrikana

Farany, maninona moa no tsy amporisihina ny orinasa hampiasa vehivavy ? Tsy ny talenta no tsy misy ary hahazo vokatsoa amin’izany ny rafitra ara-ekonomika rehetra, indrindra ny orinasa madinika. Eo anatrehan’ny fiovana ara-ekonomika, ara-tsosialy, eo amin'ny maha-olona ary sy kolotsaina, dia eo amin’ny kihondalan’ny Tantarany ny kaontinanta Afrikana. Ndeha isika hifanome tànana hiaro ny vehivavy sy hanampy azy ireo amin’ny fivelarany. Miankina amin’izany ny hoavintsika sy ny an'ireo zanantsika./.

Mialy Rajoelina

Mis à jour ( Samedi, 14 Septembre 2019 04:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024