Lapan'ny Fanatanjahantena, Mahamasina, 25 Novambra 2019. Isan-taona dia natokan'ny Firenena mikambana ho âAndro Volomboasaryâ na âOrange Dayâ ny 25 Novambra. Izany dia fotoana natokana iadivana amin'ny erisetra isan-karazany mianjady amin'ireo vehivavy. Ity manaraka ity ny kabarin'ny vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina, izay Ambasadaoron'ny FNUAP eo amin'ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy na maha vavy na ny mira lenta.
Â
Ramatoa vadinâny Praiministra Lehibenâny Governemanta,
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana aminâny Governemanta,
Ianareo vadina Ministra,
Mesdames et Messieurs les Membres du Corps diplomatique,
Ianareo namana sy mpiara-miombonâantoka,
Ianareo olomanan-kaja maro manatrika etoana,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Â
Hafaliana lehibe ho ahy ny miarahaba sy mifankahita aminareo eto androany. Nahafoy fotoana ianareo, namaly ny fanasana ka tonga marobe eto aminâity toerana ity.
Fotoan-dehibe ny andro androany satria Anio 25 Novambra dia manana ny lanjany manokana. Antsoina ihany koa hoe âOrange dayâ, andro natokanâny Firenena Mikambana ho « Andro iraisam-pirenenena ho aminâny famongorana ny herisetra atao aminâny vehivavy ». âOrange dayâ, ny loko âorangeâ na ny volomboasary no loko ofisialy aminâity hetsika ity ary natao ho marika famantarana ny hoavy mamiratra sy ny tontolo ara-drariny tsy misy herisetra mihatra aminâny vehivavy sy ny ankizy vavy.
Zava-dehibe sy mavesa-danja loatra ny fanokanana andro iraisam-pirenena toy izao. Raisiko ho fandraisana andraikitra lehibe izany satria tena mendrika eto aminâny Firenentsika.
Kanefa, heveriko fa ny andro iray ao anatinâny taona dia tsy ho ampy. Tsy ho ampy satria isanâandro isika no mila mientana, aminâny andavanandrom-piainana isika no mila miady sy manohitra ny herisetra izay hita fa mbola mihatra eo anivonâny fiarahamonina misy antsika.
Lohahevitra mandona ny foko manokana ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy ka nijoroako hatraminâizay ary mbola hijoroako eto androany manoloana anareo. Ary raha mbola hita sy hiainana ny herisetra mihatra aminâny vehivavy eo anivonâny fiarahamonina dia mbola ho hitanareo ihany koa aho hijoro, hiady sy hanohitra anâizany.
Loza mikiky ny fiarahamonina misy antsika rehetra ny herisetra. Ka antony nandraisako andraikitra satria vehivavy aho, vady, reny ary efa mba avy ankizy ihany koa. Maharary ahy loatra ny fisianâizany toe-javatra mamohehitra izany. Raha ny ara-tantara no jerena dia ao ireo kolontsaina mametraka ny vehivavy tsy mba ho tompo-tsafidy aminâny lafim-piainanana maro. Misy koa ireo fomba fisainana entina mihevitra ny vehivavy ho toy ny fanaka ao an-tokantrano. Ao ny fanaovana ny vehivavy toy ny entam-barotra mihitsy aza aminâny alalanâny fanondranana azy ireo an-tsokosoko. Ao ny fikasihan-tanana izay miafara aminâny famoizana aina mihitsy aza.
Maneran-tany dia 650 tapitrisa ireo vehivavy noterena hanambady na dia mbola tsy ampy taona aza, mbola maro ireo ankizy vavy iharanâizany ka tsy afaka manohy fianarana fa voageja ao an-trano. Toe-javatra hita sy hiainana koa eto aminâny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy izany.
Marihiko hatrany fa ny vehivavy dia manana ny zo feno aminâny maha-olom-pirenena azy, manana ny hasiny manokana aminâny maha renim-pianakaviana azy, manana saina, hai-tao, hai-raha handray anjarara aminâny fampandrosoana maharitra ny Firenena ny vehivavy. Tsy misy afaka hilaza fa miaina ao anatinâny fiaraha-monina anjakanâny rariny sy ny mira lenta raha mbola manjaka ny herisetra izay atao aminâny vehivavy. Ary mino aho fa tsy misy fampandrosoana tena izy raha tsy mandray anjara feno ao anatinâizany isika vehivavy.
Mitodika aminareo rehetra manatrika eto aho androany, mitodika aminâireo renim-pianakaviana rehetra, aminâireo vehivavy mpiray tanindrazana tsy ankanavaka manerana ny Nosy. Ny herisetra dia tsy mifidy saranga, tsy mifidy taona ary marolafy ny endrika hisehoany. Voakasika aminâizany avokoa isika rehetra, na lahy na vavy, na kely na lehibe.
Ho anao izay mahafantatra na mahita olona miaina ao anatinâny herisetra dia manana adidy aminâizy ireny ianao, tsy tokony hipetraka hitazam-potsiny, hihevitra fa tsy anjarantsika ny mihetsika rehefa sendranâny toe-javatra toy izany.
Tsapako fa tsy mora izany, mety eo ny tahotra : inona no azoko atao ? Sao dia manahirana fa fiainanâolona ? Mahasadaikatra na dia atao hoe olona akiaky ny tena aza.
Tsarovy anefa fa isika izay mijoro sy manolo-tanana anâireny olona ireny no afaka manova zavatra.
Raisintsika ny ohatra : Inona no azonao atao manoloana ny vehivavy iray tonga mizara aminao ny herisetra manjo azy ?
Ny zava-dehibe voalohany dia ny mampafantatra azy fa mino azy ianao, mino izay tantarainy aminao. Maro dia maro mantsy ireo vehivavy mangina satria menatra ary mihevitra izy ireo fa tsy hisy hino raha mizara ny herisetra iainany andavanandro. Ataovy tsapany fa eo ianao hiaino azy fa tsy sanatria akory hitsara azy. Olona mila tohanana izy, olona mila fankaherezana. Ampahafantaro azy fa tsy misy toe-javatra afaka manome rariny ny herisetra sy ny fikasian-tanana. Ambarao azy ombieny ombieny fa tsy misy nateraka hiharanâny herisetra. Efa misy ihany koa izao ny laharana maitso azo antsoina vonjy rehefa sendranâny herisetra dia ny 813 na 147.
Misy ny lalĂ na velona mifehy izany isaky ny tany sy ny Fanjakana, ka anisan'izany ny lalĂ na manokana izay novolavolain'ireo teknisiana sy mahay lalĂ na ary handalo tsy ho ela eo anivon'ny Antenimiera roa tonta.
Fihetsika tsotra fa mety hanova zavatra izany. Fihetsika maneho ny tsy fanekena ny anjakanâny herisetra, fihetsika tokony anantsika rehetra satria isika rehetra no handray andraikitra sy hijoro, hiady aminâity trangam-piarahamonina ity. Arakâizay tandrify ny tsirairay mba tsy ho re, tsy ho re intsony fa misy any vehivavy toa ahy sy ianao mizaka izany herisetra izany isaky ny andavananâandrom-piainany.
Fito volana izao no nosafidiananâny UNFPA ho Masoivohonâny ady aminâny herisetra sy ny fampanambadiana ny ankizy eto Madagasikara ny tenako. Tao anatinâizay fotoana izay dia niara nientana taminâny Fikambanana Fitia hatrany ireo mpiara-miasa maro. Ka eto aho dia manolotra fisaorana anareo rehetra taminâny fifanomezan-tanana an-kitsipo : ny UNFPA, ny Ministeranâny Filaminam-bahoaka sy ny Brigade FĂ©minine de ProximitĂ© (BFP); ny Ministeranâny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy; ny Ministeranâny Fitsarana sy ny sampana manokana eo anivonâny Fitsarana Antananarivo izay mikirakira ny ady aminâny herisetra; ireo rehetra nifarimbona taminâny famolavolana ny lalĂ na manokana entina manenjika sy manasazy ireo tomponâantoka aminâny herisetra; ireo fiarahamonim-pirenena sy Fikambanana maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany; ary ianareo olon-tsotra tsara sitrapo samihafa.
Ho fanamarihana ny andro anio dia apetraka ny ivontoerana voatokana na « Centre spĂ©cialisĂ© ». Araka ny maha-ivontoerana azy, dia hisokatra ho anâny rehetra ity toerana ity ahafahana mametraka fitarainana sy fitorohana. Toerana hahafahanâireo olona ianjadianâny herisetra mamboraka ny alahelony ao anatinâny tsiambaratelo tanteraka, hahazoany fatosikan-tena, hahatsapany fa misy mihaino izy, ary indrindra ahafahany manao dingana manoloana ny herisetra izay niotrika tao anatiny, na ara-tsaina na ara-batana. Misy ny « salle dâĂ©coute » voatokana ho anâizany. Ny « Centre spĂ©cialisĂ© » dia mijoro ihany koa hiaro azy ireo, hampahafantatra ny zony. Misy ny birao ho anâny mpisolo-vava sy ny BFP. Misy ny fandraisana an-tanana ara-psikolojika sy ara-tsosialy, fizahana ara-pahasalamana ho anâny reny sy ny zaza, fandraisana vonjimaika ireo hiharanâny vono sy ny ratra ary misy ihany koa ny toeram-piofanana eto aminâity « Centre » ity. Natao izany mba hanorona lalana sy hanomezana azy ireo fahatokisan-tena sy fahafahana hiverina eo anivonâny fiarahamonina.
Maro ireo Fikambanana, sy ireo mpandray anjara, mpiantsehatra mavitrika eo anivonâny fiarahamonina aminâny fanampiana ara-tsosialy isan-karazany. Ny fahatongavanareo eto androany dia porofo mivaingana fa lohahevitra mandona ny fonareo ihany koa ny fiadina aminâny herisetra. Ka mamerina ny fisaorana anareo tonga marobe eto androany.
Afaka mandray anjara mavitrika aminâny fanomezana fampiofanana eto aminâity «Centre spĂ©cialisé» ity ianareo.
Ary anio dia am-pifaliana lehibe no andraisako anareo hifampizara sy hifanoro hevitra, mba ampafantatra ihany koa ny hetsika rehetra izay ataonareo.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mbola ho lavitra ny lalana, mbola maro ny dingana miandry. Hoy ny vadiko izay hoe: â raha izahay irery no mihazakazaka dia mandeha haingana fa raha isika rehetra no miara-mientana dia handeha lavitra â. Afaka manova ny tantara isika, andao hifanome tanana, hiaraka hibanjina ho avy mamiratra ho anâny zanantsika vavy, ahafahanâizy ireo mivelatra ara-tsaina eo aminâny fiarahamonina.
Koa ndao Ă ry hiaraka hanoratra ny tantara isika.
Ary ho vohizintsika ny hoe : âMelohiko ny herisetraâ!
Mankasitraka Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy !