Eric Ratsimbazafy, mpanolotra mpikaroka MAE
*******************************************
Lahatenin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian nandritra ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy
ny fikaonan-doham-pirenena «Dinika Nosy Malagasy»
CCI Ivato – 09 desambra 2019
Tompokolahy sy tompokovavy,
Ny voalohan-teniko dia ny fitondrana ny fiarahabana sy fisaorana ho anareo rehetra, avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ary avy amin’ny tenako manokana ihany koa. Ny fahatongavanareo soa aman-tsara avy amin’ny lafy valon’ny Nosy ary ny fahavononana asehonareo ka andraisanareo anjara amin’ity fikaonan-doham-pirenena ity. “Dinika Nosy Malagasy, ampitao ny hevitrao”, izay tokoa no anton’izao fihaonantsika mandritra ny telo andro, manomboka anio izao. Zava-dehibe loatra ho antsika Malagasy ny fiombonana, fotoana hahafahantsika mampiseho izany firaisam-pirenena izany izao, izany hambopom-pirenena izany, izany fitiavan-tanindrazana izany, amin’ny alalan’ny hetsika fampivondronana ny herin-tsaina sy ny herim-po ao anatin’ny toe-panahy maha-Malagasy antsika. Ka fotoana izao, ny handrosoantsika maneran-tany fa tena firenena manana ny maha izy azy tokoa i Madagasikara mamintsika.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Ekena fa maro ireo dingana efa natao hamerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy Malagasy manodidina ireo, tao anatin’izany fotoana lavalava, taona maro niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izay.
Miavaka mihitsy anefa ny anio, satria sambany teo amin’ny tantaran’ny firenentsika no misy fotoana natokana toy izao, hampivondronana ny olom-pirenena tsy vaky volo sy ny hery velona tsy ankanavaka mba handinika, hikaon-doha, ny amin’ny ho avin’ireo Nosy Malagasy ireo. Izany no isaorako eram-po, eran-tsaina anareo rehetra tonga maro manatrika etoana anio satria hanoratra tantara vaovao isika eto anivon’ity firenena iombonana ity, amin’ny alalan’ny fandraisan’anjarantsika mavitrika amin’ity Dinika Nosy Malagsy ity. Ka izany dia ho fanohitra lehibe entintsika Malagasy mijoro sy miady ny mba hamerenana ny fiandrianam-pirenentsika amin’ny Nosy Sambatra, Nosy Kely, Nosy Bedimaky ary Nosy Ampela.
Izany tokoa ry Malagasy havako, no anaran’ireo Nosy efatra ireo, fa tsy ireo anarana vahiny niantsoana azy hatramin’izao hoe Ile Glorieuse, Juan de Nova, Bassas da India ary Europa. Izany dia efa manambara sahady ny soritra nisian’ny Malagasy nonina na nivelona tamin’ireo Nosy ireo nandritra ny taona maro.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Miara-mahalala isika, fa misy ratra mbola tsy sitrana, ary misy fery tsy mbola mikatona vokatry ny fanjanahan-tany. Ao anatin’izany ny famonoana Malagasy maro dia maro nanerana ny Nosy tamin’ny taona 1947. Anisan’izany ihany koa ny fitanan’ny firenena nanjanaka ireo Nosy manodidina ireo, ka hahatsapan’ny Malagasy fa mbola tsy to ny fiandrianam-pirenena ary tsy mbola tafaverina tanteraka ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Ankehitriny, ny fijoroantsika mitaky ny fiandrianam-pirenentsika amin’ireo Nosintsika ireo dia efa fanehoantsika mazava eo imason’izao tontolo izao, fa mbola tsy maty ary miredareda ato am-pontsika ny afom-pitiavan-tanindrazana. Ka isika taranaka aty aoriana dia manohy hasina ary mijoro hatrany amin’ny fanohizana ny tolona hamerenana tanteraka ny fahaleovantenan’ity Madagasikara tanindrazantsika ity.
Matoa misy izao dinika izao, dia satria mahatsiaro ny Malagasy fa mbola tsy feno ny fiandrianam-pirenena, satria, misy singam-pananana mbola voageja, satria mbola voaosiosy ny maha-izy azy.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Tafavory etoana isika manomboka anio, hanao jery todika ny lasa tsy fanadino, fa ho raisina ho lesona; handinika sy hibanjina kosa ny anio sy ny ankehitriny ary ny ho avin’ny taranaka Malagasy.
Raha nihaona tany Paris ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny Filohan’ny Repoblika Frantsay, Andriamatoa Emmanuel Macron, tamin’ny 29 Mai 2019, dia napahatsiahivin’ny Filoha Malagasy fa zava-dehibe loatra ho an’ny Malagasy ireo Nosy ireo.
Izay indrindra no nanapahana hevitra ny amin’ny hananganana vaomieran’asa iraisana. Tontosa teto Antananarivo, tamin’ny faha 18 Novambra 2019, ny fivoriana voalohany nataon’io vaomiera iraisana io. Taorian’io asam-baomiera io, dia nisy ny fanambarana niombonan’ny roa tonta, nosoniavina niaraka izany, ary samy niaiky ny roa tonta fa misy dia misy ny tsy fifanarahana mikasika ny fiandrianam-panjakana momba ireo Nosy ireo.
Ho antsika Malagasy manokana, ny petrak’olana lehibe dia lehibe, dia ny tsy fahatontosan’ny dingana rehetra ho fanafohanana ny fanjanahan-tany. Amin’ny lalà na iraisam-pirenena, toy ny fanapahan-kevitry ny firenena mikambana tamin’ny taona 1979 sy ny taona 1980, nitaky mazava ny amin’izany isika alohan’ny hiresahana zavatra hafa. Izany hoe ny famerenana ny fiandrianan’i Madagasikara amin’ireo Nosy Malagasy ireo dia mijanona ho vaindohan-draharaha tsy maintsy hitadiavam-bahaolana, alohan’ny fanolorana soson-kevitra mikasika ny resaka hafa, toy ny fampandrosoana ireo Nosy ireo. Na dia eo aza anefa ny tsy fitovian-kevitra dia mbola miara-manaiky ny roa tonta ny amin’ny tokony hanohizana ny fifampidinihana.
Tompokolahy sy tompokovavy,
Mazava amintsika izany izao, ny antony miavaka ary ny tanjona mavesa-danja napetraka ho tratrarin’ity Dinika ity. Efa nambara tamintsika teo ihany koa, ny rindran-damina amin’ny fandaharam-potoana hitondrana ny atrikasa, koa dia manantena ny fandraisan’anjaran’ny rehetra mavitrika satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ny teny filamatra nosafidiana nitondrana ny dinika dia manao hoe : “Nosy Malagasy harem-pirenena sy lova ho an’ny taranako”. Teny filamatra mifono fahendrena, sady maneho ny maha zava-dehibe ireo Nosy manodidina ireo amin’ny maha singan-tany Malagasy azy sy noho ny harena raiketiny eo amin’izy ireo tsirairay avy sy eo amin’ny fari-dranomasina manodidina azy ireo.
Koa dia mankahery antsika tsirairay ny tenako amin’ny dinik’asa, iaraha-mahalala fa lohahevitra efatra no hodinihana kanefa mifandray izy ireo satria mampivoitra hatrany ny maha-sarotiny ny Malagasy mba hamerenana ny fiandrianany amin’ireo Nosy ireo. Ka na dia eo aza ny hafanam-po sy ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia mahatoky ny fahaizantsika mizara hevitra am-pilaminana aho, ho lavitra ny bontolo, ho lavitry ny herisetra ka ilaina dia ilaina ny fanajana ny hevitry ny hafa. Izany no fomba hahafahantsika mifanakalo hevitra, manao ny fifandinihana, mandravona ny hevitra ho soniavina ary hanolotra fehin-kevitra mafonja ho an’ny Filohan’ny Repoblika ny alarobia ho avy izao, ho tonga eto amintsika tokoa izy amin’io fotoana lehibe io. Fantatsika ny fanamby lehibe miandry antsika amin’ny fanohizana ny resaka sy ny fandinihana amin’ny ankilany ny Frantsay, tsy atao masomena anefa fa vao maika hisikomponitra manoloana ny sakantsakana izay mety hitranga.
Hamaranako ny teniko, dia manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho an’ny rehetra amin’ny fanehoana ny fahavononana hiaraka, sy ho sarotiny hatrany amin’ny fananana iombonana. Mirary fahombiazana ho antsika jiaby ny tenako amin’ity Dinika izay atao ity, asehontsika amin’ny fotoana rehetra izany hambompom-pirenena izany mba hanafainganana ny firosoantsika amin’ny tena fampandrosoana ka hametrahantsika lova maharitra ho an’ny taranaka sy faramandimby.
Ambarako ary fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fikaonan-doham-pirenena Dinika Nosy Malagasy mandritra ny telo andro eto amin’ny CCI Ivato.
Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy
Christian Ntsay
Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta malagasy