COMMUNIQUE DE PRESSE
Déclaration de sinistre national
Suite au passage d'une circulation dépressionnaire dans le Canal de Mozambique, ayant provoqué des activités pluvio-orageuses intenses du 20 au 23 Janvier 2020 dernier, sept (07) régions ont été sévèrement frappées par des catastrophes énormes comme des inondations, éboulements de terrains, coupures de routes et rupture des digues, en l'occurrence les Sofia, Alaotra Mangoro, Boeny, Betsiboka, Melaky, Analamanga et Diana.
D'après le bilan provisoire dressé par le Bureau National de Gestion des Risques et Catastrophes (BNGRC) en fin de matinée, 21 décès, 20 disparitions et plus de 80.000 sinistrés ont été enregistrés dans ces sept régions les plus touchées.
Le Président de la République, le Premier Ministre et l'ensemble du Gouvernement tient à présenter leurs condoléances aux familles des victimes et à manifester leur compassion à l'endroit de tous les compatriotes sinistrés.
Une réunion d'urgence du Conseil National de Gestion des Risques et Catastrophes, dirigée par le Premier Ministre s'est tenue au Palais de Mahazoarivo en fin de matinée de ce vendredi, afin d'évaluer l'ampleur des dégâts et permettre au Président du Conseil National qui n'est autre que le Premier ministre lui-même de déclarer le sinistre national.
Selon les dispositions de la loi n°2015-031 du 12 février relative à la Politique Nationale de Gestion des Risques et Catastrophes, et celles de son décret d'application n°2019-1954 du 28 octobre 2019, un décret pris en Conseil du Gouvernement constate cette déclaration de sinistre national. Un Conseil du Gouvernement exceptionnel a ainsi eu lieu aujourd'hui même, en vue de l'adoption de ce décret. Le Gouvernement Malagasy fait appel à tous les acteurs nationaux et partenaires internationaux à venir en aide au peuple Malagasy pour les activités d'aide d'urgence, relèvement précoce, de réhabilitation et de reconstruction.
Par ailleurs, des actions de survol des régions touchées ont été menées dès hier même afin d'évaluer rapidement les besoins d'urgence. Par la suite, tentes, vivres, kits de traitement d'eau, médicaments et autres kits de survie ont ainsi été acheminés vers ces régions, tous les moyens de transport, tels que les hélicoptères, bateaux et camions ont été déployés pour que les aides d'urgence parviennent aux destinataires le plus rapidement possible.
Le Premier Ministre a donné instructions à plusieurs ministères concernés, pour que les routes nationales vitales aux activités économiques et sociales du pays, coupées ou risquant des coupures soient réhabilitées dans les meilleurs délais. Un contrôle strict des poids utiles des véhicules doit également être mené par la Gendarmerie sur ces axes routiers.
Enfin, le Premier Ministre a souligné l'importance cruciale d'une mission de vérification et de contrôle permanente que le ministère en charge du commerce doit mener dès à présent auprès des distributeurs de produits de première nécessité pour éviter toute activité de spéculation qui pourrait augmenter indûment les prix sur les marchés.
Le Chef du Gouvernement a insisté sur le renforcement du leadership national dans la gestion et la coordination unique de toutes les activités rentrant dans le cadre du sinistre national confiées au BNGRC.
Antananarivo, le 24 Janvier 2020
La Porte-parole du Gouvernement
Lalatiana ANDRIATONGARIVO
Ministre de la Communication et de la Culture
* * * * * * * * * * *
FAMPITAM-BAOVAO
Fanambarana voinam-pirenena "sinistre national"
Taorian'ny fandalovan'ny tangoron-drahona mitondra rotsak'orana matevina tao amin'ny Lakan-dranon'i Mozambika ny 20 ka hatramin'ny 23 Janoary 2020 lasa teo, dia nitondra takaitra mafy noho ny tondra-drano ny faritra fito (07) eto Madagasikara. Sofia, Alaotra Mangoro, Boeny, Betsiboka, Melaky, Analamanga ary Diana no tena niharam-pahavoazana mafy. Raha ny tarehimarika vonjimaika avy amin'ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC) androany maraina, dia tafakatra 21 no namoy ny ainy, 20 no mbola tsy hita popoka ary mihoatra ny 80.000 ireo traboina sy tsy manan-kialofana.
Ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan'ny Repoblika, ny Praiministra ary ny Governemanta iray manontolo dia mitondra ny teny fampiononana ho an'ireo mpiray tanindrazana nanana havana namoy ny ainy, ary mankahery ireo tra-boina rehetra tsy ankanavaka.
Manoloana izany indrindra dia nisy ny fivoriana maika nataon'ny Filan-kevim-pirenena momba ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (Conseil National de Gestion des Risques et Catastrophes) androany maraina teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo, nahafahan'ny Praiminisitra izay Filohan'ny Filan-kevim-pirenena, nanambara ny fisian'ny "voinam-pirenena" noho ny halehibeazan'ny fahavoazana nateraky ny natiora.
Araka ny voalazan'ny lalà na lf 2015-031 tamin'ny 12 Febroary 2016 mifehy ny Politikam-pirenana momba ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza, nasiana fampiharana tamin'ny alalan'ny didim-panjakana lf 2019-1954 tamin'ny 28 Oktobra 2019, dia mamoaka didim-panjakana ny Governemanta hanamafisana izany fanambarana voinam-pirenena na "sinistre national" izany. Nisy araka izany ny Filan-kevitry ny Governemanta manokana androany zoma atoandro nandraisana izay didim-panjakana izay.
Manao antso amin'ny vondron'olona sy fikambanana rehetra na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany noho izany ny Governemanta Malagasy mba hifanome tanana amin'ny fitondrana ny vonjy aina maika sy hiatrehana ny fanarenana tsy maintsy hatao.
Ankoatra izany dia efa nisy hatry ny omaly ny sidina natao tamin'ireo faritra traboina nahafahana nahafantatra ny filà na maika toy ny fialofana, sakafo, kojakojam-pianarana, fitaovana fanadiovana rano fisotro, fanafody sns... nandritra ny fivoriana notarihan'ny Praiministra ihany koa no nandrindrana niaraka tamin'ny BNGRC ny fanaparitahana haingana ireo filà na maika ireo any amin'ny distrika sy faritra traboina. Ampiasaina avokoa ireo fitaovana rehetra eo ampelatanana ahafahana manafaingana ny fanaterana ny fanampiana.
Mikasika ny lalam-pirenena tapaka na atahorana ho tapaka dia minisitera maromaro no miara-misalahy mba hanafainganana ny asa fanamboarana maika tsy maintsy atao, nanome toromarika mazava ny Praiministra mba hiasa andro aman'alina ireo orinasa hanao ny fanamboarana vonjy maika ka ho ao anatin'ny andro vitsivitsy dia hiverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizana amin'ireo lalam-pirenena tena iankinan'ny toekarem-pirenena sy ny fiainana ara-tsosialin'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Mila arahamaso koa ireo fiarabe mivezivezy amin'ireny lalam-pirenena ireny mba tsy hihoatra ny lanja feran'ny lalà na ka vao maika hampitera-doza hanapaka ny lalana koa.
Toromarika hafa ihany koa no nomen'ny Praiministra mba hanamafisana ny fanarahamaso ireo mpivarotra, tsy hanararaotra hampiakatra ny vidin'entana ilaina andavanandro amin'izao vanim-potoana izao. Ho hentitra ny minisitera tompon'andraikitra ka tsy handeferana izay mety ho endrika fanararaotana fa handraisana fepetra avy hatrany.
Ilaina hoy ny Lehiben'ny Governemanta ny hanamafisana ny fitarihana sy ny fandrindrana nasionaly izay iandraiketan'ny BNGRC amin'izao voinam-pirenena izao.
Antananarivo, 24 Janoary 2020
Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta
Lalatiana ANDRIATONGARIVO
Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina