TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 04 MARTSA 2020
I- FAMPAHAFANTARANA : FIFEHEZANA NY VALANâARETINA CORONAVIRUS :
Entitra ny Filoham-pirenena manoloana ny tokony hanamafisana hatrany ny fiarovana ny mpiray tanindrazana manoloana ny fihanaky ny « Coronavirus ».
TSY MAINTSY HAMAFISINA SY HAMPITOMBOINA IREO FEPETRA ENTINA NY MIARO NY MALAGASY SY NY FIRENENA MANOLOANA NY FIHANAKY NY VALANâARETINA CORONAVIRUS :
HO ANâI ATOA PRAIMINISITRA, LEHIBENâNY GOVERNEMNTA,
RAMATOA SY ATOA MINISITRA,
ATOA MINISITRA LEFITRA,
ATOA SEKRETERAM-PANJAKANA.
Antony : Fanamafisana ireo fepetra ho entina miaro ny Malagasy sy ny Firenena manoloana ny fihanaky ny Coronavirius
Araky ny nambaranâny OMS dia haingana ary mitombo be ny fihanaky ny Coronavirus sy ny fiantraikany maneran-tany. Isika eto Madagasikara dia mbola tsy tratranâity valan'aretina Coronavirus ity aminâizao fotoana izao; Saingy tokony ho mailo hatrany isika manoloana ny fihanaky izy ity, izay efa mahahenika firenena 73 manerantany ka ny 06 amin'izy ireo dia Afrikanina ahitana an'i Egypte, Algerie, Senegal , Nigeria, Tunise ary Maroc.
Maro ireo fepetra efa noraisin'ny Fanjakana izay niarahana niasa tamin'ny OMS sy ireo mpiara-miombonâantoka ara-bola sy ara-teknika, nefa ilaintsika ny fanamafisana sy fanarahana akaiky ny fivoaran'ity valanâaretina ity ary tsy maintsy hampiharina amin'ny fomba hentitra sy mahomby kokoa ireo fepetra rehetra raisintsika.
Nanaraka ireo fenitra napetraky ny OMS isika eto Madagasikara amin'ny fiatrehana ny Coronavirus satria efa misy ireo fitaovana napetraka manerana ireo seranampiaramanidina 8 sy seranatsambo 14 eto amintsika ary napanarahana ny fenitra takian'ny OMS ireo Hopitaly miisa 12 entina handray sy hanaraha-maso ireo tranga mampiahiahy sy ireo ahiana ho mety ho manana ny soritr'aretina. Ny fifanareserana aminâireo firenena efa hihanahan'âizy ity (Chine, Italie, CorĂ©e du Sud, Iran,... ) dia miankina betsaka amin'ny fivoaran'ny valanâaretina any amin'izy ireo.
Efa mipetraka ny rafi-pitantanana nasionaly entina miatrika ny Coronavirus saingy tokony hamafisina izany ary ny rehetra no tokony handray andraikitra manoloana izany. Ny minisitera rehetra dia tsy maintsy mandray anjara aminâireo lamina noraisina ary isika mpiray tanindrazana rehetra dia tokony hanaraka ireo rindrandamina napetraka.
Efa nohamafisina ny fanaraha-maso ireo sisin-tany manerana ny nosy. Tokony hampihatra tsisy fanavahana, na iza na iza, ireo fepetra noraisina aminâny fomba entitra ireo ny tomponâandraikitra mivantana rehetra, ary tokony hazavaina aminâny Malagasy iray manontolo amin'ny alĂ lan'ny karazan-tserasera rehetra izany mba tsy ahatompon-trano mihono ny vahoaka manoloana ny fizotry ny toe- draharaha.
Hamafisiko fa mila mitandrina hatrany isika, mba hisorohana ny mety ho olana aterak'ity aretina ity ary tokony hatao vaindohan-draharaha andavanandro ny fampahafantarana ny rehetra ny fepetra mifandraika amin'izany na eo amin'ny sehatra ara-toe-karena izany na ara-tsosialinâny firenena.
Ny fanjakana dia efa nametraka, miaraka amin'ny OMS sy ireo mpiara-miasa rehetra, ny lamina hoenti-miatrika ny Coronavirus fa Isika tsirairay avy kosa dia tokony mahafantatra ireo fiarovana sy hetsika rehetra tokony hatao manoloana izany.
Baiko no omeko ny Minisiteranâny fahasalam-bahoaka, izay miara-miasa aminâny OMS, ny Minisiteranâny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Toetrâandro, ny Minisiteranâny serasera sy ny Kolontsaina, ny Ministeranâny Filaminam-bahoaka mba hanao Rindrandamina mafonja hisianâny serasera mazava amin'ireo tsara ho fantatra manodidina ny Coronavirus sy ny fihetsika tokony atao mba hisorohana, sy hitandremana manoloana izany, ary tokony hipĂ ka aminâny malagasy rehetra sy ireo rehetra mipetraka eto Madagasikara izany.
Ny tanjona dia mba ho ny rehetra no miara-mandray anjara aminâny ady aminâny fihanakâity aretina ity izay ilaina ny fiaraha-mientatsika mianakavy.
Noho izany, Andriamatoa Praiminisitra, Ramatoa sy Atoa minisitra isany, Andriamatoa minisitra lefitra, Andriamatoa sekreteram-panjakana, aminâny sehatra iandraiketanâny tsirairay avy, ianareo dia tokony hanentana ireo mpiasa rehetra ao aminareo sy ny fianakavianâizy ireo avy mba ho mailo ary hiaraka hisoroka an'ity valanâaretina ity.
Mandrisika anareo ihany koa aho ny hanampy ireo tomponâandraikitra mivantana satria ny fiarovana sy ny ady aminâny Coronavirus dia isan'ny laharam- pahamehana eto aminâny tany sy ny firenena ankehitriny.
Antananarivo, faha 04 Martsa 2020
Andry RAJOELINA
Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara