Ry vahoaka malagasy,
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Am-pitiavana hatrany no itsidihiko ny tokan-tranonao amin’izao takaraiva izao. Roa volana katroka androany no nidiran’ny firenena tao anaty vanim-potoana manokana na ny famehana ara-pahasalamana, ilay antsoina hoe « Etat d’urgence sanitaire ». Tamin’ny faha roapolon’ny volana marsa tokoa mantsy no nahitana ny olona telo voalohany nitondra ny tsimok’aretina coronavirus teto amin’ny firenena, ary nandraisan-tsika ny fepetra fijanonan’ny tsirairay avy any an-trano izany sy ny fampiantona ny fivezivezena sy ny fivoriana rehetra.
Tao anatin’ny iray volana voalohany nidiran’ny valan’aretina teto amin’ny firenana sy nanomboana ny fampiarana ny fepetra, dia 117 ny isan'ny olona voan’ny coronavirus teto Madagasikara. Ary rehefa nanaja ny toro-marika rehetra isika dia voafehy ny fiparitahan’ny valan’aretina dia afaka niroso tamin’ny « déconfinement partiel » isika tamin’ny 17 aprily 2020. Ny « déconfinement » anefa dia mitaky ny fifehezan-tenan’ny tsirairay avy sy ny fitandremana toa ny anakandriamaso ny fahasalaman’ny rehetra ary, indrindra indrindra, mitaky fifampitokisana izany fampiarana ny « déconfinement » izany.
Tao anatin’ny herinandro roa voalohany, tamin’ity « déconfinement partiel » ity, dia nisy andro toa ny tamin’ny talata 2 May lasa teo, dia 135 ny olona voamarina fa voan’ny coronavirus teto Madagasikara. Ka ny 38 tamin’izy ireo sisa no notsaboina fa ny 97 kosa dia sitrana soa aman-tsara avokoa, 15 andro lasa izay.
Ny roa herinandro lasa farany teo kosa, noho ny tsy fitandremana, noho ny tsy fanajana ny fepetra isan-karazany, dia tafiakatra 283 indray no voamarina fa voan’ny coronavirus. Ary vao omaly sabotsy aza, dia 45 be izao ny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina ankehitriny.
Ary ny mampalahelo dia, indrisy fa nisy iray tamin’izy ireo, izay efa taiza ana aretina « diabète » sy aretim-po no namoy ny ainy. Rehefa niakatra mantsy ny tahan’ny « diabète » an’izy io dia nampidirina tao amin’ny Hopitaly Be tao Toamasina izy. Ary andro vitsy taty aoriana, rehefa nitranga ny soritr’aretina, nikohaka ary niakatra ny afanany dia natao fitiliana PCR izy ary voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus ary izao nidaosin’ny fahafatesana izao.
Izy dia isan’ireo « formes graves » voalaza tany Toamasina ary efa nampiasana ny « respirateur », nanaovana ny « protocoles » rehetra saingy tsy afaka kosa nomena ny Tambavy Organics noho ny toe-pahasalamany izay efa niasarotra. Izy no Malagasy lavo voalohany an’ity valan’aretina coronavirus ity teto an-tanindrazana. Koa ny tenako dia mitondra ny teny fampiononana sy fiombonana alahelo ho an’ny fianakaviany iray manontolo ary mankahery azy ireo, indrindra indrindra eo anatrehin’izao voina miatra izao.
Etsy andanin’izay dia olona 21 indray no voamarina androany fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus, ka ny enina dia monina ao Toamasina ihany ary ny 15 kosa dia avy any Toamasina ka tonga eto Antananarivo ary rehefa natao ny fitiliana dia izao voan’ny coronavirus izao.
Izao trangan-javatra izao indrindra no nahatonga ny tenako ho entitra amin’ny tsy maintsy hanarahana ny fepetra rehetra, mba tsy fisian’ny fifamezivezena amin’ny avy any amin’ny faritra miditra eto Antananarivo, na avy eto Antananarivo mankany amin’ny faritra izay misy an’ity valan’aretina ity, izay mety hampiakatra aingana dia aingana ity valan’aretina ity ny famezivezena, araka ny nolazaiko ombieny ombieny.
Satria, fantatrareo tsara fa zava-dehibe amiko loatra ny aina sy ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy. Mila mifampitaiza sy mitandrina isika rehetra ary samy mandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay avy. Na io ny olom-boafidy na ny olom-boatendry na ny vahoaka iray manontolo izay voakasika izany.
Satria efa nolazaiko ombieny ombieny fa mora mifindra ity tsimok’aretina ity. Mora miparitaka ity tsimok’aretina ity raha toa ka mitandrevaka isika mianakavy. Isika anefa dia efa nahita ilay fanefitra. Ny olona rehetra maneran-tany ankehitriny, fa indrindra aty Afrika, dia miazakazaka, milahatra ny aka sy hisotro ny anjarany mba ho entina arovana ny tenany mba tsy ho tratran’ity valan’aretina ity. Ary efa miaiky ny zava-tsoa entin’ny Artemisia arovana ny vatan’olombelona ireo profesora rehetra maneran-tany mba ahafahana hitsaboina ary hiarovana ny tenan-tsika tsirairay avy.
Firenena maro, ankehitriny, no miroso amin’ny fikaroana sy ny andrana amin’ny Artemisia. Ary ny ankamaroan’ny mpikaroka maneran-tany dia manaraka ny lalana nosoritan-tsika ankehitriny. Ary tokony ho reharehan-tsika Malagasy izany. Koa tsy hisasatra hiteny aho fa tokony arovan-tsika ny tenan-tsika, ny fianakavian-tsika ary ny mpiara-belona amintsika amin’ny tokony hisotron-tsika an’ity Tambavy Covid-Organics ity.
Mba tsy hisiany intsony ny fanomezan-tsiny fa indrindra tsy hisiany intsony ny aina afoy eto amin’ny firenena. Voamarika ihany koa izao fa ireo olona vaovao rehetra tratry ny coronavirus dia tsy nisotro ny Tambavy CVO avokoa. Na dia efa nozaraina maimaim-poana aza izany teny anivon’ny fokontany rehetra manerana ireo faritra telo eto Madagasikara (Ttf : Analamanga, Matsiatra Ambony, Atsinanana).
Araka ny efa nolazaiko ombieny ombieny, dia ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay avy, ny fifehezan-tenanao no afahanao miaro ny tenanao sy miaro ny afa ihany koa. Efa nilaza ny tenako fa mbola tsy vita ny ady amin’ity covid-19 ity. Kanefa, mbola tsikaritra fa nisy ny gaboraraka teo amin’ny fanajana sy ny fanatanterahana ny fepetra rehetra izay napetra-tsika.
Ohatra amin’izany izao ny tranga any Toamasina. Efa fantatra fa nisy « cas contacts » maro tao amin’ny orinasa Ambatovy ary nomena toro-marika entitra sy mazava ny tompon’andraikitra rehetra, izay efa napetraky ny fitondram-panjakana. Fa tokony tsy hisy intsony ny famezivezena ao amin’io orinasa io. Nefa ankehitriny dia miara-mahita isika fa misy ireo mpiasa amin’io orinasa io izay tokony nijanona tao amin’io orinasa io na tany amin’ny faritra misy azy nefa ninia nivoaka noho ny fampiantoana ny fampiodinana ny orinasa. Izany dia niteraka zavatra maro toa ny fiparitahan’ny valan’aretina tany amina toerana maro teto Madagasikara. Anisan’izany, ohatra, ny tany Moramanga, ny teto Antananarivo ary ny tany Antsirabe. Ankehitriny dia ao Toamasina no lasa foiben’ny aretina coronavirus ahitana ny tarehimarika avo indrindra eto Madagasikara. Ary izay indrindra no nahatonga ny tenako nakany Toamasina tamin’ny herinandro lasa teo niaraka tamin’ny minisitra tomponandraikitra izay nanome ny toro-marika izay tsy maintsy anaovana ny fitiliana faobe.
Ry vahoaka Malagasy,
Eo anatrehan’izany rehetra izany, dia mbola mitohy ny famehana ara-pahasalamana manerana ny Nosy. Mitohy ihany koa ny fepetra rehetra miatra amin’ny fatitra telo, dia ny faritra Analamanga, ny faritra Atsinanana ary ny faritra Haute Matsiatra. Ary manomboka androany, dia miatra ihany koa izany ho an’ny faritra Alaotra Mangoro ireo fepetra mifehy ireo faritra telo voalazako teo ireo.
Tsy maintsy, ary ho amafisina ny fanarahana ireo fepetra rehetra amin’ny fifamezivezena sy ny mba tsy hisian’ny fifampikasoana ao anatin’ny 15 andro manaraka. Ary ho entitra ny famaizana ho an’ireo izay minia manao tsirambina satria tsy miaro ny ain’ny vahoaka malagasy. Miankina amin’ny fifehezan-tenan-tsika mantsy no afahana mifehy tanteraka ity valan’aretina ity. Izay mety hanamafisan-tsika na hanalefahan-tsika ny fepetra aorian’ny 15 andro manaraka indray.
Hiditra amin’ny vanim-potoana ririnina rahateo isika koa tsy maintsy atao avo roa eny ny fitandremana sy ny ezaka rehetra hiarovana ny aina sy ny fahasalamanan’ny vahoaka nalagasy.
Tompokolahy sy tompoko vavy,
Ao anatin’izao ady atrehin-tsika izao dia tsy ny fahavalo tsy hita maso ihany na ny coronavirus no atrehin-tsika. Fa misy ny fahavalo avy any ivelany sy ny ato anatiny ihany koa. Toa ny fomba fisainan-tsika, ny fizarazaran-tsika na ny fifampizarazarana antsika mihitsy aza, na koa ny fomba fiasan-tsika izay manao tsirambina ny zavatra izay apetraka amintsika.
Toa izany, ohatra, dia -raha iresaka isika ny valim-pitiliana izay nampisavorovoro ny sain-tsika rehetra andro vitsy lasa izay- raha namoaka ny valim-pitiliana tokoa mantsy ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM), tamin’ny faha-6 ny volana May teo, dia voalaza fa ny tapak’andro maraina dia 33 ny olona natao fitiliana ka ny 32 tamin’ireo dia nolazaina fa nitondra ny tsimokaretina avokoa. Ary ny tapak’andro hariva dia nolazaina fa niampy 35 indray ireo nitondra ny tsimokaretina tamin’io andro io. Izany hoe : olona vaovao 67 no voalaza fa nitondra ny tsimokaretina tamin’io andro io.
Nanaitra ny fahitana ny fiakaran’izany sahalan’isa izany. Ary indrindra indrindra ny nahatsapana fa olona lasa maro be teo no nitondra ny tsimokaretina teto Madagasikara. Ny zavatra nampitolagaga dia niakatra ambony be ihany koa ny sahalan’isan’ny fitiliana natao izay be indrindra hatramin’izay.
Izay indrindra no nahatonga antsika namerina ny fitiliana izay nivaly ankehitriny. Koa ny 10, ny 10 fotsiny tamin’ireo 67 izay voalaza fa nitondra ny tsimokaretina no tena mitondra ny tsimokaretina ankehitriny. Koa mampametra-panontaniana ny hoe : nisy tsy rambiny ve sa dia sanatria fanahy iniana natao ho entina ampisavorovoro sy hanakorontan-tsaina, ny saim-bahoaka izany. Sa fahadisoan’olombelona ihany ? Na inona na inona nefa antony, dia tsy azo ekena ny trangan-javatra toa izao. Ary tsapako tsara ny niainan’ireo olona rehetra voasokajy tsy fidiny ho nitondra ny tsimokaretina nefa tsy marary akory. Anisan’izany ireo mpianatra. Ary tsapako ny tebiteby niainan’ireo ray aman-drenin’izy ireo.
Manoloana izany tranga rehetra izany dia mila mailo isika amin’ny dingana rehetra rehetra izay ho ataon-tsika ato ho ato.
Ry Malagasy namako,
Afaka iray volana sy tapany dia hankalaza ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara isika. Zava-dehibe loatra ho an’ny firenena izany satria dia hankalaza ny faha-60 taona no niverenan’ny fahaleovantena isika. Ary tonga izao ny vanim-potoana vaovao hijoroan-tsika amin’ny maha-Malagasy antsika sy ny hiainan-tsika ny tena fahaleovantena marina eto amin’ny firenena.
Hitondra voka-tsoa hipaka eo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy sy ny fiainam-pirenena ny zavatra rehetra hataon-tsika manomboka amin’izao vanim-potoana vaovao izao. Ary nisy koa ny fiainana talohan’ny coronavirus ary tsy maintsy miatrika isika ny aorian’ny valan’aretina coronavirus ary hisy ny fijerena manokana momba ny hanarenana ny toe-karena noho izany.
Ny tena fahaleovantena dia amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra no hampisehoan-tsika azy, sy indrindra indrindra ny asa rehetra entina hampandrosoana ny firenena. Izao sedra iainan-tsika izao dia akana lesona sy anamarina ny là lana izay ho diavin-tsika manomboka anio.
Isika dia vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra, na ny eto an-toerana na ny any ivelany amin’ny fanarenana ny firenena. Saingy tsy baikona na fikambanana na firenena isika amin’izay safidin-tsika na là lana ho entin-tsika ampandrosoana an’i Madagasikara.
Ny zavatra rehetra kasaina na hatsangana dia ho an’ny Malagasy ary mitaky ny firaisan-kina izany, ny firaisan-tsaina ary ny firaisam-po.
Tonga izao ny fotoana anatanterahan-tsika izany asa rehetra izany. Ankehitriny isika dia nandray ny fanapahan-kevitra ny hanokatra toeram-pitiliana na « laboratoire » manokana ho an’ny Malagasy eto Madagasikara. Ary hanangana ihany koa orinasa malagasy famokarana fanafody ihany koa isika.
Ho apetra-tsika ary ho tokanan-tsika izany tetikasa izany mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan-tsika. Ny zavatra rehetra niainan-tsika tamin’ity vanim-potoana manokana ity dia hanova ny fiainan’ny firenena fa indrindra indrindra hanova ny Tantara ihany koa.
Ny tanjona apetraka dia mba ho modely i Madagasikara aty amin’ny Ranomasim-be Indianina sy aty Afrika ary maneran-tany mihitsy aza eo amin’ny lafiny maro. Ohatra amin’izany ity fiadiana amin’ity valan’aretina coronavirus ity.
Ry Malagasy namako,
Mila mahatoky, mila mifampatoky isika ary mila ihany koa ny fahaizan-tsika sy ny fahafahan-tsika mampandroso ity Tanindrazana malalan-tsika ity.
Tonga ny fotoana tokony hahasaropiaro antsika amin’ny maha antsika antsika. Tsy maintsy tafita i Madagasikara.
Masina ny Tanindrazana,
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy »./.
Nandray ny feo mivantana avy tao amin’ny onjam-peon’ny RNM (Radio Nasionaly Malagasy) : Jeannot Ramambazafy