]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Manjakamiadana. Aoka izay ry andriana manao lohan’andevo a!

Manjakamiadana. Aoka izay ry andriana manao lohan’andevo a!

Hisy hitsamboatra mihitsy izao mamaky io lohateny io. Ie. Mahalala ahy tsara mihitsy ilay misalotra ho « Lahimatoan’Imerina » ary fantany tsara ny toerana nanafenana ny raiko. Fa izao : tsy izany fombany izany no nitaizana anay. Ny azy (ny rainay izany), satria dokotera izy, dia ny marary aloha no andrianina. Manaraka : aminay izany hoe andriana izany dia eo amin’ny fisainana sy eo amin’ny fomba fiainana eo anivon’ny fiaraha-monina no maha andriana na tsia ny olona iray. Io no atao hoe « noblesse d’esprit » fa tsy ny fanambonian-tena sy ny fisehoana ho Malagasy manaja ny « soatoavina » kanefa na ny diploma aza tany ivelany daholo (Lafrantsa indrindra indrindra) no azo.

Raha mikasika ny andevo indray dia izao : tsy miala avy amina vondron’olona sosialy (« classe sociale ») izy ireo fa olona nogejaina hiasa bôjo (tsy nomena karama) mandrapahafatiny satria resy tamina ady na koa nosamborin’ireo mpivarotra olona mihitsy aza (« esclavagiste »). Any Brésil, ao Salvador de Bahia, ohatra, dia misy taranaka Malagasy nandevozina ka nalefa tany namboly fary navadika ho siramamy ( « plantations de canne à sucre»). Ny mainty hoditra ao Etazonia izao dia taranaka andevo avy aty Afrika sy eto Madagasikara. Fantaro fotsiny fa i Michelle Obama, vadin’ny filoha teo aloha Barack Obama, dia taranak’ilay andevo nantsoina hoe Melvinia, nalaina ankeriny taty Afrika. Santionany fotsiny io. Ny atao hoe andevo izany dia olona miasa maina ho ana olona toa azy ihany (« condition sociale inhumaine »). Ka rehefa tsapany fa mety ho faty izy afaka segondra na minitra vitsy dia arapany daholo izay hitany. Izay ilay hoe manao lohan’andevo.

Tsy te-hahalala n’inona n’inona ary tsy misaina intsony izany ho avy izany fa vao mahita irika kely dia araraotina (« sauter sur la moindre occasion »). Izany no ataon-dry « Tsarava tompoko » sasany, amin’izao fotoana izao, amin’ny ezaka fampandrosoana ataon’i Andry Rajoelina vao lany Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara fa tsy Fanjakan’i Madagasikara intsony… Ny mahavariana dia atao tamba-be tokoa nefa raha dinihina anie izy samy izy aza tsy mifanaraka e ! Tena misy izany andriana miseho ho ambonina andriana hafa toa azy. Seho ivelany fotsiny no betsaka ary lova ratsy indrindra izany.

Raha hiverenana ny hoe « andevo » dia diso tanteraka ihany koa izany ilay hoe rehefa mainty be sy ngita volo ary be orona dia andevo. Raha izany mantsy no eritreretina dia andevo daholo izany ireo Malagasy monina any amorontsiraka any ? Tsy ho marina velively izany ary maro ny namako sy sakaizako any amin’ny faritra any… Sady toa adinon’ireo miseho mahalala noho ny Malagasy tsotra fa maro ny mpanolo-tsainan’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina anie no avy any anindrana e ! Izay nampianatra azy sorabe sy fanandroana, ohatra. Fantaro ihany koa fa ny andevo voalohany teto an-tany dia i Spartacus (teraka ny taona 100 talohan’i Jesosy Kristy), miaramila fotsy hoditra grika nandevozin’ny Romana. Nikomy izy ka maty teo ampiadiana (taona 71 talohan’i Jesosy Kristy). Nanomboka teo dia izy no fitaratra rehefa resaka fahafahana ho an’ny andevo rehetra.

Amin’izao taonjato faha-XXI izao dia mbola misy ny atao hoe andevo moderina dia ireo mpiasan’ny «zones franches» sasany. Marina fa be karama noho ny sekretera mpiasam-panjakana fa ny ora fiasany sy ny toerana ary ny fomba iasany dia mendrika fanandevozina tanteraka. Fa misy koa andevo izay mitoetra ary miaramaro dia maro ankehitriny, dia ireo andevon’ny toaka lany vola sy mivarilavo eo anivon’ny fiarahamonina. Ao koa ny andevon’ny vola. Ireo indray dia tsy mahalala afa-tsy vola ihany, vola hatrany. Nefa anie, hoy i Backom sy Monika : tsy ho entinao any amin’ny Mausolée io volabenao io e !...

Raha iverenako ny mikasika ireto Andriana manao lohan’andevo ireto dia avelao ny Filoha Andry Rajoelina ampianatra azy ireo ny Tantaran’ny Rovan’i Manjakamiadana. Ary fadio koa ny miaraka miombo-kevitra amin’ingahy Marc Ravalomanana fa tsy ho Andriana velively izy (io tsy azo vidiana) na eo amin’ny lafiny nahateraka azy (« naissance ») na eo amin’ny fomba amam-panaony. Inona koa moa ny dikany ny fiarovany izay Rova tranainy be io, izy izay nilaza tamin’ny Filoha Jacques Chirac fa mbola tsy teraka ny taona 1947 ?

Farany : mino aho fa raha mbola velona teo Ny Andriana Ralitera Etienne (1938-2017), tsy nanaotao foana toa ny ataonareo ianareo. Misy antony matoa izy anisan’ny nanangana ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara, ny taona 2002, fa tsy hanambanian-tena velively mihitsy akory. Izany Ny Andriana Ralitera Etienne izany dia tena RAIAMANDRENY Olon'ny Fihavanana, ary nandalina ny Tantara sy ny Soatoavina ary ny Fomba sy ny Kolotsaina malagasy. Fa ny an-dry zalahy koa ve fanahy mantsina fa tsy Fanahy Masina no nilatsaka teo aminy ka ankatoky ny Pentekosta 2020 no tena manondrana mamilivily ny tantara ! Ny an’i Emerson Andrianetrazafy, izay misalotra ho « mpahay tantara » (« historien… du tout »), dia « fanolanana » tsotra izao no mba nolazainy mikasika ny fanarenana sy fanavaozana manaraka ny toetr’andro ny Rovan’i Manjakamiadana. Misaotra e !

Mikasika an’Ingahindriana Ranjeva (Raymond) sy ny « akaôlitany » tao amin’ny Real Tv tamin’ny alin’ny Alatsinain’ny Pentekosta 2020 (Jeneraly Désiré Ramakavelo, Hery Rason sy Serge Zafimahova) dia tsotra : tsara ny miresaka « hasina » sy ny hoe fanitsakitsahana azy. Fa izao e ! Alohan’ny hitenena dia tokony mandini-tena ianao r’ingahy Profesora a ! Ny anaranareo anie efa maty hasina tanteraka dia izao ianao no mianakendry mampiseho fa « lalin-tsaina » imasom-bahoaka !? F’iza moa no anaran’ilay nangalatra vola be (60 lavitrisa iraimbilanja) tao amin’ny sampan’ny Banky foibe ao Manakara (ny taona 2007) ka nitsoaka nandositra any ampita ary tsy hita mandrak’ity ny androany ? Tsy Louis ihany fa Louis Raombana RANJEVA no anarany io Talen’ny banky io. Sao dia izany koa no atao hoe « afetsen’Andriana » ?...

Hiteny ianao fa tsy tomponandraikitry ny nataony ianao na koa tsy teto an-toerana. Fa Ranjeva foana no anarany toa anao sy i Marcel, Jean, Raymonde, Justine, Marthe ary Henry. Maty hasina tanteraka ilay anaranareo, nomen’i Joseph Ranjeva, razambenareo, Tompoko. Lasa anarana ana mpangala-bolam-bahoaka, « criminel ». Dia ianao indray no miseho manao resaka hasina sy masina ? Diovy aloha ny ao aminareo. Ka hatreto dia tena mbola ratsy toerana loatra ianao miana-kendry, sady ilay fanazavanao toa lasa jadon-kevitra fotsiny ihany. Farany : mba taiza daholo koa ianareo ireo manao tamba-be hitetika handrodana an’ny Filoha Rajoelina ankehitriny –aza miatsara ivelan’ny tsihy amiko mihitsy !-, tamin’ireo razan’ny Mpanjaka nalaina andro alina  tao anatin’ny Rovan’Antananarivo ka nafindra tsy fantatra marina hoe aiza ? Toa tsy re mihitsy ianareo tamin’izany, eny na dia feo kely fotsiny aza ? Ny soratra, Tompoko, mitoetra ka vakio amin’izay ary ireto manaraka ireto. Tantara tena tantara.

Jeannot Ramambazafy

 

Ary dia aleo amin’izay omena sehatra an-tsoratra ny Filoha Andry Rajoelina, lazaina hoe «boay kely tsy manampahaizana fa Dj mpampandihy fotsiny» :

« (..) Aleo aloha hiverenantsika kely ny Tantara, Tantaran’i Madagasikara. Tsy hiditra amin’ny tantaran’ny Ampanjaka na ny Mpanjaka rehetra rehetra nifandimby aloha, fa hiditra fotsiny amin’ny tantara ankapobeny. Dia raisiko teo amin’ny nanafian’ny mpanjanaka an’i Madagasikara. Izany hoe tamin’ny taona 1886 no tonga teto nidaroka, nanapoaka ny tafondro teo amin’ny Rovan’Antananarivo ny mpanjanaka. (Ttf : 1896 no tena izy fa tsy adinonyfa nanomboka ny taona 1882 ka hatramin’ny taona 1897 dia efa teo ambanin’ny elatri France i Madagasikara. « Protectorat français de Madagascar »). 64 taona taty aoriana, izany hoe tamin’ny taona 1960 no naverina tamin’i Madagasikara indray ny fahaleovantena.

Rehefa naverina ny fahaleovantena, tsy naverina tamintsika ny Nosy Malagasy. Tsara ihany no mampahatsiahy izany tantara izany. 60 taona aty aoriana, amin’izao taona 2020 izao, dia hanamarika ny faha-60 taona niverenanan’ny fahaleovantena isika. Ny ho banjinintsika izany izao, dia ny 60 taona manaraka. Vao migadona ny taona 2021dia mibanjina isika any amin’ny 60 taona manaraka. Madagasikara toy ny ahoana no tiantsika hita eto amin’ity firenena ity ? Madagasikara toy inona no tiantsika apetraka ho an’ny taranaka fara aman-dimby ? Izay ny zavatra fanontaniana tiako apetraka.

Ny ahy efa fantatro : Madagasikara ho reharehan’ny Malagasy, Madagasikara mijoro amin’ny maha-Malagasy azy. Ary ny tenako manokana dia anisan’ny tia ny Tantara, ny Tantaran’ity firenentsika ity. Miraikitra ao am-poko ny fitiavan-tanindrazana, ny fitiavana ny Malagasy sy ametraka ny Tantara ho an’ny taranaka fara aman-dimby. Any ny « débat-ntsika » no tokony atao. Rovan’Antananarivo ny resaka teo. Ao anatin’ny Rovan’Antananarivo dia misy ny Lapan’i Manjakamiadana. Ny zavatra tsara ho fanta-tsika, angamba, ao anatin’izay dia aleo ho tsiahivina kely ny Tantara mba tsy ho diso fahavalo isika, mba tsy ho diso hevitra isika ao anatin’ny zavatra tokony ho atao. Mizara telo ny zavatra tiako ho zaraina amin’ny Malagasy raha ohatra ka iresaka ny Rovan’Antananarivo isika : ny ara-kolontsaina, ny ara-pomba sy ny ara-tantara. Izay no tiako hifampizarana amin’ny vahoaka malagasy.

Niteny ianareo na reko ihany koa ny antson’ny olona hoe : fa maninona no « architecture romaine » (Ttf : Tao-trano romana) no apetraka ao anatin’ity kianja Masoandro ity, raha izay no tianareo ho lazaina. Eto aho izany dia te-hifampizara fa ny fanarenana io Lapan’i Manjakamiadana io, ny fanatsarana ny Rovan’Antananarivo io dia toa afo miredareda ato am-poko ary tiako apetraka sy zaraina amin’ny vahoaka malagasy. Raha iresaka isika momba ny « architecture », dia izao angamba : aleo ho fantatry ny maro ny Tantara.

Voalohany, dia tamin’ny taona 1610 ny Mpanjaka Andrianjaka no nanorina ny Lapa voalohany tao anatin’ny Rovan’Antananarivo, dia ny Lapan’i Besakana. Natao tamina hazo iray manontolo izany Lapa izany. Dia nodimbiasan’Andrianampoinimerina izay nametraka ihany koa ny Lapa izay nantsoina Mahitsielafanjaka. Rehefa nitondra i Ranavalona I, hitantsika fa teo no nipoitra ny Lapan’i Manjakamadiana. Malagasy ve no nanao ny Lapan’i Manjakamiadana ? Malagasy ve no nanao ny tao-trano na ny « architecture » an’i Manjakamiadana ? Tsia ny valiny. Jean Laborde, « architecte » (TTf : mpanao tao-trano) frantsay no nanao an’i Manjakamiadana voalohany. Natao hazo izy io, tamin’ny endriny ahitantsika azy io. Hazo tamin’izany fotoana izany satria i Ranavalona I dia nilaza fa ny tao-trano dia tsy maintsy atao amin’ny akora velona. Izany hoe amina hazo ary natao didy aman-dalàna mihitsy fa hazo ihany no azo anaovana ny tranon’ny vahoaka malagasy teto amin’ny firenena malagasy iray manontolo. Ary matetika moa isika, rehefa miteny, rehefa misy razana, dia hoe : « andeha ity ray aman-dreny ity hivoaka amin’ny varavaran-kazo ary hifitra amin’ny varavaram-bato ».

Ny vato izany dia natao ho an’ny fasana. Raha mahita angamba isika izao tsy mahita fasana hazo fa ny fasan-drazana rehetra dia vato na any amban’ny tany avokoa amin’ny ankapobeny. Nefa rehefa tonga i Ranavalona II, dia novainy tanteraka na namafisiny i Manjakamiadana na resahintsika hoe Manjakamiadana faharoa. Dia nofonosin’i Ranavalona II tamina vato i Manjakamiadana. Fanontaniana no apetraka hoe : nanitsakitsaka ny fomba malagasy ve izany ? Nandika tanteraka ny didy aman-dalàna napetrak’i Ranavalona I ny zavatra nataon’i Ranavalona II ? Ilaina fiadian-kevitra ve izany amin’izao fotoanantsika izao sa… ? Ny ahy fampahatsiahivana fotsiny no nataoko fa tsy ametraka adihevitra ny tenako amin’izy natao vato.

Fa niteny isika teo hoe iza moa ny « architecte » nanao an’izany Manjakamiadana faharoa izany ? Malagasy ve ? Tsia ny valinteny. Satria dia i James Cameron, « architecte » anglisy fa teraka tany Ecosse, no nanao io Lapan’i Manjakamiadana faharoa io, izay natao sy nofonosina vato. Ny lapa rehetra nifandimby natao tao dia « architectes » avy any ivelany daholo, vazaha daholo. Satria rehefa tonga koa i Rasoherina dia nanao ko aizy lapa, dia ny Lapan’i Manampisoa izay « architecte » anglisy koa no nanao azy ary « style » anglisy mihitsy ilay trano satria dia i William Pool, izay no anaran’ilay « architecte » nalain’ny Mpanjakavavy Rasoaherina.

Fa tonga koa i Radama I dia nanao ko aizy ny Lapa Tranovola. Malagasy ve no nanao ny Lapa Tranovola ? Nanao ny sary ? Nanao ny tao-trano ? Tsia koa ny valinteny. « Architecte » frantsay, Louis Gros, no nanao an’i Tranovola. Ny tiana lazaina izany dia izao : hanazava isika, hiresaka momba io kianja Masoandro io ankehitriny fa ny zavatra tiako ho zaraina amin’ny vahoaka malagasy fotsiny dia izao : tiantsika ve ny hamerina ny ambo-po maha-Malagasy antsika ? Tiantsika ve ny hampiaina amin’ny taranaka fara aman-dimby antsika ny Tantara niainan’ireo mpitondra, Mpanjaka nifandimby teto amin’ny firenena ? Tia fivoarana ve isika sa hijanona amin’izao ?

Ny antony mampanontany aho izany mantsy dia izao : raha may io Lapan’i Manjakamiadana io tamin’ny 1995, tamin’ny sabotsy 6 Novambra, dia ankehitriny isika amin’ny taona 2020 manana finiavana hoe tsy maintsy vitaina ao anatina fotoana fohy mba hanamariantsika ny fandresen-tsika vaovao indray, ny dingana vaovao rehefa naverina amintsika ny fahaleovantena, hiditra amin’ny 60 taona manaraka isika dia andao ametraka Tantara vaovao. Avalona ny tantara tany aoriana, hampiaina ny taranaka fara aman-dimby fa ho vitaintsika ny Lapan’i Manjakamiadana.

Zavatra roa no sarahiko ao anatin’izay. Ny Lapan’i Manjakamiadana dia averina toy ny endriny teo aloha. Inona moa ilay endriny teo aloha ? Ny endriny teo aloha ny gorodona, ny temitra, ny varavarana… Izany rehetra rehetra izany dia nalaina avokoa ohatry ny ahoana ny temitra tao ? Iza ny orinasa tany Frantsa nanao an’io ? Satria tany Frantsa no natao. Dia nolazaina hoe : afaka apetrakareo ve, mba averinay ho toy ny teo io Lapa io ? Izaho dia milaza aminareo fa na dia betsaka aza ny mpitsikera, satria ny fisikerana anie ataontsika hoe raha tia fandrosoana isika dia manaiky mifanome tànana, miray fo, miray saina amin’ny fanarenana an’ity firenentsika ity.

Ny tsikera atao tsy vao izao ihany satria hiditra indray isika amin’ny resaka lafiny faharoa : jereo daholo ny sary. Ohatry ny ahoana ny fitafin’ireo mpanjaka nifandimby ? Ny fiakanjon’i Ranavalona I, Ny fiakanjon’i Radama II, Ny fiakanjon’i Rasoaherina, Ny fiakanjon’i Ranavalona II sy III fa akanjo mirebareba tsy fitafy malagasy. Izaho tsy miteny hoe ario ny maha-Malagasy. Tazomintsika ao anatin’ny ra-ntsika tsirairay avy. Ny ra mikoriana ao anatintsika dia ra malagasy. Tazomintsika ny maha-Malagasy antsika. Fa izany akory tsy miteny mihitsy ny hoe tsy andeha ampiasa ny teknolojia vaovao ; tsy andeha ampiaina amin’ny taranaka fara aman-dimby ny Tantara izay niainan’ireo Mpanjaka nifandimby ireo. Ho faranako ny resaka mikasika ny « architecture ».

Ny sasany milaza hoe manaonao foana isika. Tsia Tompoko ô. Ialako tsiny, ialako fondro, ialako satroka ary avadiko im-pito ny lelako vao hiteny aho eto anatrehan’ny vahoaka malagasy iray manontolo fa tsy manaonao foana isika. Ny zavatra rehetra natao dia efa nodinihina, nakana hevitra, ary alohan’ny nanarenana io Lapan’i Manjakamiadana io, alohan’ny nokitihina io Rovan’Antananarivo io, efa nisy antso nataon’ny ministeran hoe : ianareo izay manan-kevitra dia afaka mifampitafa mifampidinika, inona ny sosokevitra avy any aminareo ? Ho faranako amin’ny resaka « architecture » ary tiako mba aseho eto amin’ny «écran» eto hoe ilay kianja Masoandro dia nalaina tamin’ny «style» izay nanaovana ny Lapan’i Manjakamiadana (Ttf : Ireo amin’ny sary ny «façades» sy ny «voûtes»). Ireo «voûtes» sy «façades» misy eo amin’ny Lapan’i Manjakamiadana ireo ihany no nalaina natao eo amin’ny kianja Masoandro. Inona moa ny maha samihafa an’izao ? Fanontaniana fotsiny no apetrako. Fa ny «architecte» nanao azy dia nolazaina mihitsy hoe : aza atao mifanalavitra amin’ity Lapan’i Manjakamiadana ity ny kianja Masoandro izay apetra-tsika eto akaiky.

Faharoa dia misy koa ireo haingokaingony na «frises» ambony izay hita eo amin’ny Lapan’i Manjakamiadana. Dia hita koa ireo «frises supérieures» eo amin’ny kianja Masoandro. «Architecture» daholo no resahintsika eto. Ny tiako ho lazaina dia tsy manaonao foana isika fa manaja ny kolontsaina, mitazona ny maha-Malagasy antsika, voalohany, manaja ny fomba izay napetrak’ireo olona mpahay tantara eto amin’ny firenena. Ary manandratra ny Tantara, ny maha-Malagasy antsika. Izay ny zavatra natao. Torak’izany ny «poteaux» na andry sy ny «arcs» (…).

Ny resaka, rehefa tiana asarotina dia na zavatra mora aza dia lasa sarotra, na zavatra tsy mety dia lazaina fa tsy mety. Izay ny zavatra tiako ho lazaina amintsika. Mety ilaza ny sasany hoe : an an an ka nataonareo béton io ; tsy mety amin’ny fomba ny anaovana béton azy. Dia gaga aho fa ny olona nanomboka niasa tamin’izany no manakiana ny zavatra atao ankehitriny. Ilay kianja Masoandro io mbola ho fonosina vato granit avy eto Madagasikara. Izany hoe hitovy tanteraka amin’ny Lapan’i Manjakamiadana izy io. Miteny indray ny sasany hoe : « ka ilay béton mihitsy », satria lasa nivadika any indray ilay resaka. « Fadin-drazana ny manisy béton ao ». « Tsy manaraka fomba ny fanaovana béton ao ». Nofakafakanay tsara alohan’ny nanaovanay io fa ny Lapan’i Manjakamiadana, marina izany : tsy misy béton mihitsy. Hazo no teo dia nofonosina vato ary isaky ny rihana dia hazo avokoa. Ka rehefa may dia nihotsaka daholo. Ankehitriny aho misarika ny olona fa ny marina dia marina ihany. Misy boky natao milaza hoe inon avy ny asa efa vita tao. Fisaorana ho an’izay nanao ny asa efa vita tao. Fa isika Malagasy raha ho lany andro amin’ny fiadiana hevitra eto, tsy androso mihitsy ny firenena. Mila fanazavana ianareo. Misy solontena ato. Aon y akademisianina. Mijoro eto anoloanareo aho hitondra ny valinteny.

Raha misy milaza fa fadin-drazana, manota fady ny mametraka béton eo dia mba te-hanontany aho hoe : iza izany no tena nanota fady satria izao isika mpitondra ankehitriny dia hamerina ny Lapan’i Manjakamiadana araky ny endriny teo aloha. Fanamby apetrako izay. Izany hoe, tsy mikitika, tsy mitondra zavatra mamoa fady amin’ny fomban-drazana ao anatin’ny Lapan’i Manjakamiadana. Izany hoe : manarina ny Lapan’i Manjakamiadana ary manorina zavatra vaovao dia ny kianja Masoandro. Niresaka béton isika teo dia ity asehoko antsika.

Izao no zavatra nisy natao ao anatin’io Lapa io : natao béton daholo ny ao anatin’io Lapa io. Ary ny fondations-n’io (TTf : ny fototra izany), hatramin’ny 20 metatra dia béton daholo avokoa ny zavatra ao anatiny. Tsy isika izao no nanao izany béton izany. Tsara ny mahafantatra an’izay. Rehefa nojerena ny zavatra misy sy ny tantara ao anatin’ilay izy, dia namaky ilay boky aho. Dia izao mihitsy ny voasotatra ao anatiny, afaka jeren-dry zareo (Ttf : izay manakiana nefa nanao ny béton. Io boky io dia navoakan’ny fikambanana « Fanarenana ny Rova », mitondra ny lohateny hoe « Manjakamiadana et le Rova d’Antananarivo : Un futur retrouvé ») : « Les piliers du rez-de-chaussée, en béton, un matériau accepté et même recommandé par la charte d’Athènes ». Dia manontany aho hoe : rehefa olona afa izany no manao ilay béton dia tsy mamoa fady fa rehefa olona afa no manao ilay béton dia mamoa fady, fadin-drazana ? Fanontaniana fotsiny no apetrako fa antsika rehetra no mamaly an’izay.

Miverina kely aho ao amin’ny kianja Masoandro. Ao anatin’ilay pejy 108 ihany, ho anareo izany manana ilay boky, boky nosoratan-dry zareo io fa tsy izaho akory ny namorona an’io, dia milaza -fintiniko ilay izy- : « …On l’apprendra que la Résidence Masoandro de Ranavalona III s’érigeait sur des fondations en béton à la romaine… ». Ny fototry ny kianja Masoandro dia efa fototra natao tamina béton ary tamin’ny fomba fanaon’ny Romana azy no nanaova an’io Lapa Masoandro izay nataontsika Kianja Masoandro ankehitriny (…) ».

Dia nasehon’ny filoha ny ahavon’ireo fanorenana misy ao anatin’ny Rovan’i Manjakamiadana ka ny Kianja Masoandro no iva indrindra satria 6 metatra ny ahavony raha 10,30 metatra ny Lapan’i Besakana, 12,20 metatra ny Lapan’i Manampisoa, 25 metatra ny Fiangonana Anatirova, 26 metatra ny Tranovola ary 38 metatra ny Lapan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Ary toa izao no namaran’ny Filoha Andry Rajoelina ilay fandaharana tao amin’ny Tvm io Alahady 31 Mey 2020 io :

« Ny teny hamaranako azy dia Tantara vaovao no ho soratantsika eto anivon’ny firenena amin’izao 60 taona manaraka ny niverenan’ny Fahaleovantena izao. Ny Tantara vaovao dia irian-tsika mba handroso amin’izay ity Nosy malalantsika ity, iray isika malagasy, iray ny Nosy, iray i Madagasikara ka tokony iray feo isika amin’ny fiarovana ny fiandrianampirenena. Ny Tantara dia efa nanamarika fa matetika resy. Matoa tafiditra teto ny mpanjanaka dia nisy firaisana tsikombakomba tao. Ary izay zavatra izay no tokony tsy hiseho intsony aty aoriana. Ny faharoa manaraka izany dia rehefa niverina ny Fahaleovantena, mbola tsy vita, tsy niverina taty amintsika tanteraka. Izay no nampijoro ahy nitaky ireo Nosy Malagasy. Tsy vitako irery anefa izany. Raha tsy miray fo isika, raha tsy mifanome tànana isika, dia ho zava-poana satria ny Filoha no mitarika fa ny vahoaka tokony manaraka azy. Noho izany, dia ao anatin’izao fiverenan’ny Fahaleovantena izao, raha misy ny faniriana dia iray saina isika, iray fo. Ary indramiko ny teny vahiny milaza ny hoe : « Lorsque qu’il n’y a pas d’ennemis à l’intérieur, les ennemis de l’extérieur ne peuvent pas m’atteindre ». Raha ataoko amin’ny teny malagasy dia hoe : raha tsy misy ny fahavalo ato anatin’ny firenena, tsy afaka hahavoantsika sy handrendrika antsika mihitsy, tsy ho rendrika isika ary tsy ho tratry ny fahavalo. Ny dikan’izay dia : raha misy faniriana tiana apetraka androany, dia tsotra ny teniko : ho iray feo ny Malagasy ary ho tafita amin’izay Madagasikara. Misaotra antsika rehetra ».

Nandray feo tao amin’ny RNM : Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", tamin'ny Alarobia 3 Jona 2020

TSINDRIO ETO

Mis à jour ( Mercredi, 03 Juin 2020 14:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024