Ny Fikambanana Raiamandreny Mijoro na RRM dia natsangan’ny Pasitora Ramino Paul, niarahany tamin’i Ramatoa Madeleine Ramaholimihaso sy ny Pr Daniel Rasoaherimanjato, ny 07 mey 2010.
Anisan’ny mpikambana ao amin’io fikambanana ara-dalàna voasoratra ao amin’ny ministeran’ny Ati-tany, ireto olona manaraka ireto : Razanamasy Guy Willy, Tilahy Robert (Filohan’ny HCC teo aloha), Honoré Rakotomanana (Filohan’ny Antenimieran-doholona tamin’izany fotoana izany), Dr Perry Rasolondraibe, Céline Ravao, ny Printsy Tsirao IV, Mompera Charles Ratongavao, Pasitora Nestor Razafindramanitra, Jeneraly Ernest Ravelomanana, Dox Didier Zabofigera.… Ny tanjon’ny RMM dia ny hampihavana ny Malagasy tsy ankanavaka. Ity manaraka ity ny Fanambaran’izy ireo mikasika ny Rovan’Antananarivo.
Noho ny resabe mandeha ankehitriny momba ny Rovan’Antananarivo sy ny asa samihafa tanterahin’ny fitondrampanjakana eny ankehitriny dia manao izao Fanambarana izao izahay Raiamandreny Mijoro (RRM), mandroso fotokevitra vitsivitsy hiaraha-misaintsaina sy mandinika.
1. Ny Lalampanorenan’ny Repoblika faha-efatra, andaniny faha-26, dia milaza fa: “Ny Fanjakana, miaraka amin’ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, no miantoka ny fampivoarana sy ny fiarovana ny vakoka ara-kolontsaimpirenena sy ny famokarana ara-tsiansa, ara-haisoratra ary ara-javakanto”. Heverinay fa ny teny hoe: “fampivoarana ny vakoka” dia maneho fa afaka mivoatra ny vakoka mba hanan-kolazaina amin’ny taranaka mifandimby sy araka izay tandrify ny toerana sy ny zavamisy ara-tantara. Ny hoe fampivoarana eto dia mety ho fanarenana ny simba na fanatsarana fotodrafitrasa mba hampateza azy, na koa fanorenana vaovao hanarenana ny tantara mba tsy ny ratran’ny lasa noho ny hetraketraky ny tsy matahotody no ho lovain’ny taraka mandimby. Izany no azonay ijerena ny fikendren’ny fanjakana hanarina ny lapan’ny Manjakamiadana, hanorina indray ireo lapa roa efa rava ela (Tranovola sy Manampisoa) ary hanangana ny Kianja Masoandro.
2. Amin’ny firesahana ireo vakoka navelan’ny tantara eto amin’ny firenena dia re ombieny ombieny ny fanononana laharam-pirazanana sy fanavahana izay hoe avo-hasina. Tarazo napetraky ny tsimbalivalin’ny tantara teto izany. Ao anatin’izany tantara izany anefa dia tsy azo hadinoina ny RA nalatsaky ny tia tanindrazana rehetra, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, tamin’ny tolompanafahana nataony: ny Menalamba, ny VVS, ny MDRM, sy ny hafa koa, ka nitondrany fanafahana hoan’ny Malagasy rehetra. Samy misitraka fiandrianampirenena ny Malagasy tsirairay, na ireo lazaina ho ambony tanàna na ireo esoina ho ambany tanàna. Tsy manjary ny fiandrianampirenena raha mbola zarazarain’ny toetsaina “tompo sy mpanompo” ny vahoaka. Tsy avela hanankery amin’ny vahoakan’ny Repoblikan’i Madagasikara intsony izany toetsaina izany. Izany fiandrianana iombonana iatrehana ny hoavy izany no entina miresaka ny momba ny Rova sy ny vakoka eo aminy.
3. Momba ny fananganana indray ny vakoka nosomparan’ny mpanjanatany: Heverinay fa kolontsaina sy vakoka ara-tsoatoavina malagasy ambony ka tsara ho koloina eto amin’ny firenena, izay nandevozin’ny firenenkafa nandritra ny 60 taona sy nozanahiny ara-kolotsaina sy toekarena nandritra ny 60 taona manaraka, ny hijoro sy hiranga eo amin’ny tantara amin’ny fananganana tsangambato lehibe eo ambonin’ny fanorenan’ny fotodrafitrasa nataon’ny mpitondra tany aloha, fa noravan’ny mpanjakanatany, ho mariky ny fahafahana sy herin’ny hambompo Malagasy. Tsy avela handry eo amin’ny vovokin’ny faharesena izay fikendrena tsara nananan’ny lasa fa tsy maintsy tsangana indray. Tsy eo amin’ny Rovan’ Antananarivo ihany, fa na aiza na aiza no nisehoan’izany dia miranga isika Malagasy. Ny firaisankina hanao izany ho isehoan’ny tena fahafahana!
4. Tsara ho saintsainina fa tsy fifanandrifian-javatra fotsiny, fa mety misy fifandraisany amin’ny hetsika fitakiana ny fiverenan’ireo Nosy Malagasy efatra izao resabe fanoherana ny famerenana ny hasoan’ny Rovan’ Antananarivo izao, izay hitondra avo ny fiandrianampirenena. Fisainana politika mirazotra mantsy ireo, fa ny taranak’izay nisakana ny fanorenana ny Lapa Masoandro tamin’ny 1896 no misakana ny fisitrahan’ny Malagasy ny fananany ireo Nosy Malagasy Efatra ankehitriny. Hoy ny fiteny malagasy: “Ny hazo no tapaky ny famaky dia noho ny zarampamaky hazo manesika azy”. Manana andraikitra isika rehetra, noho ny tanindrazana iombonana, hamantatra sy handinika lalina ny fitsokan’ny rivotra politika iainantsika, mba tsy ho isika no iharan’izany fiteny izany.
Amin’ny anaran’ny Raiamandreny Mijoro (RRM)
Ny Birao Mpanatanteraka,
Antananarivo, faha-11 jiona 2020.