]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une SALOMON RAVELONTSALAMA (Sa), mpanao gazety. Fara-veloma

SALOMON RAVELONTSALAMA (Sa), mpanao gazety. Fara-veloma

Lasa nandeha nandao ity tany fandalovana ity izy, ny 7 aogositra 2020. Satria nantsoin’ny Ray hody any aminy, teo amin’ny faha-63 taonany.

Fa ny asa sorany kosa dia hitoetra ho an’ny taranaka fara aman-dimby, mikasika ny sehatra ekonomika sy politika malagasy.

Efa ela tokoa i Salomon izay manao sonia ny lahatsorany amin’ny hoe Sa fotsiny ihany, no nanao ny asa fanaovan-gazety.

Teo amin’ny roampolo taona teo ho eo izy no niasa tao amin’ny gazety Midi Madagasikara (1984-2003). Fanoratana amin’ny teny frantsay no nanavanana azy kokoa eo amin’ny sehatra ekonomika. Fa sekreteran’ny fanoratana tao amin’io gazety Midi io ihany koa i Sa.


Ny taona 2003 i Salomon Ravelontsalama no nandao ny gazety Midi ary nanorina ny gazety La Gazette de la Grande üle. Io dia niarahany tamin-dry Lola Rasoamaharo, Adelson Razafy, James Ramarosaona, Patrick Andrianjafy (efa maty) ary i Franck Raharison izay nandao antsika tamin’ity taona ity ihany.

Sady mpanoratra i Sa, eo amin’ny lafiny ara-poltika, no Tale jeneraly misahana ny fandrarahana ankapobeny sy ny vola («Directeur gĂ©nĂ©ral chargĂ© de l’Administration et des Finances»). Satria tena orinasa tokoa izany La Gazette de la Grande Ăźle izany.

Efa ela i Salomon no tsy dia « en forme » fa tsy hoe lasa « tampoka » akory izy. Natao ny hala-nenina rehetra fa efa tonga ny ora andaozany ity tany ity.

Inona moa no ho lazaiko fanampiny ? Sady mpamangy ny vangiana ny tenako. Satria manoratra ao amin’ny La Gazette de la Grande üle koa aho. Ka dia miara-ory sy mankahery ny fianakavian’i Sa iray manontolo ny tenako, ary koa ny fianakavian’ny mpanao gazety eto Madagasikara tsy ankanavaka.

Ary dia atolotra ho antsika mianakavy io tononkalo nosoratan’i Dox io ambany io.

Jeannot Ramambazafy


TSY HODINGANINA NY MATY


Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty

Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty

Ny fitohizantsika aminy
sady isika taizany aza,

Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !

Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !

Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,

Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina

Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !

Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !

Nananganana tanĂ na ka tsy hahazo hialangalana,

Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny

Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?

Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra

DOX (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

Mis Ă  jour ( Mardi, 11 AoĂ»t 2020 11:00 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...