]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Koweit. Mijoro vavolombelona i Farida, mpiasa an-trano Malagasy any

Koweit. Mijoro vavolombelona i Farida, mpiasa an-trano Malagasy any

« Tena mafy ny miasa aty amin’ny tany Arabo, kanefa noho ny fitadiavana mahazaka maniraka dia niharetana ». Teny nataona tovovavy miasa any Koweit io, raha nitatitra taminay ny fahoriany iainany any izy ireo.

Taorian’ireny fanampaha-kevitra noraisin’ireo vehivavy Malagasy, fa hiverina an-tanindrazana noho ny fijaliana mianjady amin’izy ireo ireny. Nisy ihany ireo vehivavy Malagasy sasany izay nisafidy ny hijanona any Koweit. Maro ny antony : ao ny fiovana mpampiasa, ao koa ireo mpampiasa Arabo no somary nipiripirina rehefa naheno ny fandalovan’ireo solontenam-panjakana Malagasy tany Koweit ny taona lasa iny nanao ny fanadihadihana, ary ao ireo vehivavy mpiasa any izay miasa amina mpampiasa tsara fanahy.

Nikaroka izay vehivavy azo anontaniana ny fomba fiainany tany izahay ato amin’ny madagate.org. Nisy ny nanaiky ny hitantara ny fomba nahatongavany tany Koweit, ny asa ataony, ary fifandraisana amin’ireo mpiasa an-trano namany hafa. Mba ho fiarovana azy anefa dia voatery nosoloinay hafa ny tena anarany.


Efatra taona amin’ity volana Novambra 2020 ity no nahatongavan’i Farida tao Koweit. Ary vao roa volana izay no niasany tamina mpampiasa vaovao, rehefa nampijalian’ny mpampiasany teo aloha no sady tsy nahazo ny karamany iray volana sy tapany. Ahoan tokoa moa ny dingana nataony nahatongavany any ?

Any amin’ny faritra avaratra ny Nosy no tena fiavian’i Farida. Manambady aman-janaka. Ny ankizy ao an-trano moa tsy mahala ny tsy misy ka dia tsy maintsy nifandrimbonan’izy mivady ny fampidiram-bola. Eto Madagasikara anefa dia somary sarotra fitadivana asa. Rehefa nikaroka asa volana maromaro dia nisy nilaza i farida fa misy olona afaka mahita asa ho azy saingy any ivelan’i Madagasikara.

Ny taona 2017 dia tonga teto Antananarivo izy ary nandeha tamin’ny masovoho iray izay mpandefa mpiasa any Koweit. Nandritra ny iray volana mahery no nikarakarana ny taratasy rehetra.

Araka ny fanazavan’i Farida, dia ny mpampiasa izay mitady mpiasa any Koweit no mandoha ny vola lany rehetra hatramin’ny fahatongavany any. Ny karama nifarahana dia 700.000 Ariary isam-bolana. Mialohan’ io anefa dia takiana ny fandefasana sarin’izay vonona hiasa. Iny sary iny no alefa any Koweit. Ka ireo Arabo mila mpiasa, dia mandeha any amin’ny « agence » mijery sary. Efa misy boky feno sarina vehivavy maro toy ireny « album photo » ireny. Ao amin’io « album » io ny mpampiasa no misafidy izay vehivavy tiany hiasa ao aminy. Lehilahy Arabo efa manam-bady no nisafidy fa i Farida no ilainy hiasa ao aminy.

Tonga tany Koweit i Farida ny taona 2017. Ny « agence » no nampian-trano azy aloha mandra-pahatongavan’ny mpampiasa haka azy hiasa. Ny teny Anglisy sy Arabo no hifampiresahan’ireo mpiasa rehetra amin’ireo mpampiasa. Raha i Farida manokana dia ampahany amin’ireo teny anankiroa ireo ihany no hainy, izay tsy dia nananon-tsarotra azy ny mandray sy mihaino izay lazain’ireo Arabo any. Telo andro taorian’ny fahatongavany vao tonga naka azy tao ny olona hiasany.

Tsy tonga dia nohentin’ny ilay mpampiasa lehilahy tany amin’ny trano tokony hiasany izy fa nohentiny tany trano hafa aloha.

« Telo andro vao tonga naka ahy tamin’ny « agence » ny « patron »-ko, hoy Farida, dia nentiny tamin’ny trano iray izay aho. Noheveriko fa efa ao no hiasako, hay kay izy mila hanao tetika -dratsy tamiko, tsy nanaik’izany aho : Baba, handeha hiasa no nialako tany aminay fa tsy hanao zavatra hafa hoy aho taminy. Tsy nanaiky aho, no sady tezitra be dia nanao azafady tamiko ilay « patron ». Lasa amin’izay izahay avy eo nandeha tany amin’ny tena trano hiasako.

Tonga tao dia nampahafantaran’ilay madama ahy izay anjara asako. Efa nisy mpanampy Indianina sy Afrikana tao, dia izaho no fahatelo. Dimy andro nahatongavako dia nesorina tao indray ny tenako, satria ilay « patron » lehilahy isaky ny avy miasa tsy maintsy mankany amin’ny lakozia foana mijery ahy. Tsikaritr’i Madama amin’izay angamba ny tetik’ilay rangahy vadiny . Niantso ny « agence »-ko ilay madama ary nandainga fa izaho hono tsy manao asako fa matory foana, Tezitra ny tenako dia noteneniko ilay Madama hoe : avelao aho hiresaka amin’ny « agence » nandefa ahy aty. Tsy nanaiky ilay Madama satria izy nandainga. Nilaza tamin’ny « agence » mantsy izy fa hateriny any aho fa olana be amin-dry zareo aho. Adinony angamba fa mahafantatra fiteny Arabo aho. Fa ny niafarany moa dia lasa niverina tany amin’ny « agence » ihany aho.


Ny 26 Novambra 2017 no niverenako tamin’ny biraon’ny « agence ». Ny 03 Desambra 2017 vao nisy mpampiasa hafa naka ahy indray. Herintaona sy 3 volana no niasako tamin’ny mpampisa vaovao. Nitaiza zaza 1 volana sy tapany ary ankizy 7 taona no asa nampanaovina ahy. Olana be indray anefa no niseho satria ilay madama vadin’ilay « patron » vaovao dia saropiaro be. Dia mandainga be amin’ny « patron » vadiny izy. Lazain’ity madama ity daholo izao lainga fanaratsiana ahy rehetra, rehefa miresaka amin’ny « patron » izy. Amin’izay mba tsy ho tian’ilay « patron ». Tsy vitan’izay fa ilay zaza 7 taona io mandainga be ihany koa. Lazainy fa mikapoka azy foana ny tenako, dia indraindray misy fotoana tsy avelan’ilay madama maka aina mihitsy fa isakin’ny avy miasa izy dia mahita zavatra tenenina foana. Ny varavarana mivoaka amin’io mihidy amin’ny lakile, na matory atoandro aza dia mihidy ny varavarana misy ny efitranoko sy ilay zaza taizaiko. Rehefa mandeha miasa ry zareo dia mihidy foana ny varavarana ary entiny miaraka aminy any ny fanalahidy. Mitovy amin’ ny gadra ireny mihitsy ».

Ny teny Anglisy araka voalaza tery aloha no matetika no hifampiresahana na dia eo aza fahaizan’i Farida ampahany amin’ny teny Arabo. Izay indrindra no somary nampanahirana an’ireo mpampiasa Arabo satria izay teny Arabo ataon’ireo mpampiasan’i Farida dia hainy avokoa.

Maro ny lalan-tsarotra no nodiavin’i Farida, fa anisan’ny tombony manokana ho azy anefa ny tsy fanekeny ny hanaovan’ireo mpampiasa lehilahy filà-dratsy, ary antony ihany koa nahatonga azy ho nifindrafindra mpampiasa foana.

Ny volana Aogositra 2020 no nialany tamin’ny mpampiasa niasany izay tsy nahazahoany ny karama iray volana sy tapany. Taorina kelin’izay dia nahita asa vaovao izy, ary efa ho roa volana izay no niasany tamina mpampiasa vaovao. Nilaza ny tenany fa tsara ny asany amin’izao fotoana, satria mba tsara fanahy ny mpampiasa azy, izay vehivavy efa lehibebe ihany. Matetika aza i Farida, araka ny fitantarany, no mahazo sitraka amin’ity mpampiasa azy vaovao ity.


« I Farida mantsy, hoy mpampiasa azy dia tsy mba miandry ho tenenina izany vao manao asa, fa rehefa hitany fa tokony hisy asa atao ao an-trano tonga dia vitainy ». « Tsy toa ireo mpampiasa teo aloha, hoy Farida. Ohatra : tamin’ny mpampiasa teo aloha dia soratana ao anatin’ny taratasy fifanarahana (« contrat de travail ») fa rehefa mampiasa finday dia isaky ny Alakamisy ihany no mampiasa, avy eo alain’ny mpampiasa ny finday ». Ny mpampiasa azy amin’iza kosa tsy mba sarotiny amin’izany. Rehefa te-hivoaka hitsangatsangana dia mahazo alalàna. Misy kosa anefa ireo namany hafa izay manana mpampiasa tena sarotiny ka tsy mamela azy ireo mivoaka ny trano izany.

Ny andro zoma no tsy miasa ny mpiasa any Koweit, fa andro hafa sy ny sabotsy ary alahady dia miasa. Ho an’ny mpiasa mpanampy dia saika isan’andro no miasa ary io andro zoma io aza no tena be asa.

Ny fanadihadihana natao ihany no nahafantarana fa tsy dia fantatr’ireo tomponandraikim-panjakana loatra sy ny mpitandro filaminana any Koweit ny fijaliana mahazo ireo vehivavy miasa an-trano any. Ny antony dia misy ireo mpiasa izay mijaly, tsy afaka mivoaka ny trano fa mihidy ohatra ny gadra ao amin’ny toerana hiasany. Rehefa handeha hiasa izy ireo dia entiny ny fanalahidy. Ataon’ireo mpampiasa mihitsy ny fomba rehetra tsy hafantarana fa misy mpiasa tratry herisetra ao aminy. Hany fomba mba hazahoana miantso vonjy na mitaraina dia ny fanafenana finday. Rehefa sendra tsy eo ny mpampiasa dia manararaotra miantso ireo namana miasa amina trano hafa. Izy ireo indray avy eo no mampandre ny « agence ». Dia ny « agence » indray no miantso polisy maka ilay vehivavy mpiasa tratry ny herisetra.

Misy koa anefa no mahita hirika dia mitsoaka ka manatona birao ana polisy na mitoby amin’ny toerana iray, toa ny nataon’ireo vehivavy maro niantso vonjy tamin’ny Filoha Andry Rajoelina iny.

Maro ny karazana herisetra izay mahazo ny vehivavy miasa any Koweit izay tsy Malagasy ihany fa misy ihany koa Afrikana. Ao ny  faneren’ny mpampiasa lehilahy an’ireo mpiasa vavy amin’ny filàna ara-nofo ; ao ny toetra tsy zaka ataon’ny mpampiasa ; ao ny tsy fandoavana karama… Ireo no tena fototry ny fitsohan’ireo mpiasa any. Misy moa no migadra mihitsy satria lazain’ireo mpampiasa fa nangalatra ny fananany.

Misy koa anefa ireo mpampiasa no mahita fa tsy tamana ny mpiasa ao aminy dia omeny alalana hiantso ny « agence » izay mandefa saofera maka ilay mpiasa ary manatitra azy any amin’ny mpampiasa hafa mitady mpiasa.


Araka fanazava’i Farida dia misy namany vehivavy Malagasy izay mifandray aminy matetika amin’ny finday no tsy nifampiresaka taminy intsony efa elaela. Tsy fantatra na efa tafaverina niaraka tamin’ireo vehivavy Malagasy maro nody eto an-tanidrazana ireny, na mbola any Koweit : « Aty misy namako mampalahelo ahy be. Izy io iray avion tamiko, avy any Andapa izy.

Izy efa nitsoaka tamin’ny « contrat » satria isaky ny miasa izy dia mahazo olo ratsy fagnahy foana. Farany amin’zay izy nahazo « patron » tsy manambady ary misotro toaka. Rehefa mivoaka rangahy io dia entiny foana ny fangalahidy tsy mahazo mivoaka ilay namako. Ary mifindra trano matetika ry zareo », hoy izy, Tamin’ny 2018 izy nitantara tamiko fa mamono foana ilay rangahy.

« Dia noteneniko izy hoe : mandosira miala ao ianao. Izaho, hoy izy, tsy afaka miala, satria mihidy ifoana ny trano, Tamin’ny volana Desambra 2019 iny izaho no niresaka tamin’io namako io farany. Dia niresaka zahay, naheno feo ana zaza mitomany aho, tonga dia niteny aho hoe : ianao angaha niteraka ? Yeee, ho izy. Gaga be aho... Araka ny fitantaran’ilay namako ihany dia ilay rangahy io izany efa olon-dratsy tadiavin’ny polisy any. Niteraka tany amin’ny hopitaly no sady nodidiana ilay namako. Mbola marary izy dia nalainy polisy tao, ary niaraka nigadra tamin’ilay rangahy. Avy eo nandoha vola izany maman’ilay rangahy dia vosotra izy roa dia niverina indray tany amin’ny trano misy azy ireo.

Nihezaka zaho nilefa, hoy izy fa tratrany foana ary farany teo saika novonoiny. Efa nandray antsy mihitsy ilay rangahy hamono azy. Izay ny vavao farany azoko taminy. Hatramin’ izao izaho mbola tsy naheno vaovao momba azy…».

I Farida moa rehefa nanontaniana sao efa anisan’ireo efa lasa nody aty Madagasikara niaraka tamin’ireo vehivavy Malagasy maro be ireny dia nilaza fa : « Tsy fantatro fa izaho mino fa izy mbola tsy tafody ». Sao dia efa maty novoin’ilay rangahy ? « Tsy fantako fa tena latsa-dranomaso aho tamin’izy niresako tamiko ».

Hatreto izany dia mbola tsy fantatra ny momba io vehivavy io, izay efa niteraka tamin’ity rangahy mpampiasa azy ity. Miezaka mitady ny momba azy i Farida hatramin’izao.

MOMBA IREO VOLA KARAMAN’IREO MPIASA ANY KOWEIT

Raha resa-bola indray dia ny mpampiasa no mandoha ny vola lany rehetra amin’ny « agence », hoy Farida. Izany hoe karazana « commission » io. Ny vola karama dia arakaraky ny fifanarahan’ny mpampiasa sy ny « agence » indray. Amin’izao fotoana dia efa mba niakatra ny karaman’ireo vehivavy miasa any.

Ny fanazavana nomen’i farida anay dia izao :

Misy mahazo karama 140 kd ka hatramin’ny 160 kd, karaman’ny mahandro sakafo io, misy aza mikarama mihoatra io. Dinar kowaitianina ny KD. 160 kd dia eo amin’ny 1.600.000 Ariary eo.

Ireo manao « contrat » indray dia misy 100kd ka hatramin’ny 120kd isam-bolana

100kd = 1.000.000 Ar

120kd = 1.200.000 Ar

Ireo « agences » sasany dia mifanaraka amin’ny mpampiasa mila mpiasa : raha 120kd nifanarahana dia 100kd, misoratra ao anatin’ny « contrat » ifanarahan’ilay « agence’ amin’izay vehivavy vonona hiasa any Koweit.

Raha avy aty Madagasikara dia matetika mianto-tena ireo vehivavy vonona hiasa. Misy mandoha vola 1.000.000 Ar, misy ny mandoa1.600.000 ar, arakaraky ny « agence » mikarakara ny taratasy.

Misy ihany koa anefa ireo vehivavy Malagasy no lany vola fotsiny fa tsy lasa. I Farida moa dia nitatitra fa tamin’izy niala teto Antananarivo dia misy namany anankiroa tsy lasa, nefa efa lany vola hatrany amin’ny 2.200 000 Ariary.


Ny fomba fandefasana vola ho an’ny fianakaviana aty indray dia misy ireo mpiasa vehivavy no mifampiresaka amina saofera Indiana. Izy irero indray dia tsotra be daholo, tsy mitovy amin’ireo mpampiasa Arabo. Ireo saofera Indiana ireo no fanirak’ireo mpiasa vavy, mitondra vola ary mandefa izany any amin’ny fianakavian’ilay mpiasa vavy. Ho an’ireo tsy mahita hevitra moa dia voatery ny mpampiasa no tenenina mba handefa ny karamany any amin’ny fianakaviany.

Ankilany, dia maro be any an-toerana ireo « agences » tsy ara-dalàna mandray sy mampiditra mpiasa antsokosoko tsy misy taratasy. Na iray volana aza ilay mpiasa no miasa ka rehefa tsy tamana dia afaka miala dia omen’ilay « agence » mpampiasa hafa indray. Isam-bolana kosa dia mandoa vola amin’ilay « agence » ilay mpampiasa raha toa ka tamana ilay mpiasa. Voalaza moa fa saika ireo avy amin’ny tany Afrikana, indrindra ny avy ao Mali ireo « agences » tsy ara-dalàna ireo.

Amin’izao fotoana izao (volana novambra 2020) dia nisafidy ny mbola hijanona hiasa any i Farida. Ny mpampiasa azy rahateo olona tsom-po. Tsy irery anefa izy any fa mbola ao ireo namany Malagasy mitovy aminy no nisafidy nijanona toa azy, ary mifampiresaka matetika.

Jeannot Ramambazafy sy Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mardi, 03 Novembre 2020 06:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024