]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Ambohidahy CIM Permis de conduire. Miala any indray ny finiavana hanao «bizna»

Ambohidahy CIM Permis de conduire. Miala any indray ny finiavana hanao «bizna»

Tsotra ilay tetika. Tsy sahy mangataka mivantana intsony ry zalahy fa raha maika ianao (ahoana moa no tsy ho maika!) ka ianao no miteny mari-bola voalohany, ary aorian'ny « adi-varotra », dia vetivety dia azonao ny "permis"-nao. Raha tsy izany dia io miandry telo volana mahery ianao ary tsy misy filazana fa tena ho voaray ianao amin'io fotoana io

Raha noeritreretina fa hilamina amin’izay ny ao amin’ny CIM (Centre immatriculateur d'Antananarivo), sampanan’ny ministeran’nt Ati-tany mikarakara ny « permis de conduire » na fahazoana mamily fiarakodia dia zavatra hafa indray no miseho ao. Tena mitaratra fa misy indray ny finiavana hanao « bizna » araka ny fomba fiteny ankehitriny. Mitantara ao amin’ny Facebook ny tranga niseho tao amin’io CIM io, tamin’ny 16 Desambra 2020, i Jean Alain. Noraisiko adidy ny nandika io fitairanany io, amin’ny maha mpanao gazety ahy satria raha Facebook izany tsy mahasolo gazety velively. Fa misy sary porofo ilay tantarany fa tsy « fake news » velively na koa fampitam-baovao niniana disoana. Tsy nahitsiko ny tsipelina diso. Andao ary.

Jeannot Ramambazafy

MINISTERE DE L'INTERIEUR - FARITANY - PERMIS DE CONDUIRE

Saika hanatitra taratasy fangatahana « Permis » androany 16/12/2020 dia hoy ny mpandray teo ambaravarana hoe :

MILA MAKA « RENDEZ-VOUS » NY FANATERANA « DOSSIER ». Dia naka 'rendez-vous' hanatitra antontan-taratasy dia nahazo 'rendez-vous' amin'ny… 22 Mars 2021 - 8h araka io daty voatondro eo amin'ny sary eo ambony io. Afaka 3 volana sy herinandro izany manatitra an'io « dossier » efa nasiany fitomboka mena io. « Dossier complet » amin'io ary efa hitany teo daholo dia tsy raisiny fa miverina amin'io fotoana io indray no manatitra azy. Mbola hanatitra antontan-taratasy fotsiny amin'io fa tsy hoe haka an'ilay « permis » efa vita an! Le maka « permis » efa vita iny resaka hafa koa iny.

Inona no tsy ametrahanareo « ASSISTANT D'ADMINISTRATION » handray ny antontan-taratasin'ny olona amin'ny fotoana rehetra fiasana? Asio « SERVICE PERMANENT » ao amin'ny Faritany fa « SORTANT ENAM SY INFA » ve no tsy misy e! Ny olona anie mandoa vola e! Sady mandoa hetra koa fanampiny. Ary ny olona mba miasa ka izay fotoana kely malalaka no mitselika kely ao e! Rehefa tsy hanao « SERVICE PERMANENT » ao amin'ny Faritany nareo handraisanareo ny olona rehetra amin'ny fotoana rehetra dia alefaso any amin'ny FOKONTANY ny fanaterana « dossier » fa Lehiben'ny fokontany ao « ambohitsitononina » miasa ary ankasitrahanay ny asany. Tsy vitan'ny hoe « service centralisé à Ambohidahy » fa mbola mampivezivezy sy mampiverina afaka 3 volana koa!

Le hoe « décentralisation » ohatry ny « leitmotiv » fotsiny dia tenitenenina eny fa tsy iainana akory. REHEFA TSY ARAKAREO LE ASA DIA TOKONY MANOKATRA TOERANA MAROMARO NAREO HANDRAISANA OLONA SY HAMOKARANA ARY HAMOAHANA « PERMIS » FARAN'IZAY HAINGANA. Ilain'ny olona anie io matoa atao e!

Rehefa tsy hanafaingana an'io nareo dia avereno ny « Permis carton » efa azoko izay nalainareo any fa efa nandoavana vola iny fa tsy ilaiko le « permis plastique » sy ny famenony. Zoko tanteraka ny mitaky iny « permis carton » iny. Mitovy amin'ny « diplôme » rehetra ny « permis » ary tsy misy an'izany hoe tsy manankery intsony ny "diplôme carton" ka hoe « diplôme plastique » indray no manankery.

Asa na inona le resaka « civisme » resahinareo isaky ny manao fanadinana na inona fa ianareo mpitantana mihitsy no lesoka sy manondrana izao. 2 Taona izao no nahavitan'ny fanadinana dia isaky ny tonga eo dia hoe « rendez-vous, rendez-vous! ». Kanefa « Quand je me rends » dia hoe maka « rendez-vous » vaovao fa efa tara ianao.

Soa ihany fa nisy iny fihibohana iny dia takona le izy. Fa sangy mihoatra ny loha ary tafahoatra izao fitantananareo izao. Tamin'ny taona 2009 nanaovako « permis » voalohany fa tsy ohatr'izao izany. Tamin'izany ny « auto-école » nianarana no maka ny permis ao amin'ny faritany dia miantso anay fotsiny hoe vita ilay izy. TSY HAIKO HOE INONA ILAY TIANA HAHATONGAVANA?

JEAN ALAIN

Mis à jour ( Dimanche, 20 Décembre 2020 09:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...