Raha jerena ny zava-misy eny antsena ankehitriny dia tsy nitsaha-niakatra ny vidiny kojakojam-piainana ilaina andavanandro (Produits de Première Nécessité na PPN), toy ny : vary, menaka, siramamy, lafarine, savony …. Marihina fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, izay fotoana fiakaran’ny vidin’entana isan-taona, saingy tafahoatra loatra ny zava-misy ankehitriny satria misy ny manararaotra ny toe-javatra manoloana ny fitotonganan’ny ariary, ny fiatraikan’ny COVID 19 ary ny tsy fahampian’ny orana eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Tsy fantatra intsony hoe iza no tena manana tombontsoa sy milalao ny aim-bahoaka toy izao ? Ny fanadihadiana natao mantsy no nahafantarana fa « tsy mihetsika loatra ny vidin’ny vary avy any amin’ny mpamongady (grossistes) sy ireo kazan’entana voalaza etsy ambony ireo ». Ny mpaninjara (détaillants) koa anefa dia manilika fa hatrany ampotony izao fiakaran’ny vidin-javatra izao. Izany hoe eo anelanelan’ny mpamongady sy ny mpaninjara ve izany no misy ireo mpanohariana fahavalom-pirenena ireo ?
Mazava izao fa misy manararaotra eo anatrehan’ny izao toe-javatra ankehitriny izao. Olona tia kely sy fahavalom-pirenena mihitsy no azo ilazana azy.
Ny tokony ho izy ara-drariny dia tsy tokony hiakatra mihitsy io vidim-bary io, ary tahaka izany koa ny kojakoja hafa ilain’ny vahoaka andavanandro, raha tarafina avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety, satria nomarihan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Asa tà nana fa « ampy tanteraka ny entana rehetra eto Madagasikara ». Ny mahalasa fisainana anefa dia misy fihetsika tsikaritra hikendrena tanjona hafa eo amin’ireo karana mpanafatra vary, raha ity raharaham-bary ity manokana no asian-teny. Ireto teratany vahiny ireto mantsy no mifehy ary mibaiko ny vidim-bary eto amintsika.
Ny fihetsika voalohany tsikaritra, araka ny fanadihadiana natao, dia niova fivolanana (fomba fiteny), ireo karana mpanafa-bary. Hatrizay dia niresaka tamin’ny fiteny malagasy na frantsay izy ireo rehefa mifampidinika amin’ny Malagasy mpandraharaham-barotra eto amintsika. Amin’izao fotoana izao anefa, mody niova anarana ny orin’asa mpanafatra vary an’ireo karana ireo, niova araka izany koa ny olona mifampiraharaha amin’ireo Malagasy ary tsy maintsy amin’ny fiteny anglisy no ifampiresahana, ka maro amin’ireo Malagasy mpiara-miombonantoka amin’izany no toy ny : « omby mijery flora » araka ny fitenenana. Dia ireo karana mpanafatra vary ireo no manao izay tiany atao manoloana izany.
Ankoatra ireo fihetsika niova voalaza eo ambony ireo dia saika novain’ireo karana mpanafatra vary sy ireo karazan’entana ilain’ny olona amin’ny fiainana andavanandro ny anaran’ny orinasany. Mody manao fanambarana hoe : « maty antoka » (faillite) izy ireny dia manangana orinasa hafa vaovao indray. Lalaoviny ao anatin’izany ny vidin’entana eto amintsika, ka tokony ho jeren’ny tompon’andraikim-panjakana akaiky ny mikasika izany.
Fantatra ihany koa, araka ny fanadihadiana fa misy mpamongady sy mpaninjara Malagasy mahazo tombontsoa sy milalao ny aim-bahoaka amin’izao fiakaran’ny vidiny entana izao. Ohatra amin’izany i Juliette Be etsy Anosibe, izay mitana tranom-barotra maromaro eny an-toerana. Tsy mandeha irery izy amin’izany, araka ny fanadihadiana hatrany, fa misy « mpanao politika » be lamosina tsy mitsaha-miketrika amin’ny fomba rehetra hikapana ny ranjon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny, miaro sy miara-mitetika ny fomba rehetra hampangidy hoditra ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina.
Na dia teo aza ny ezaka lehibe nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Asa tà nana tamin’ny fanetsehana ireo ratsa-mangaikany manerana ny Nosy tamin’ny fitsirihana ny vidin’entana sy ny fanarahamaso ny tahirin’entana tany amin’ireo mpamongady sy mpaninjara manerana an’i Madagasikara, dia tsy kely là lana ny ratsy. Ka noho izany indrindra no hanairana ny mpitondra fanjakana tsy hangataka andro fa hanao ny fomba rehetra hitsinjovana ny vahoaka malagasy indrindra ny mikasika io vidin’ny vary io, satria efa tena sahirana ny vahoaka ary latsaka ambany dia ambany ny fahefa-mividiny ankehitriny. Inona, ohatra, no misakana ny mpitondra fanjakana tsy hampiasa ny « maha-fanjakana ny fanjakana » (Raison d’Etat) ? Tsy jadona na fanamparam-pahefana izany fa eo anoloan’ny zava-misy dia tsy maintsy mandray fepetra hiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy miisa 25 tapitrisa.
Ny maha velombolo ankehitriny aloha dia tsy ho ela dia tokony hidina ambanin’ny 2.000 ariary ny vidin’io fotsimbary io eny amin’ny tsena manerana ny Nosy satria maro ireo sambo nitondra ireo vary nafarany fanjakana no efa tonga ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina amin’izao fotoana izao. Marihina moa fa hamidy amin’ny vidiny mirary ireo vary tonga ireo ary hanampy izany koa ny fiakaran’ireo tahirim-bary avy amin’ireo tantsaha mpamokatra manerana ny Nosy.
Antenaina araka izany fa hafaiganin’ny mpitondra fanjakana ny fitsinjarana ireo vary ireo manerana an’i Madagasikara mba hifehezana sy hampidinana ny vidim-bary ankehitriny ary hiarovana ny tombontsoam-bahoaka.
Fehiny, tsy handroso mihitsy i Madagasikara raha mbola toe-tsaina « tia-kely » no mibaiko ny tsirairay, fa tokony hikatsaka mandra-kariva ny tombontsoa iombonana. Izany no tena fitiavan-tanindrazana : ny fitsinjovana ny mpiray tanindrazana amin’ny fotoantsarotra.
TSIMA – Antananarivo, 13 janoary 2021