]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina. «Izaho tsy Filoham-pirenenan’antoko fa Filoham-pirenenan’ny vahoaka malagasy rehetra»

Andry Rajoelina. «Izaho tsy Filoham-pirenenan’antoko fa Filoham-pirenenan’ny vahoaka malagasy rehetra»

Maro ihany ny zava-boalazan’ny Filohampirenena Andry Rajoelina, ny alin’ny alahady 8 aogositra 2021. Samy nandray izay hitany fa mety hasarika ny mpihaino, ny mijery sy ny mpamaky, ny mpikirakira vaovao isan-kazarany.

Eo amin’ny fanaovan-gazety matihanina dia misy ny fitenin’i Beaumarchais (1732-1799), mpamorona tantara an-tsehatra sy mpanotra frantsay, hoe : «les faits sont sacrés, les commentaires sont libres ». Izany hoe afaka milaza sy manoratra izay eritreretiny daholo ny tsirairay eo anatrehina tranga, fa kosa tokony tsy mamorona na koa mandainga ka mandiso ny zava-nisy na voateny marina.

Hatramin’izay moa dia vahiny hatrany no nanoratra ny Tantaran’i Madagasikara. Ary dia fijery tandrefana foana -tsy ho lazaiko hoe fijerina mpanjanaka- no nibahana ary mbola mibahana, hatreto. Tsy nisy nanatrika izany raharaha 1947 izany isika velona amin’izao fotoana izao ; maro no mbola tsy teraka tamin’ny raharaha 1972 ary indrindra tamin’ny raharaha namonoana ny Kolonely Richard Ratsimandrava, ny 11 fabroary 1975. Ny tenako manokana moa dia mbola nianatra tany am-pita tamin’io fotoana maloka ho an’ny firenena io… Tsy misy mahalala, na koa sahy miteny ny zava-nisy marina any ka mionona amina tsaho sy zava-poronina hatrany ny vahoaka malagasy sy ny taranany.

Fa amin’izao taon-jato faha-XXI izao kosa, dia tsy manaiky -ary tokony tsy hanaiky- izany intsony isika eo anatrehin’ny teknolojian’ny fampitam-baovao afahana mandre, mamaky sy mahita ny teny rehetra voalaza marina.


Afaka 10, 50, 100 taona ary dia mbola ho vaotahiry ireto manaraka ireo satria tokoa ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ary saika zava-doza indray no niseho teto amin’ity Nosy malalan-tsika ity. Ny tsy Malagasy ihany no tsy mahatsapa izany… Andao ary. Fanazavana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mikasika ilay tetika Apollo 21 izy ity.

« (…) Mikasika ilay Apollo 21, efa nohamarinin’ny Procureure de la République (Ndt : lehiben'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana ambony Antananarivo, Ramatoa Berthine Razafiarivony) ny fisian’io ary misy porofo any am-pelatanan-dry zareo. Iray izay. Ny zavatra fintinina angamba dia ny hoe : planina maty paika sy matihanina ilay Apollo 21.

Miteny ianao teo hoe «tsy misy ny fahatokisana ny mpitondra» (Ndt : Ny mpanao gazetin’ny Tv Plus, Abraham Razafy, no niantefan’io fehin-teny io). Andrasana hisy ho faty ve vao hipetraka ny fahatokisana ? Andrasana hisy olona ho faty eto amintsika izay isika vao hiteny hoe : io fa marina ilay izy, na dia efa mipetraka daholo ny zava-drehetra, ny planina hatao ? Zavatra roa fotsiny, ny ahy, no tiako ambara. Jereo fotsiny ny Tantara taty amin’ny kaontinanta afrikana efa-bolana lasa izay. Telo volana sy tapany lasa izay nisy namono, voalaza fa «voatifitra» -araka ny filaza- ny Filoham-pirenenan’ny Tchad, Idriss Deby. Tsy filma izany, Abraham Razafy an ! Sa mbola hisy afaka hilaza hoe namono tena izy sa filma ? 18 avril 2021 no maty Idriss Deby, taty amin’ny kaontinanta afrikana. Fantatro tsara io Filoham-pirenena maty io; nifampiresaka tamiko tsara ary nifampiresaka ny olana izay misy itovizana iainanay mirahalahy. Ianareo mpanao gazety dia diniho, ary diniho tsara ny Tantaran’ny firenena. Ny zavatra teneniko anao dia tsotra : matoa misy ny olana sy ny fikasana hifofo ny aiko dia noho ny fiarovako ny tanin-tsika, noho ny fiarovako ny tombontsoan’ity firenena malalan-tsika ity. Iray izay.

Faharoa : filma ve ny nahafatesan’ny…, ny namonoana ny Filoham-pirenena tany Haïti, Jovenel Moïse ? Hitanareo ireny sary mandeha amina haino aman-jery rehetra ireny. «Mercenaires» efa miisa 26 no nanafika azy tao an-tranony, tafiditra tao an-tranony, ary bala 12 no notifirana azy teo amin’ny vatany. Filma ve izany zavatra rehetra rehetra izany ? Iray volana katroka androany no nahafaty an’i Jovenel Moïse tany Haïti, tamin’ny 7 jolay 2021. Vao tsy ampy herinandro vitsivitsy akory koa izay no notsatohana antsy ny Filohan’ny Tetezamita, ny Kolonely Assimi Goïta, tany Mali. Filma ve izany zavatra izany ? Ka eto aho dia mampitandrina ny olona rehetra rehetra eto amintsika f’efa mihoatra ny fefy ny zavatra tiana atao eto amin’ity firenena ity. Ho azavaiko aminao, satria efa niresaka isika teo, ary araky ny tatitra sy ny fanazavana efa nataon’ny Procureure de la République, dia nanamafy io teti-dratsy entina hamonoana sy hakana fahefana efa voarafitra izany planina Apollo 21 izany.

Eto aho izany, noho ny fanazavan’ny Procureur générale, dia -amin’ny maha Filoham-pirenena ny tena- mahazo ihany ny tatitra hoe inona no zavatra natao tao anatin’izany Apollo 21 izany.

Ny Apollo 21 dia fanta-tsika tsara, ary efa nolazain’ny Procureure générale de la République, fa nisy ny fangatahana famatsiam-bola ho entina hanakorontanana ny firenena sy hamonoana ny tompon’andraikitra maro eto amintsika. Tsy nandà an’izany ny orinasa anankiray (Ndt : Madagascar Oil, izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny hotely Ibis Ankorondrano, ny 26 jolay 2021) fa nisy mihitsy io taratasy io, fangatahana izany.

Inona ilay plan Apollo 21 ? Ny plan Apollo 21 dia mazava ho azy fa ho entina hakana ny fahefana, hamonoana tompon’andraikitra. Fa ao anatin’ity Apollo 21 ity dia -efa nazavain’ny Procureure de la République ihany fa hitondra «éléments» hazavaiko ho an’ny vahoaka malagasy eto aho- misy vola 5 millions d’euros (Ndt : 22.945.772.945,00 Ariary ankehitriny na 114.728.864.725 Fmg) ny teti-bola ho entina hanaovana izany teti-dratsy izany.

Ao anatin’izany dia misy «phases» (Ndt : dingana) anakiefatra. Lazain-dry zareo io : misy ny «phase Houston» ; «phase allumage» ; «phase décollage» ary «phase mise sur orbite». (Ndt : ho an’izay tsy mahalala dia fantaro fa ny «Lyndon B. Johnson Space Center» na JSC dia ao Houston, Texas, no misy azy, nanomboka ny taona 1961. An’ny NASA na «National Aeronautics and Space Administration») izy io, izay nisy tao Imerintsiatosika tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Tao no nandrefetana ny praograma Apollo ary tao no niala ny zava-bolana Apollo 11 nitondra an-dry Neil Armstrong et Buzz Aldrin, izay olombelona vaolohany nanitsaka ny volana, ny 21 jolay 1969. Lalin-tsaina tokoa ny Paoly isany fa tsy misy hidiran’ny Amerikana mihitsy ny fikasan-dry zareo hamono ho faty ny Filoha Andry Rajoelina).

Ao anaty ao izany dia misy ny hoe : «achat d’équipements transmission et armement» ary, anisan’izany ny fakana «commandos» miisa 15 avy any ivelany, ao anatin’izay zavatra izay. Hitanareo ny sary tany Haïti fa «commandos» miisa 26 no tafiditra tao Haïti e ! Tafiditra tao amin’ny toerana fatorian’ny Filoham-pirenena, nitifitra ny Filoham-pirenena Haïtianina izay namako ihany koa iny Filoham-pirenena iny ! Hitanareo angamba tamin’ireny covid ireny, nanao «visioconférence» niaraka tamiko izy. Niresaka ary nifampiantso matetika izahay mirahalahy. Ao anatin’ity teti-dratsy ity dia misy mpanao politika. Fa aleho ny «enquête» no hitondra azy fa tsy afaka miteny aho. Fa ny afaka teneniko anao, araka ny «renseignements» azonay sy ny zavatra rehetra eo am-pelatànana dia misy mpanao politika ambony tafiditra ao anatin’izao zavatra izao.

Abraham Razafy : Mpanohitra sa mpanohana, Andriamatoa Filoha ?

Aleho ny fitsarana no hiteny an’izay. Tsy afaka hiteny aho fa ny fitsarana sy ny «enquête». Vao manomboka anie ny «enquête». Miditra «enquête au fond» (Ndt : fanadihadiana lalina) isika izao. Ary izaho dia manome toro-marika mihitsy -misaotra ny fitsarana-, hoe : tsy tokony hisy intsony ny zavatra ohatran’izao. Ny hevitra tsy mitovy mety ekena. Fa ny hifamono kosa, efa mihoatra amin’ny zavatra tokony ho izy.

Tohiziko ihany ilay izy. Ao anatin’ilay «phase Houston», misy ny hoe : «conduite des opérations de déstabilisation sociale». Efa natao anie izany e ! Fa tsy nahomby. Efa nataon-dry zareo izany ary mbola hikasa anao izany ry zareo. «Conduite des opérations de déstabilisation sociale» : fanakorontanana ara-sosialy eto amintsika, «au sein de toute l’administration et dans les chefs-lieux de province». Izany zavatra ao anatin’ny «plan»-dry zareo. «Phase allumage : neutralisation de cinq personnalités emblématiques du régime». Fantatray io fa tsy afaka hiteny aho fa aleho ny fitsarana no haneho izany satria ny zavatra rehetra efa notenenin’ny «Procureure» dia amafisiko : «rémunération, sécurisation des responsables de forces de défense et de sécurité». Maromaro ihany ny mpitandro filaminana ambony voatonona ao anatin’io. Ni-«contacter»-dry zareo, ary fantatry ry zareo, ary be dia be ny olona ao anatiny ao. Tsy hiteny mihitsy aho eto na resaka «associations», na resaka «groupements», resaka fikambanana maro isan-karazany. Tsy anonona an’izany no ho ataoko eto fa fantatrareo ny tiako ho lazaina (Ndt : izany hoe efa fantatra daholo izy ireo na olona mpitarika na ny anaran’ny fikambanana… satria voasoratra mazava ao anatin’ireo porofo izay sarotra ihany no ilazana hoe «noforonina» izy ireo).

«Indemnisation des troupes au sein des forces de défense et sécurité». Misy vola ato fa tsy tononiko ilay izy. «Indemnisation des leaders syndicaux, des leaders au sein des organisations des sociétés civiles». Ny tiako lazaina izany, ao anatin’ity (Ndt : dosie matevina no namakian’ny Filoha Rajoelina ireo) dia misy planina be dia be hoe : inona no zavatra tokony hatao fa tsy afaka «dévoiler»-na moa ilay izy satria mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka. Fa isika koa mba te-hitondra ny mangarahara, mba te-hitondra ny marina eo anatrehan’ny vahoaka malagasy, dia izay no anjara no entina ilazana amin’ny vahoaka malagasy fa zavatra mamoafady no saika natao teto amin’ity firenena ity. Fa misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa noho ny Fitahiany dia voasakana izany teti-dratsy rehetra izany.

Abraham Razafy : Andriamatoa Filoha, mihaino anao mamaky ilay planina teo iny, ohatry ny manana «impression » izany hoe efa nivoaka ny didim-pitsarana. Satria, na ny «communication » entin’ny mpanohana anao dia milaza avy hatrany fa efa meloka ilay olona. Manaja izay «droit à la défense » izay ve ny Fanjakana ? Ianao ve manome toky fa malaka ny fitsarana hanao ny asany araka ny tokony ho izy ao anatin’ity fanadihadiana ity fa tsy hametraka tsindry amin’ireo mpitsara mpanao famotorana, ary hanaja ihany koa ny zo ananan’ireo olona izay voarohiroy ao anatin’ity fitsarana ity. Satria fantatr’isika aloha izany izao fa mbola manaja izay «droit à la présomption d’innocence » izay isika, Andriamatoa Filoha.

Ohatran’ny mahalasa fisainana ihany ilay fanontanianao, ry Abraham Razafy, ao anatin’ilay izy. Ny manao «enquêtes» ao anatin’ilay izy dia ny «Brigade criminelle» nampian’ny ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, natrehin’ny «Procureure générale de la République». Izaho milaza aminao fa raha ny porofo eo am-pelatànan-dry zareo rehetra no havoakan-dry zareo mety ho sarotra ny raharaha eto amin’ny firenena. Matoky ny fitsarana aho noho izany.

Ary marina fa misy hoe «présomption d’innocence» (Ndt : araka ny lalàna manan-kery dia everina fa tsy meloka ny olona iray mbola tsy voatsara) fa ianao ve, Abraham Razafy, rehefa hisy handeha hikapa famaky ny lohanao dia mbola hiteny ianao hoe ; mbola misy «présomption d’innocence» iny olona iny ? Hikapa ny lohanao, hamono anao ? Dia hiteny ianao hoe : aoka aloha fa mbola misy «présomption d’innocence» iny olona iny ? Ka izay no teneniko hoe : aoka kosa isika mba ho saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenen-tsika.

Izaho tsy Filoham-pirenenan’antoko fa Filoham-pirenena ny vahoaka malagasy rehetra, iray manontolo. Ary izay no teneniko hoe : aoka isika tsy anaiky ho zarazaraina, na amin’ny hevitra, na amin’ny fanehoan-kevitra, fa mety ho zava-doza no hitranga eto amin’ity firenena ity.

Nandika an-tsoratra :

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 01 Septembre 2021 18:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024