]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Filoha Andry Rajoelina tao Sainte-Marie, 20 aogositra 2022. Ireo kabariny rehetra manontolo

Filoha Andry Rajoelina tao Sainte-Marie, 20 aogositra 2022. Ireo kabariny rehetra manontolo

Tsy asiako… kabary fa tafiditra ao anatin’ny Tantaram-pirenena malagasy ireto kabary rehetra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tany Nosy Boraha na Nosy Sainte-Marie. Ny antony ? Rehefa samy mirirotra izay sombin’ny zavatra tenenina ka manisy sira arakaraky ny foto-kevitra ijoroany ny « mpitatitra », dia tsy misy horaisina intsony ny Tantara izay mifototra amina tranga sy teny tsy foronina velively. Ny soratra koa moa mitoetra ka dia aleho tokoa ny Tantara no hitsara ny voatenin’ny Filoha Andry Rajoelina, tao Nosy Sainte-Marie, ny sabotsy 20 Aogositra 2022.

Nandika ny kabary nohenoina : Jeannot Ramambazafy

***************

Commissariat de Police vaovao ao Sainte-Marie

Kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitokanana azy

(…) Rehefa tonga eto Sainte-Marie dia ny zavatra voalohany atao dia ny mitsidika aloha –avy any amin’ny aéroport izahay- ny “monument” fotodrafitr’asa ara-panahy izay fiangonana, “église catholique” voalohany niorina teto Madagasikara. Dia tsy afenoko anareo fa nangata-pitahiana kely tao aho ary anisan’izany mba handrosoan’ity Sainte-Marie ity, izay vao hitokana ity fotodrafitr’asa ity isika. Mangetaheta fampandrosoana ny vahoakan’i Sainte-Marie. Mangetaheta fandriampahalemana ny vahoakan’i Sainte-Marie. Ary izay indrindra no nahatongavan-tsika. Ary ny velirano nataoko taminareo dia ny hoe : tsy maintsy ho tratran-tsika ny tanjona izay hiarahana. Fa ny tanjona napetraka izany kosa tsy androany no miteny dia androany no vita, rahampitso no vita. Efa ela loatra no tsy nisy foto-drafitrasa napetraka ho an’ny vahoakan’i Sainte-Marie teto Sainte-Marie. Marina sa tsy marina ?

Tonga eto isika, ankehitriny, hitokana izao “Commissariat de police” manara-penitra. Rehefa manao zavatra isika dia ataon-tsika sady tsara no mafy satria mendrika izany ny vahoakan’i Sainte Marie. Marina sa tsy marina ? Asio tehaka mafy be raha marina. Araka ny zavatra nitranga, dia nisy zavatra niseho teto Sainte-Marie. Ny fitadiavana ny rariny, ny fampanjakana ny hitsiny, ny fampanjakana ny marina. Ary izay ny zavatra nitranga satria nisy zavatra niseho nampalahelo ihany, fa isika koa vahoaka endry ka ny zavatra niseho tany aloha tany tsy ho ataon-tsika intsony amin’ny ankehitriny. Marina sa tsy marina?

Satria nisy nandoro ny “Commissariat de police” teto. Rehefa nisy nandoro dia tsy hoe izay simba ihany no hatsangana fa hoy aho : andao isika hanangana vaovao, hanangana tsara satria mendrika an’izany ny polisim-pirenena, mendrika an’izany ny vahoaka eto Sainte-Marie. Rehefa mijery an’izao anie dia mba jerijereo ihany fa ny lokony fotsy ohatran’ny akanjoko, ary misy loko maro maro ohatran’ny aty amin’ny vatako ihany. Izany hoe sady tsara no mendrika ho an’ny vahoakan’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny fisian’ny foto-drafitrasa toa izao “Commissariat de police” izao dia velirano voalohany ao anaty Velirano. Dia ny hoe : “Fametrahana fandriampahalemana manakaiky ny vahoaka”.


Indrindra moa, eto Sainte-Marie dia nosy, nosy kely, ary mendrika anaovana foto-drafitrasa toa izao. Laharam-pahamehana ny fiadiany amin’ny tsy fandriampahalemana, na io an-tanan-dehibe, na io ambanivohitra, na io nosy ohatra an’i Sainte-Marie. Ka izay no nanaovan-tsika izao foto-drafitrasa izao mba hisian’ny fandriampahalemana manakaiky ny vahoaka. Tsy misy mihitsy fampandrosoana mirindra raha tsy tafapetraka ny fandriampahalemana. Ary izao ny zavatra tena mahagaga. Jereo tsara: avy eto isika, handeha hitokana ny tribonaly. Hatramin’izay nahazoan-tsika ny Fahaleovantena, tsy nisy tribonaly teto Sainte-Marie. Nefa ny fisian’ny maha-mari-pototra an’ny fitondram-panjakana dia ny fametrahana foto-drafitrasa manakaiky an’ny vahoaka, ilain’ny vahoaka.

Izay no nanaovantsika hoe: vita ny “Commissariat”… Rehefa misy olona mantsy manao heloka dia adiadiana aloha ato amin’ny “Commissariat”. Vita ny fanadiadiana dia inona ny zavatra mitranga ? Rehefa hiakatra tribonaly dia mandeha mankany any amin’ny Fitsarana any Fenerive-Est ianareo. Dia raha tsy manam-bola izany ilay olona nitory, hitondrana ilay meloka ho tsaraina dia votsotra ho azy ilay olona meloka. Manomboka izao tsy izay intsony. Pejy vaovao no soratan-tsika ho an’i Sainte-Marie, mipetraka ny foto-drafitrasa “Commissariat” manara-penitra, avy eo isika dia hitokana indray ny Tribonaly manara-penitra. Fanamby napetra-ntsika izany ary mbola maro maro satria izaho moa tsy manao fitsidim-paritra, fitsidim-pahitra hoy ny fitenenana izay. fitsidim-pahitra izany tonga dia lasa. Fa tonga eto aho androany hitokana fotodrafitrasa mandrapahariva ny andro, ary rahampitso dia mbola eto ihany koa. Mandry eto aho androany alina, rahampitso mbola miaraka aminareo. Izany ny zavatra hataon-tsika satria mifankatia isika ary tsy maintsy mandroso i Sainte-Marie.

Noho izany dia hitokana izao fotodrafitrasa lehibe sy goavana manara-penitra izao isika. Raha misy ny teny ho atao dia izao fisian’izao fotodrafitrasa izao anie dia hametraka an’i Sainte-Marie sy ny vahoakan’i Sainte-Marie ao anatin’ny tany tan-dalàna, manaja ny lalàna, ary indrindra ny fandriampahalemana manakaiky ny vahoaka.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy

Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Sainte-Marie, 20 aogositra 2022

 

***************

Fitsarana vaovao ao Sainte-Marie

Kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitokanana azy

(…) Rehefa tonga teto Sainte Marie, nigadona teto izahay tamin’ny maraina, dia maro maro ihany ny zavatra notetezina sy ny zavatra notokanana. Fa ny fotodrafitr’asa ho tokanan-tsika eto amin’ity androany, dia manamarina ny asa natao tao anatin’izay telo taona sy tapany nitondrana ny firenena izay. Ny zavatra napetraka dia nametraka ny hoe « présence de l’Etat ». Ny « présence de l’Etat » dia ny fametrahana foto-drafitrasa ilain’ny vahoaka, manakaiky ny vahoaka ary, indrindra,efa nandrasan’ny vahoaka.

Ny vahoaka manerana na Nosy dia maniriy tokoa ny hisian’ny fandriampahalemana ary anisan’izany ny vahoakan’i Sainte Marie. Tsy nisy « Commissariat de police » teto nandritra ny taona maroary vao nitokanana ny « Commissariat de police » isika vao teo (Ttf : Biraom-paritra miisa 12 sy Kaomiseria miisa 27 no tanjona manerana ny Faritra, izay tafiditra ao amin’ny velirano 1).

Rehefa mipetraka ny « Commissariat de police » dia ao no atao ny famotorana na ny « enquête » ho an’ireo olona izay nahavanon-doza na olona izay nanao ny tsy mety eo amin’ny fiarahamonina. Rehefa vita izany « enquête » izany dia tsy maintsy ho entina ho tsaraina. Ary izay indrindra no tena olana nipetraka teto Sainte-Marie satria rehefa misy olona manana raharaha hoentina eo anivon’ny fitsarana, dia hatramin’izay aloha -taoriana kelin’ny niverenan’ny Fahaleovantena- dia ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina no niandraikitra ny asan’ny fitsarana ho an’ny mponina eto Sainte-Marie.


Dia tamin’ny taona 2019 isika no nametraka ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenoarivo Atsinanana (Fenerive-Est). Ny dikan’izany, rehefa misy olona meloka, na rehefa vita ny « enquête », dia tsy maintsy hoentina mipampita sambo mankany Fenerive-Est. Hoentina sambo ary ny olona mpitory, amin’io, no mpiantoka ny frais. Dia rehefa tsy misy vola izany dia lasa atao arrangement arrangement fotsiny ilay izy hoe: eny ary fa dia lasa tany tsy misy fanjakana; lasa tany tsy misy Fitsarana nefa efa 2022 isika izao.

Dia matetika ity zavatra teneniko ity mampaharary ny fon’ny hafa nefa zavatra marina no lazaina : mbola tsy misy Fitsarana, tranom-pitsarana teto Sainte-Marie hatramin’ny fisian’ny Fahaleovantena. Izay no teneniko hoe andro lehibe androany fa mendrika fitsarana ary homena Fitsarana, ho sokafana amin’ny fomba ofisialy androany eto Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Tsy vitan’izany fa ny tanora rehetra izay mila “casier judiciaire” dia tsy vita eto an-toerana hatramin’izay. Noho izao Fitsarana manara-penitra izao dia eto an-toerana ihany dia ho vita ny fanaovana izany “casier judiciaire” izany. Na halatrakely, na resaka vaki-trano fa mainka moa izany fa famonoana olona, dia tsy nisy Fitsarana teto hatramin’izay. Izany hoe tany tsy nisy « présence de l’Etat », tsy nisy Fitondrana, tsy nisy Fanjakana, tsy nisy Fitsarana. Fa ankehitriny dia tany manana ny maha izy azy, Nosy manana ny maha izy azy ny Nosy Sainte-Marie, Nosy Boraha fa dia nahazo an’izao foto-drafitr’asa izao ho an’ny vahoaka, manakaiky ny vahoaka izao, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Adidin’ny Fitondram-panjakana ny miantoka ny fahafahan’olona tsirairay mitondra ny raharahany eo amin’ny Fitsarana. Voarakitra ao anatin’ny Velirano fahatelo izany dia ny fanakaikezan’ny Fanjakana amin’ny olom-pirenena. Izay no antony itokanan-tsika izao Fitsarana izay apetran-tsika eto. Tsy io ihany ny Fitsarana ambaratonga voalohany afaka tokonàna sy nahorin-tsika. Mba fantatrareo fa 199 no isan’ny distrika manerana an’i Madagasikara. Raha tsy diso aho, 44 ihany no misy Lapam-pitsarana manerana an’i Madagasikara. Dia miteny izany ianareo, rehefa miteny izahay hoe : zavatra mbola tsy nisy teto Sainte-Marie tao anatin’ny 65 taona izao. Marina izany, Tompokolahy sy Tompokovavy: tsy nisy Fitsarana teto Sainte-Marie raha tsy amin’izao fitondram-panjakana izao satria mendrika izany ny vahoakan’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Fanatanterahana ny politikan’ny Fanjakana ny fametrahana izao foto-drafitr’asa izao fa, indrindra indrindra, fanomezana hasina ny vahoakan’i Sainte-Marie. Izao foto-drafitr’asa izao dia hisy fiantraikany goavana eo amin’ny sehatry ny Fitsarana, ny fitantanana, indrindra indrindra, ny fandriampahalemana, ka izay olona meloka dia tokony ho tsaraina ary tokony hi sazina. Noho izany dia ambarako amin’ny fomba ofisialy fa misokatra ny Fitsarana eto Sainte-Marie.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Sainte-Marie, 20 aogositra 2022

 

***************

Kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitokanana ny lalana vita rary tamina vato « pavés » mirefy 450 m ao Ambalaboania

Tonga eto Sainte-Marie isika hitokana izao làlana « pavés ». izao, rarivato, izay natao isaky ny distrika manerana an’i Madagasikara ary tsy adino ami’izany koa ny eto Sainte-Marie. Raha làlana aty amin’ny ankaviako aty ; raha làlan-tany sy fotaka izany ity làlana ity (teo aloha) dia izao isika miteny izao dia vita làlana mirary vato. Koa satria mendrika tsy hitsobo-drano sy ho feno fotaka na viavy rehetra, eny na ny lehilahy koa eto Sainte-Marie –izao isika afaka mandeha tsy ao anatin’ny fotaka- ka dia ho tokanan-tsika amin’ny fomba ofisialy izao « pavés » izao.

Koa dia mankasitraka, Tompolahy, mankatelina, Tompokovavy.

Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Sainte-Marie, 20 aogositra 2022

***************


Kabary manontolo nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tao Ambodifototra, Sainte-Marie

(…) Izahay io, tamin’ny maraina vao tonga teto Madagasikara. Fa tany ivelany aho. Naka avion avy any Paris, adiny folo sy sasany dia tonga taminy valo maraina dia tao amin’ny aéroport ihany no ni-douche, dia tao aho no nisolo akanjo. Dia hoy aho hoe: tsy maintsy tonga any Sainte-Marie aho fa fantatro fa miandry ahy ny vahoaka any, tia ahy ny vahoaka any sady tiako ny vahoakan’i Sainte-Marie, dia tsy maintsy tonga teto aho, Tompokolahy sy Tompokovavy androany !

Dia izao: rehefa niainga izahay niala avy ao Ivato dia niantso aho hoe manao ahoana ny ao Sainte-Marie : avy be ny orana tamin’ny maraina, Monsieur le Président. Avy be ny orana. Marina ve izany ? Avy be mihitsy ny orana ? Dia hoy aho hoe : aza manahy ianareo fa ho avy any aho hitondra vaovao tsara; ho avy any Sainte-Marie aho, masoandro no natao anarako; tonga any aho hiposaka ny masoandro, hivaha ny andro, hiposaka ny masoandro ary niposaka ny masoandro eto Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy !

Vao tonga izahay dia ny toerana nitsidihina voalohany dia teo amin’ny église catholique izay natsangana voalohany indrindra teto Madagasikara. Dia hasiana fanamboarana io église io. Io eglise io, tamin’ny taona 1837 no namboarina. Zava-dehibe izany. Tsy fantatro raha tsapanareo vahoakan’i Sainte-Marie fa zava-dehibe ny hoe fiangonana katolika, église catholique natsangana voalohany indrindra teto Madagasikara dia eto Sainte-Marie. Rehefa niditra tao aho dia nivavaka :Tompo ô, tahio i Madagasikara ary ataovy mba mandroso ity Sainte-Marie ity satria fantatro loatra ny fijalian’ny Malagasy, ny fijalian’ny vahoaka eto Sainte-Marie ary tanteraka izany vavako izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Sainte-Marie dia toerana sy Tanàna mahafinaritra. Nosy Boraha, nosy mahafinaritra ary ny vahoaka koa dia mahafinaritra. Manontany ahy ny olona hoe : tsy reraka ve ianao, Monsieur le Président, vao tonga avy any ivelany dia tonga eto Sainte-Marie? Reraka aloha aho, fa izao: vao nahita ny vahoakan’i Sainte-Marie aho, nisy ny nandihy, nisy ny nitsikisiky, nisy ny nikiakiaka mihitsy hoe: tongasoa, Monsieur le Président ! Dia nanontany ireo hoe: inona, hono, ny secret an’ny Président? Dia hoy aho hoe: ny vahoaka tia ahy. Izay ny secret-ko mampahatanjaka ahy, ary tsy maintsy hijoroako, tsy maintsy hiasako mafimafy andro aman’alina mba hampandrosoana ity firenena ity ary hampandrosoana an’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy. Ekena sa tsy ekena ? Mety sa tsy mety ? Asio tehaka sy hikiaka mafy be ary, Tompokolahy sy Tompokovavy !


Sainte-Marie. Hatramin’ny Fahaleovantena, niverenan’ny Fahaleovantena, mandrapahatongan’izao 2022 izao, tanàna mahafinaritra nefa dia tsy nisy tribonaly. Any ka sahirana isika, na ny maka izay antontan-taratasy izay ilaina, amin’n’izany tsy fisian’izany tribonaly izany; ny fakana casier judiciaire, ny fakana copie d’acte de naissance, ny fakana certificat de nationalité, dia tsy maintsy mandeha isika mankany Fenoarivo-Atsinanana, tsy maintsy mandeha mankany Toamasina. Dia normal ve io aminareo raha tanàna tsara, tanàna meva ohatran’i Sainte-Marie izany, tsy misy tribonaly? Tsy normal e ? Isika rehetra no miteny hoe tsy normal. Adino foana i Sainte-Marie hatramin’izay. Marina sa tsy marina ? Izany no mahatonga antsika hoe : rehefa misy ny tranga, rehefa misy ny mpitory izay niaran-doza noho ny halatra, noho ny fisolokiana, nentin’ny voina, dia ilay olona izay manana raharaha any amin’ny fitsarana indray izany no tsy maintsy miantoka ny frais-ny olona izay toriana mankany Fenoarivo-Atsinanana.

Manomboka izao tsy mankany Fenoarivo-Atsinanana intsony ianareo fa mahaleotena i Sainte-Marie fa notokanana tamin’ny maraina, ka manomboka ny mason’andro androany, mamana Tribonaly ny eto Sainte-Marie, tsy mankany Fenoarivo-Atsinanana intsony, Tompokolahy sy Tompokovavy ary izany ny fampandrosoana ilaina, izany ny fampandrosoana apetraka eto Sainte Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Izay ilay zavatra nolazaiko hoe : zavatra tsy natao tao anatina taona maro dia ataontsika ankehitriny. Vahoaka mila filaminana, vahoaka mila fitsarana tsy mitanila, vahoaka liana fampandrosoana ny vahoakan’i Sainte-Marie. Izay no nitokanan-tsika koa androany ny Birao manara-penitry ny Polisim-pirenena satria mendrika zavatra tsara, mendrika zavatra raitra, mendrika zavatra kanto ny vahoakan’i Sainte-Marie ka manomboka androany ihany koa dia efa nahazo Biraon’ny polisy manara-penitra ny vahoakan’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny zavatra natao tao anatin’izay telo taona izay dia ny fametrahana ny présence de l’Etat. Ny presence de l’Etat dia ny fanaovana foto-drafitrasa ilain’ny vahoaka, manakaiky ny vahoaka. Izay ny zavatra ilaina nataon-tsika. Tsy vita iray andro, tsy vita herintaona, tsy vita roa taona ny fanarenana ny Firenena. Ezaka lavitra io nefa mandeha aingana ihany isika. Satria isika Tgv mandeha aingana be, ary izay no noteneniko hoe : ataon-tsika aingana, manomboka eto ny fampandrosoana an’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Eto aho dia misaotra manokana ny ministeran’ny Fizahantany, misaotra manokana ny vahokan’i Sainte-Marie nankalaza ny fanokafana ny Fête des Baleines androany. Hita tokoa fa misy ny firaisankina satria raha ny zavatra hita teto androany dia teo anivon’ny fokontany, teo anivon’ireo orinasa no nandray andraikitra, nandray anjara tao anatin’iny karazana Carnaval izay nataontsika teto androany iny. Dia variana tokoa aho satria miray hina ny vahoakan’i Sainte-Marie, liam-pivoarana ny vahoakan’i Sainte Marie ary ho ampiako, ho atosiko ny vahoakan’i Sainte-Marie, tsy maintsy hampandrosoan-tsika i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.


Mazava ny hafatra, voaraiko ny hafatra nampitainareo teo: io dia ny zavatra marary tsy zaraina zaka ihany fa rehefa zaraina izy dia efa tsy zaka intsony. Noho izany, fantatro ny fasahiranan-tsika, fantatro ny fahantrana lalina izay atrehin-tsika ankehitriny, ary indrindra raha mikasika an’i Sainte-Marie manokana, maro maro ny zavatra nangatahinareo teo. Anisan’izany ny fanokafana ny sisin-tany. Efa misokatra aloha ny sisin-tany. Fa ny olan-tsika dia hoe: ahoana no hampandroso an’i Sainte-Marie mba ho betsaka kokoa ny olona hitsidika an’i Sainte-Marie ? Izay no tena olana. Ary izay no tsy maintsy hitondran-tsika vahaolana androany.

Anisan’izany ny mampifandray an’i Sainte-Marie sy Madagasikara iray manontolo. Mampifandray an’i Sainte-Marie sy ny firenena hafa ihany koa. Fantatrareo nefa ny zavatra mitranga, fantatrareo ny zavatra misy. Fa noho ny krizy izay misy sy ny fitantànana izay tokony harenina, eo amin’ny fitantanàna ny Air Madagascar, dia vitsy ny raoplanina izay misidina izay mampifandray an’i Sainte-Marie sy Antananarivo, Toamasina sy ireo firenena hafa.

Izaho eto dia milaza aminareo f”efa nanome toromarika aho amin’ny minisitry ny Fitaterana, nanome toromarika amin’ny minisitry ny Fizahantany: tsy maintsy jerena vahaolana. Ary indrindra indrindra eto Sainte-Marie aho no manambara fa raha vao tsy ampy ny avions dia eto aho manambara amintsika fa afaka herinandro vitsy dia hanasonia isika ary tsy maintsy homena hividianana avion vaovao ny Air Madagascar, izay hampitohy an’ny nosintsika Sainte-Marie sy La Réunion sy Île Maurice izay hasiana vols directs hampitohy an’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy. Mety sa tsy mety ? Ekena sa tsy ekena ?

Izay ny antony nanaovako publicité an’i Sainte-Marie androany hoe ataovy eo ambanin’ny fiahiako mihitsy ny Fête des Baleines. Satria zavatra voajanahary, nomen-Janahary antsika. Taminy maraina, nisakafo tao amin’ny restaurant tatsy, tao amin’ny Héritage. Dia nojereko, ny masoko nahitsy: teo ny baleines. Niarahaba ahy ry zareo satria tena nisidina ambony dia ambony dia ohatra ny reko hoe : Bonjour Président ! Dia hoy aho hoe : tsy izahay irery no tokony hijery anareo fa toerana manana ny lazany i Sainte-Marie, ary toerana fanta-daza eran-tany i Sainte-Marie.

Noho izany, hanampy ny vahoakan’i Sainte-Marie aho. Ary tsy izaho irery intsony, tsy isika irery intsony no hijery baleines fa mbola ho betsaka ny mpizahantany no hividy ny artisanat, hampiasa ny Bajaj mba hanaovana ny tour-n’i Sainte-Marie, hizahantany mba hampandre ny hôtels… Tsy maintsy atao fanamby izay ary tsy maintsy tanteraka izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Fanamby omeko anareo izany, satria izao: izaho dia nilaza taminareo hoe ampio aho mba afahako manampy anareo. Efa manampy ahy ianareo, efa nitory fitiavana amiko ianareo, satria ato amiko ato ity: alohan’ny nandeha aho dia hoy aho hoe: mba lazao kely hoe ohatran’ny ahoana ny fitiavan’i Sainte-Marie? Firy ny lanjan’ny fitiavan’ny vahoakan’i Sainte-Marie ? 83% ! Izay ny vato nomenareo ahy tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Noho izany, mijoro eto anolohanareo aho androany: tsy hamitaka anareo aho, tsy handiso fanantenana anareo aho, amin’ny heritaona isika mifankahita. Tsy sahy hijoro eto intsony aho raha ohatra ka tsy misy vols directs vaovao tonga eto Sainte-Marie, mampitohy an’i Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Matokisa ianareo ahy fa tsy maintsy vitaiko izany. Tsy maintsy ataontsika izany ary izay ny fanamby apetra-tsika. Manaraka izany, misy làlana izay notenenin’i Monsieur le Député teo. Ny làlana amin’iny côte Est rehetra iny, manomboka eo Antanatsinoa mivoaka mankany Ankirihiry. Ratsy iny làlana iny e ! Mila amboarina ve ? Atsangano ny tànan’izay miteny hoe mila amboarina. Isika rehetra rehetra. Ny làlana iny amin’ny Sud-Est, manomboka eo amin’i Saint Joseph izay mankany Mandraka. Ratsy koa iny làlana iny e ! Mila amboarina e ! Ny làlana any Ambodifototra mankany Lokintsy any avaratra. Ratsy koe iny làlana iny? Alohan’ny nandehanako teto efa fantatro fa tsy maintsy takianareo io. Dia nanontany aho hoe: manao ahoana ny fanamboarana io làlana io? Niantso ny PIC (Pôles Intégrés de Croissance) izahay. Ay efa vita ny études. Ataovy aingana ary ny fanamboarana azy ry PIC fa miandry ny vahoaka. Ataon-tsika ny fanafainganana hanamboarana ireo làlana izay notanisain-tsika teto ireo, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ary izao: ilay làlana tsy ho ataontsika ohatran’ilay làlana nataontsika tato. Telo taona io dia efa potika sahady izy izao satria nanify ilay goudron. Fa mba hatao enrobé ilay izy dia mba mateza, mba maharitra amam-polo taona maro maro. Ekena sa tsy ekena? Mety sa tsy mety? Izay no teneniko anareo hoe: tsy maintsy ataon-tsika izany ary tsy maintsy ho vitain-tsika izany. Na ny fitiavanareo ahy fotsiny aza dia milaza aminareo aho fa tsy mampatory ahy, ary izay no noteneniko hoe rehefa mifankahita isika dia tsy mitaraina intsony no ataonareo fa mba faly aho rehefa mandalo aho dia hoy ianareo hoe: merci, Président.


Fantatro fa mbola maro amintsika no mijaly amin’ny resaka Jirama. Marina sa tsy marina? Tapatapaka ny jiro, lafo ny jiro. Marina sa tsy marina ? Izao ny fanamby faharoa apetra-ntsika. Izaho moa tia ilay anankiroa. Ny fanamby dia izao: eto ianao Monsieur le Député, ao Monsieur le Maire, io Monsieur le Sénateur. Ny zavatra hataon-tsika : amin’ny faran’ny taona na amin’ny voalohan’ny taona farafahatarany -ny ahy velirano no ataoko, efa niantso ny minisitra aho teo- tsy maintsy tafapetraka eto ny parc solaire goavana 1 mégawatt, hapetraka eto Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny dikan’izay, amin’ny atoandro mihena 30% farafahakeliny ny vidin’ny Jirama satria avy amin’ny masoandro izay parc hapetraka aminareo. Izay ny iray. Mety sa tsy mety ? Asio tehaka mafy ary raha mety amintsika ! Ny faharoa: tsara ho fantatrareo fa ny 85%-ny vahoaka Malagasy dia mbola mampiasa jiro pétrole. Marina sa tsy marina ? Atsangano ny tànan’izay mampiasa jiro pétrole. Miantefa aminareo ity teniko ity: mba fantatrareo fa ny tena vidin’ny pétrole? Tokony ho 4.100 ariary ny litre. Fa noho ny fitsinjovana ny vahoaka dia natao 2.380 ariary. Ny dikan’izay izany dia ilay elanelam-bidiny dia ny fitondram-panjakana no mamemo azy. Dia izao ny fanamby apetran-tsika: hatramin’ny volana jona ho avy, ny ankamaroan’ny vahoaka izay mampiasa jiro pétrole dia ho zaraina kit solaire ka ny antsasany ihany no vidiny ho aloha fa ny antsasany dia ho alohan’ny Fanjakana. Dia hahazo kit solaire daholo ary eto Sainte-Marie no hizarana izany voalohany, alohan’ny faran’ny taona, Tompokolahy sy Tompoko vavy. Mety sa tsy mety ?

Dia manomboka amin’ny volana jona amin’ny herintaona dia hataon-tsika normal amin’izay ny vidin’ny pétrole satria tsy hampiasa pétrole intsony isika. Izay ny fanamby lehibe. Ary ho an’ireo tena marefo, izay tsy afaka mividy -fa mora anie ny vidin’izany. Ianareo izao mividy pétrole eo amin’ny 5.000 ariary eo raha tsy diso aho isam-bolana, sa mihoatra an’izay?- dia omena azy ireo 2.000 ariary fotsiny isam-bolana dia afaka herintaona dia azy tanteraka ilay izy. Kit solaire izy io, misy panneau solaire lehibe, afaka charger-na téléphone, dia misy jiro roa ao anatiny dia mazava ny tokantrano.

Izaho misy maneso satria anisan’ny praograma noteneniko io ary hoy aho hoe: rehefa tonga any aminareo ilay jiro dia hoy ianareo hoe: any izay i Andry nitondra hazavana ato aminay. Dia hoy ry zareo hoe: aiza foana i Andry, tsy mbola tonga i Andry. Dia hoy aho hoe : tsy maintsy ho avy aho f’aza taitra ianareo. Izay tia an’i Andry mahandry, tsy maintsy tonga izy, tsy maintsy hanazava ny tokantrano, tsy ho adinoko i Sainte-Marie, tsy maintsy mandroso i Madagasikara,

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Sainte-Marie, 20 aogositra 2022

***************


« Maison du Tourisme » vaovao ao Sainte-Marie

Teny fohy nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fitokanana azy

Zava-dehibe mihitsy, amin’ny maha toerana misy ny fizahantany izay eto Sainte-Marie, ankoatra an’i Nosy Be, ny manana toerana manokana. Izay ny antony nanaovan-tsika ity “Maison du Tourisme” eto Sainte-Marie ity, izay eto amin’ity toerana mahafinaritra ity, hafahan’ny mpizahantany maka ireo informations rehetra amin’ny toerana tokony ho tsidihina; amin’ireo guides sy ireo olona izay hilainy. Ma izay no maha zava-dehibe nametraha-tsika, amin’izao fotoana izao, an’ity “Maison du Tourisme” ity.


Ka ny teneniko dia no mba hiroborobo hatrany anie ny fizahantany eto Sainte-Marie ary ny Fitondram-pankakana dia hanao ezaka manokana ny mba hampitombo ny mpizahantany hitsidika ity nosy mahafinaritra eto Madagasikara ity.

Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Sainte-Marie, 20 aogositra 2022

Nadikan'i Jeannot Ramambazafy an-tsoratra ny kabary rehetra

Mis Ă  jour ( Dimanche, 21 AoĂ»t 2022 19:14 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024