]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Sylvain Willy Rabetsaroana. Mahay zavatra mihitsy ireo tsy tia Tanindrazana

Sylvain Willy Rabetsaroana. Mahay zavatra mihitsy ireo tsy tia Tanindrazana

Marina fa nataon’ny sasany teny frantsay hatrany ny « amelezana » an’i SylvainWilly Rabetsaroana amin’ny hoe « La population n’a plus rien Ă  attendre de ce rĂ©gime ». Asa, mila manao tatitra any amin’ny reny malala angaha ? Saingy izao : ny marina iray sy tokana ihany ary miala avy amina tahiry tsy azo foronina sy tsy azo fafĂ na na dia mihezaka manao izany ireo « sasany » ireo, na avy amin’ny « fanoherana », na avy ao akaikin’ny fitondrana mihitsy aza. Inona moa no mahagaga amin’izany ?

Raha ny marina izany dia tokony nataoko teny frantsay ity lahatsoratra ity. Kanefa miantefa any amin’ireo Malagasy nandany fotoana namoaka io lahatsoratra izay tsy mifanitsy amin’izao vanim-potoana izao mihitsy. Tsy dia ny anatratrarana azy ireo no tanjoko -hitsingidina ho azy eo ihany ny nanao azy io ami’ny fotoana tsy hampoiziny-. Ny tanjoko dia ny hamerina amin’ny laoniny ny tranga tena nisy. Ndao ary.


Aty Toamasina moa somary tara ny gazety vao tonga, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Any ka ao amin’ny Internet no malaky raha te-hanaraka ny vaovao misy eto an-tanindrazana sy any ivelany. Sendra nijery ny gazety « Madagascar Matin » ary aho omaly zoma, ary io ambany io no hitako :


Raha adika io lohateny io dia hoy i Sylvain Rabetsaroana hoe : « Tsy misy n’inona n’inona andrasan’ny vahoaka amin’izao fitondrana izao ». Ary na dia tsy voasoratra mazava aza, avy hatrany dia any amin’ny fitondrana Andry Rajoelina no mby ao an’eritreritry ny rehefa amin’io lahatsoratra nosoniavin’i Ariane ValĂ©ry izay tena mpanao gazety ao amin’ny « Matin » tokoa. Fa mino aho fa tsy misy adisoany mihitsy no nipoiran'io lahatsoratra io tampoka teo. Ao raha...

Fa ho an’ny ankamaroan’ny mpamaky izay tsy dia zatra mikaroka dia midika ho « famadiana » an’ny Filoha Andry Rajoelina io voalaza io. Rehefa navadibadiko ilay lahatsoratra dia toa misy zavatra efa novakiako mitovy amin’io mihitsy fa tamin’ny taona 2016 tany ho any. Inona tokoa moa fa dia izay mihitsy no hitako.

Raha ny fijery azy dia tamin’ny alakamisy 20 oktobra 2022 no nivoaka io lahatsoratra io, izay milaza fa niseho ingahy Sylvain Rabetsaroana « taorian’ny nananganany ny vondrona « MitsanganĂ  ry Malagasy ». Ary hoe « complĂštement rĂ©volté » hono izy. Anjanarao mpamaky no mandika io.

Nikaroka tao amin’ny tahiriko aho ary dia tena diso daty sy fotoana io lahatsoratra io satria ny « MitsanganĂ  ry Malagasy » dia ny taona 2016 no niorona. Ka raha taorian’izany no nanao ireo fanambarana ireo Andriamatoa Rabetsaroana dia miantefa any amin’ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina io hoe « Tsy misy n’inona n’inona andrasan’ny vahoaka amin’izao fitondrana izao », fa tsy any amin’ny filoha Andry Rajoelina izay ny taona 2019 vao nandray ny fahefana feno, rehefa voafidy filoham-pirenena ny volana desambra 2018.

Ireo ambany ireo ny porofo momba izany fa tsotra no amaranako ity lahatsoratro ity : mbola mitoetra hatrany ny « zarazarao anjakana » nolovain’ny sasany avy any amin’i Joseph Gallieni. Na Malagasy ireo na vahiny.

Aiza ho aiza izao ny toeran'ireo nanao sonia tamin'io 02 Septambra 2016 io ?

Mila mailo fatratra ny filoha Andry Rajoelina satria efa azo lazaina fa ankatoky ny fifidianana filohampirenena tokoa i Madagasikara izao ka hitady ny fomba rehetra hisian’ny ady an-trano ao amin’ny fitondrana ireo « mpanohatra ». Fa tsy latsa-danja koa anefa ireo nahazo seza tsy nitolona na iray segondra aza, ka hanao vy very ny ainy mihitsy sao ho very kapoaka eo
 Tsy fitiavanana Tanindrazana daholo izany.

Fa an’iza tokoa moa ny gazety « Madagascar Matin » ?...

Jeannot Ramambazafy

22 Oktobra 2022

Mis Ă  jour ( Samedi, 22 Octobre 2022 16:03 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...